Bianco Madagascar - page

Bianco Madagascar - page C'est une page qui invite chaque citoyen à œuvrer ensemble contre la corruption et à conjuguer les efforts pour une croisade contre ce fléau.

🚨 15 ANDRO FANAMPINY, AZA AVELA HANDALO NY FOTOANA !Te handray anjara, hizara ny hevitrao na hampiasa ny fahaiza-mamoron...
02/09/2026

🚨 15 ANDRO FANAMPINY, AZA AVELA HANDALO NY FOTOANA !
Te handray anjara, hizara ny hevitrao na hampiasa ny fahaiza-mamorona anananao ho fampiroboroboana ny fahitsiana ve ianao?
Mbola manana fotoana ianao handraisana anjara !
Nohalavaina hatramin’ny 15 septambra 2026 ny fisoratana anarana amin’ny Zaikabem-pirenen’ny Tanora ho an’ny Fahitsiana.
Mandraisa anjara amin’ny Zaikabe, raiso ny fanamby amin’ny fifaninanana horonantsary fohy, na asehoy ny fahaiza-mamorona anananao amin’ny alalan’ny fifaninanana famoronana ny “logo” ho an’ny Rafitra Miady amin’ny Kolikoly (SAC).
Ry tanora manerana ny faritra eto Madagasikara, mahakasika anareo ity hetsika ity !
Ho an’ireo tanora voafantina avy any amin’ny faritra, dia iantohana ny fitaterana, ny fonenana ary ny sakafo mandritra ny fandraisana anjara amin’ny Zaikabe ny 1 sy 2 oktobra 2026 ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
➡ Ampiasao ary ny kaody QR dia misorata anarana dieny izao !
Raha mahafantatra tanora mety ho liana amin’ity hetsika ity ianao, dia aza misalasala mizara ity “publication” ity ary mampiely ny vaovao amin’ireo tanora manerana an’i Madagasikara.
Satria…
Manana hevitra ny tanora, manana feo ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny Fahitsiana.
Andao hiara-hampandre ny feon’ny tanora !

📌𝐀𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 : 𝐍𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐯𝐚𝐯𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐣𝐚𝐧𝐠𝐚✅Ny zoma 28 aogositr...
01/09/2026

📌𝐀𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 : 𝐍𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐳𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨 𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐟𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐯𝐚𝐯𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐣𝐚𝐧𝐠𝐚
✅Ny zoma 28 aogositra 2026, nandray ireo mpisolovava mivondrona ao amin’ny holafitra, sampana Mahajanga, ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO) Mahajanga, nifampizara sy nifanakalo traikefa mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Paikadim-Pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly (SNLCC) sy ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho amin’ny Fanavaozana (PGE-R) izao fihaonana izao.
✅Ity fihaonana sy fifampizaràna ity dia tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny SNLCC sy ny PGE-R. Satria anisan’ny mpisehatra amin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy ny fitandroana ny fahitsiana sy ny fahamarinana ireo mpisolovava, dia nasaina nizara ny fahaiza-manaony sy nanolotra soso-kevitra ihany koa izy ireo. Ny tanjona tamin’ity fifampizaràna ity dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny BIANCO sy ny solontenan’ny holafitry ny Mpisolovava eto Mahajanga, na eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fisorohana na eo amin’ny fampiharana ny lalàna.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/157-lutte-contre-la-corruption-les-avocats-de-mahajanga-echangent-avec-le-bianco

📌 APPEL À CANDIDATURES
18/08/2026

📌 APPEL À CANDIDATURES

📌𝐒𝐀𝐅𝐈𝐅 𝐅𝐉𝐊𝐌 : 𝐌𝐢𝐢𝐬𝐚 𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐟𝐨𝐡𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 "𝐀𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲"Tonga nampiofana ireo Mpiandry s...
09/08/2026

📌𝐒𝐀𝐅𝐈𝐅 𝐅𝐉𝐊𝐌 : 𝐌𝐢𝐢𝐬𝐚 𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐟𝐨𝐡𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 "𝐀𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲"
Tonga nampiofana ireo Mpiandry sy Mpiofana Mpiandry manerana ny nosy miisa arivo mahery ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO), izay notarihin’Andriamatoa RAZAKAMANATSOA Gaby Nestor, Tale Jeneraly, tany amin’ny Toby FJKM Kristy Manafaka Ibora, Kaominina Anjalazala, Distrikan’Antsohihy ny sabotsy 08 aogositra 2026. Fiofanana izay notanterahina nandritra ny “Isankeritaona faha-34-n’ny Toby Ibora”, nokarakarain’ny Sampana Fifohazana (SAFIF) FJKM.
“SAFIF FJKM miatrika ny kolikoly”, io no lohahevitra novelabelarin’Andriamatoa Tale Jeneraly nandritra izao fampiofanana izao, izay mahakasika indrindra ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly, ny famaritana sy ny fandikan-dalàna kolikoly, ny antony fototra mahatonga ny kolikoly, ny paikadim-pirenena, sns. “Ny fitiavan-tena no tena antony fototra mahatonga ny kolikoly”, hoy ny Tale Jeneraly nanazava. Izay mbola namafisiny tamin’ireo andian-tenin-tSoratra Masina maromaro moa ny fanazavàny. Ohatra noraisin’Andriamatoa Tale Jeneraly ny 1 Timoty 6:10 « Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be ».
Araka ny nambaran’Andriamatoa Tale Jeneraly, tsy afa-misaraka ny finoana kristianina sy ny ady amin’ny kolikoly. Tsy mijanona ho eo anivon’ny FJKM ihany anefa ny asa tanterahin’ny BIANCO, fa mivelatra sy miara-miasa amin’ny Fiangonana rehetra, satria “isika miara-mandray andraikitra tokoa no mandresy ny kolikoly”.

📌𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎, 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐍𝐀𝐅✅Antananarivo, 29 jolay 2026 – Nisy ny fanaovan-tsonia f...
30/07/2026

📌𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎, 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐍𝐀𝐅
✅Antananarivo, 29 jolay 2026 – Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny BIANCO, ny JIRAMA ary ny ANAF mba hanamafisana ny fisorohana ny kolikoly sy ny hosoka amin’ny alalan’ny fitsirihana ireo irika rehetra mety hisian’izany eo amin’ny famatsian-drano sy herinaratra omen’ny JIRAMA.
✅Voarakitra ao anatin’izany ny fanomezan’ny BIANCO tantsoroka ny JIRAMA eo amin’ny fanavaozana ny Politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly, ny fanamafisana ny rafitra miady amin’ny kolikoly na ny STAC araka ny lahatenin’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO hatrany.
✅Atao izao ezaka izao mba hisian’ny fahombiazana marina amin’ny famatsiana jiro sy rano eto Madagasikara.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/153-la-jirama-le-bianco-et-l-anaf-scellent-un-partenariat-contre-la-corruption-et-la-fraude

📌𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 ✅Antsirabe, 28 jolay 2026 – Nisy ny fihaonana teo amin...
29/07/2026

📌𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎
✅Antsirabe, 28 jolay 2026 – Nisy ny fihaonana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO sy ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ho fanentanana azy ireo amin’ny ady amin’ny kolikoly.
✅Namelabelatra ny mahakasika ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny fanararaotam-pahefana, ny fitorohana tsy mitombina ary indrindra ny andraikitry ny rafitra miady amin’ny kolikoly izay efa mipetraka eo anivon’ity Kaominina ity.
✅Tsara ny manamarika fa isan’ny vinan’ny BIANCO ny hametrahana masoivoho manakaiky vahoaka eto amin’ny faritra Vakinankaratra.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/152-collaboration-commune-urbaine-antsirabe-bianco-le-directeur-general-mobilise-le-personnel-a-la-lutte-contre-la-corruption

📌𝐅𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲...
29/07/2026

📌𝐅𝐚𝐦𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐬𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲
✅Antsirabe, 28 jolay 2026 – Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa ho famolavolana fandaharam-mpiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly ho an’ireo mpianatra ho manam-boninahitry ny tafika (ACMIL) sy ireo mpianatra ho polisim-pirenena (ENIAP) ary ireo mpianatra ho zandary (EGNA). Tetikasa izay tohanan’ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny OIF sy ny Masoivoho suisse eto Madagasikara.
✅Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor ary notronin’ireo manam-pahefana tao an-toerana sy ny solotena maharitry ny OIF eto Madagasikara.
✅Nisongadina nandritra ny lahateny nifandimby ny fahavononan’izy ireo hiara-hiady amin’ny kolikoly eo anivon’ny tafika sy ny zandary ary ny polisim-pirenena ary mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ho amin’ny Fanavaozana (PGE-R).
✅Ny tanjon’ny tetikasa izay tohanan’ny OIF sy ny Masoivoho suisse moa dia ny hamokatra mpiasam-panjakana tanora miaina ny fahitsiana eo am-panatanterahana ny asany sy hitondra fanovana.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/151-former-les-eleves-officiers-les-eleves-policiers-et-les-eleves-gendarmes-a-l-integrite-le-bianco-lance-des-ateliers-de-conception-de-modules-de-formation

📌𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚 : 𝐍𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 𝐚𝐧𝐢𝐨 𝐧𝐲 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 (𝐏𝐈𝐋𝐂𝐂)✅...
23/07/2026

📌𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚 : 𝐍𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 𝐚𝐧𝐢𝐨 𝐧𝐲 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲 𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 (𝐏𝐈𝐋𝐂𝐂)
✅Antananarivo, 23 jolay 2026 - Tontosa anio ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny Politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly ho an’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Voarakitra ao anatin’izany ireo tanjona ankapobeny sy ireo drafitra enti-miady amin’ny kolikoly mba hampanjakana ny fitantanana mangarahara sy mahitsy ary ho fiarovana ny mpanjifa.
✅Nandritra ny lahatenin’i Ramatoa Minisitra, ANDRIAMADISON Haingotiana, dia notsipihiny mazava ny tsy fandeferany manoloana ny kolikoly izay mety hitranga eo anivon’ity Minisitera tantaniny ity. Efa misy ny ezaka ataon'ny mpiasa hoy izy, ary mila hamafisina izany mba hitokisan'ny vahoaka ny Ministera.
✅Ny Tale Jeneralin’ny BIANCO RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor kosa dia niarahaba manokana ny minisitra amin'izao finiavana azo tsapain-tanana hiady amin'ny kolikoly izao. Nanamafy ny fahavononan'ny BIANCO hanome tantsoroka ny ministera izy mba hampahomby ny ady amin’ny kolikoly, ary nanentana ny rehetra (mpiasa, mpanjifa, vahoaka) mba hiara-misalahy amin'ity ady iombonana ity.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/150-le-ministere-du-commerce-et-de-la-consommation-se-dote-d-une-politique-interne-de-lutte-contre-la-corruption

📌𝐂𝐄𝐍𝐈 - 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 : 𝐇𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚✅Antananarivo, 23 jolay 2026 – Nisy anio ny fanaov...
23/07/2026

📌𝐂𝐄𝐍𝐈 - 𝐁𝐈𝐀𝐍𝐂𝐎 : 𝐇𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐢𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚
✅Antananarivo, 23 jolay 2026 – Nisy anio ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny BIANCO sy ny CENI notanterahin'ny Filoha RAKOTONARIVO Thierry sy ny Tale Jeneraly RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor.
Voarakitra ao anatin’ity fifanarahana ity ireo paika entina miady sy mampihena ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fifidianana ka ohatra amin’izany ny fanentanana ny olom-pirenena ho sahy hitoroka ny endrika kolikoly rehetra izay mety hisy mialoha, mandritra ary aorian’ ny fifidianana. Torak’izany ihany koa ny fanofanana ireo mpisehatra eo anivon’ny CENI sy ireo mpitarika na mpikambana amin'ny antoko politika eto Madagasikara.
✅Nanambara ny Filohan'ny CENI fa ho hentitra ny rafitra izay tarihiny amin'ny fanajana sy ny fampanajana ny lalana, ary ny fampanjakana ny mangarahara amin'ireo asa rehetra ho tanterahina manomboka izao.
✅Nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BIANCO kosa fa vonona ny rafitra izay tarihiny hiara-misalahy amin'ny CENI na amin'ny fisorohana ny kolikoly, na ny fanabeazana ny mpisehatra rehetra, na ny fampiharana ny lalàna amin'ireo minia manao kolikoly amin'ny tontolon'ny fifidianana eto amin'ny firenena. Nanentana ny rehetra izy mba tsy ho faly hanome tsiny fotsiny fa mba handray andraikitra hitoroka ny tranga kolikoly miseho.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/149-bianco-ceni-un-partenariat-strategique-pour-prevenir-la-corruption-electorale

📌𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 : 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐯𝐨𝐧𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲✅Antananarivo, 22 jolay 2026 - Lanonana lehibe ...
22/07/2026

📌𝐙𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐢𝐦𝐚𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 : 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐯𝐨𝐧𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐥𝐢𝐤𝐨𝐥𝐲
✅Antananarivo, 22 jolay 2026 - Lanonana lehibe no notanterahina anio teny amin’ny Minisitera miadidy ny Zandarimaria : fanolorana ny Politika anatiny Iadiana amin’ny Kolikoly na ny PILCC, ny fanolorana ny Fitsipi-pitondrantena nohavaozina ary ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny BIANCO sy ny Komandin’ny zandarmariam-pirenena.
✅Nitarika ity hetsika ity ny Jeneraly BAMA Marima, Ministra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, notronon’ny Jeneraly BOTOTSARA Nathanaël James lefitry ny Komandin’ny Zandarmariam-pirenena, sy Atoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor, Tale Jeneralin’ny BIANCO. Nandritra ny lahatenin’izy ireo dia nisongadina ny fahavononan’ny Zandarimaria, izay eo ambany fitarihan’ny Minisitra, hiady amin’ny kolikoly ahazoana mamerina indray ny fitokisan’ny vahoaka. Nanamafy ihany koa ny Tale Jeneralin’ny BIANCO fa ny fiaraha-mientan’ny tsirairay no ahafahana mamongotra ny kolikoly ary noderainy manokana izao fahavononan’ny fianakaviamben’ny Zandaramaria izao.
🌐https://www.bianco-mg.org/fr/actuality/148-le-ministere-delegue-charge-de-la-gendarmerie-renforce-son-engagement-dans-la-lutte-contre-la-corruption

Address

Villa "LA PISCINE" Ambohibao/BP 399
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Bianco Madagascar - page posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Bianco Madagascar - page:

Shortcuts

Share