Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar, Government Organization, Rue Jules Ranaivo, Antananarivo.

Bienvenue sur la page officielle du Ministère des Transports et de la Météorologie

Tongasoa eto amin'ny pejy ofisialy ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro

01/06/2026
🇲🇬🚞 FCE - 30 mey 2026 | ATRIKASA FAMETRAHANA « TASK FORCE »|📌 Nifarana androany ilay atrikasa lehibe niarahana tamin’ire...
30/05/2026

🇲🇬🚞 FCE - 30 mey 2026 | ATRIKASA FAMETRAHANA « TASK FORCE »|

📌 Nifarana androany ilay atrikasa lehibe niarahana tamin’ireo tomponandraikitra maro sy ireo olon-tsotra eto Fianarantsoa faritra matsiatra ambony ho fanarenana ny zotra an-dalamby FCE, izay fototra nampijoro ny « TASK FORCE »nandritran’izay roa andro izay.

👤Tonga namarana izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo solontenam-panjakana maro eto antoerana: ny lehiben’ny faritra mahatsiatara ambony Andriamatoa RAHERINJANAHARY Pierre Raymond , ny Préfet Ramatoa HARILALAINA Irma Juliandres , ny Benin’ny Tanàna Andriamatoa RAMANANDRAINIBE François d’Assise ary ireo tompon’andraikitra maro eo anivon’ny orinasa FCE .

👍 Nisy ny lahateny nataon’Andriamatoa Minisitra, izay nankasitraka azy ireo nohon’ny finiavana hampandroso sy hitondra ny fanavaozana amin’ny lafiny rehetra mahakasika ny zotra an-dalamby FCE.

🙏 Nisaorany manokana ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana sy ireo Mpanolotsaina Avo ary ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, izay manaraka akaiky izao atrikasa izao sy mamporisika hatrany ny tsy hitandro hasasarana mba ahatratrarana ny tanjona.

🤝 Nankasitrahan’ Andriamatoa Minisitra ihany koa, ny Banky Iraisam-pirenena, izay tena nanampy betsaka tamin’ity atrikasa ity.

✴️ Mazava ny tanjona hoy izy, dia ny mba ahatafapetraka ny zotra an-dalamby FCE amin’ny toerana tiantsika hametrana azy. Koa efa natomboka izy ity ka tsy hiverindalana intsony fa tsy maintsy ho tratrarin-tsika ny tanjona raha ny nambarany hatrany.

⤵️📸

🇲🇬🚞 FCE - 29 mey 2026 | FIANARANTSOA - FARITRA MATSIATRA AMBONY |👤 Niverina fanindroany eto Fianarantsoa indray ny Minis...
29/05/2026

🇲🇬🚞 FCE - 29 mey 2026 | FIANARANTSOA - FARITRA MATSIATRA AMBONY |

👤 Niverina fanindroany eto Fianarantsoa indray ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA HERIZO

🙏 Midika izany fa manana vinan’asa hampandroso an’ity Faritra Mahatsiatra Ambony ity ny fitondram-panjakana. Isany vaindohan-draharaha amin’izany ny zotran-dalamby FCE.

➡️ Nisy atrikasa natrehin’ireo mpiara-miasa aminy : ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa RANDRIANARISON Nandrasanamahery, ny Tale Jeneralin’ny Fitaterana an-tanety Andriamatoa RANARISOA Désiré sy ireo Tale ary ireo Mpanolotsaina maro eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.Teo ihany koa ireo solontenam-panjakana maro eto antoerana: ny lehiben’ny faritra mahatsiatara ambony Andriamatoa RAHERINJANAHARY Pierre Raymond , ny Préfet Ramatoa HARILALAINA Irma Juliandres , ny Ben’ny Tanàna Andriamatoa RAMANANDRAINIBE François d’Assise sy ireo tompon’andraikitra maro eo anivon’ny orinasa FCE ary ireo solon-tena maro tsy voatanisa.

👍 Maro ireo asa izay efa tontosa nandritrany izay fotoana fohy nitantanako an’ity Minisitera ity hoy Andriamatoa Minisitra, kanefa mbola maro ihany koa izay mbola miandry antsika. Ka izany indrindra no mahatonga antsika vory eto ankehitriny.

🤝 Tsy takonafenina ny olana mianjady eto amin’ity orinasa FCE ity, koa hifanome tanana isika hamaha ny olana satria mitana anjara lehibe ity orinasa FCE ity noho izy mampitohy ny faritra maro ary fitaterana vokatra maro ihany koa.

✴️ Nisy ny fifampidinihana sy fankan-kevitra natao ka izay no nentina nananganana avy hatrany ny « Task Force ».
Nahitana « commission » efatra (4):
🔹Commission Juridique et Bonne Gouvernance
🔹Commission Technique
🔹Commission Finances
🔹Commission Culturelle, Économique et Sociale

👏 Izy ireo no handinika ny toe-draharaha misy eo anivon’ny FCE mba ahafahana manome paikady mahomby ary avy hatrany moa dia nandray ny asany izy ireo ary mbola hitohy rahampitso.

🙏 Nirary soa azy ireo Andriamatoa Minisitra mba hiteraka fahombiazana ny asa rehetra izay atao.

📌Marihina fa novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ity atrikasa ity.

⤵️📸

🇲🇬 FANAMAFISANA NY ADY ATAO AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ETO MADAGASIKARA ✅ Ho fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fisor...
26/05/2026

🇲🇬 FANAMAFISANA NY ADY ATAO AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ETO MADAGASIKARA

✅ Ho fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, dia nanolotra fitaovana vaovao ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro (MTM) sy ny Agence des Transports Terrestres (ATT), ho hampiasain'ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Ivotoerana Fitsarana Fiarakodia.

👉 “Éthylotests” miisa 300, hiadiana amin’ny fitondrana fiara sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola,
👉 “Pèses essieux mobiles” miisa 10, hanaraha-maso ireo fiara mitondra entana mihoatra ny lanja ara-dalàna

⚠️ Olana lehibe maneran-tany ary iainantsika eto Madagasikara ny lozam-pifamoivoizana. Araka ny antontan’isa navoakan’ny "Organisation Mondiale de la Santé" (OMS), dia olona iray isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy maneran-tany vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Eto Madagasikara kosa dia mahatratra 22,5 isaky ny mponina 100 000 ny tahan’ny olona mamoy ny ainy, izay mbola ambony noho ny salan’isa aty Afrika sy maneran-tany.

🤝 Mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra ny ady amin’ny lozam-pifamoivoizana : ny mpamily, ny tompon’ny fiara, ny mpandeha ary ny mpampiasa lalana rehetra.

📌 Tanjona :
✔️ Hampihenana ny lozam-pifamoivoizana,
✔️ Hiarovana ny ain’ny mpampiasa lalana,
✔️ Hanamafisana ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana,
✔️ Hiarovana ny fotodrafitrasa eny an-dalana

📢 _Ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana dia sady miaro ny ain'ny mpampiasa lalana, no mandrindra ny fifamoivoizana, koa aoka samy ho tompon’andraikitra eny an-dalana !

🇲🇬 22 Mey 2026| Toamasina , MTM-Nitohy hatrany ny fitsidihana 1️⃣ Raha tsiahivina dia hisy ny toerana andraisana ireo mp...
23/05/2026

🇲🇬 22 Mey 2026| Toamasina ,
MTM-Nitohy hatrany ny fitsidihana

1️⃣ Raha tsiahivina dia hisy ny toerana andraisana ireo mpamily, hotely, fisakafoanana, fidiovana, fitsaboana vonjy maika, station service, réparation rapide, pneumatique, service administratif, douane, sécurité...

2️⃣ Ny asa fanitarana ny port izay miroso am-pilaminana.

👉Ny volana Jolay 2026 ihany koa no hatomboka ny tetikasa hanamboarana an’ilay parking lehibe, ahazaka kamiao 500, Port sec III.
👉 Ny port sec 2 , ilay tany omen’ny SPAT maimaimpona.

📌 Tonga nijery mivantana an’ireo toerana ireo Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo, tao amin’ny Seranatsambon’i Toamasina (SPAT) sy ireo toerana voakasika ny fandaminana.

♦️Ndao ary arahantsika antsary
⤵️📸

23/05/2026

🚆🇲🇫 TRAIN URBAIN – HORAIRES SPÉCIAUX PENTECÔTE - Lundi 25 Mai 2026🙏✨

À l’occasion de la fête de la Pentecôte, le Train Urbain adapte ses horaires afin de faciliter vos déplacements en toute sérénité.

🕛Programme des circulations :

➡️ Départ SOARANO : 7h30 | 10h15 | 13h00 | 15h 00 | 17h30

➡️ Départ AMBOHIMANAMBOLA : 8h45 | 11h30| 14h00 | 16h00 | 18h30

📍 Voyagez confortablement, évitez les embouteillages et profitez d’un trajet sécurisé pendant cette journée de célébration. 🌿✨

-------------------------
🚆🇲🇬 TRAIN URBAIN – FANDARAM-POTOANA MANOKANA HO AN’NY PENTEKOSTA - Alatsinainy 25 Mey 2026 🙏✨

Ho fanamarihana ny fetin’ny Pentekosta dia manova manokana ny fandaharam-potoanany ny zotra an-dalamby mba hanamorana ny fivezivezenareo am-pilaminana sy am-pahatoniana.

🕛 Ora fiaingana :

➡️ Départ SOARANO : 7h30 | 10h15 | 13h00 | 15h 00 | 17h30

➡️ Départ AMBOHIMANAMBOLA : 8h45 | 11h30| 14h00 | 16h00 | 18h30

📍 Mandehana am-pilaminana, ialao ny fitohanana ary ankafizo ny dia milamina sy azo antoka mandritra izao fety izao.🌿✨

🇲🇬 ⛴ 22 Mey 2026| Toamasina , MTM-Nitsidika sambo mpitsabo Mercy Ships 🙏 🛥Niverina ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasi...
23/05/2026

🇲🇬 ⛴ 22 Mey 2026| Toamasina ,
MTM-Nitsidika sambo mpitsabo Mercy Ships

🙏 🛥Niverina ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina indray ilay sambo lehibe mpanao fandidina Mercy Ships, rehefa avy nananteraka ny fikarakarana ara-tekinika fanao isan-taona any Afrika Atsimo, ary efa manamarika ny diany fahatelo izao fahatongavany izao.

🤝 Nisy ny lanonana ho marikin’ny fandraisana azy ireo indray, ka nanatrika izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo. Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana ka isan’izany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Mercy Ships, izay velom-pisaorana amin’ny Governemanta Malagasy nohon’ny fiaraha-miasa.
🫂 Nankahery ihany koa izy ireo tamin’ny nandalovan’ny rivo-doza Gezani ny volana febroary teo ary miara-miombona alahelo amin’ireo izay niharamboina. Mbola vonona izy ireo hoy izy hanampy amin’ny fanarenana fa indrindra amin’ireo mila fitsaboana.

👍 Hanomboka ny alatsinainy izao ny fandidiana ka ny hanombohana azy dia ny fandidina taolana.

📌 Tsiahivina fa fandidina mihoatra ny 1 370 no vita tamin'ny taona 2025 ary fampiofanana mahery ny 20 000 ora. Nisy ihany koa ny mpilatsaka antsitra-po 1500 izay nanampy tamin’ny fandandidiana.
Mbola manana tanjona anefa izy ireo ny hahavitana fandidina 1400 amin’ity taona ity .

♦️Tsy ny fandidina ihany anefa no hanombohana ny asa fa hampiofana ihany koa an’ireo mpiasan’ny fahasalamana mba ahafahana mampita ny fahalalana sy mifampizara traikefa.

✴️ Miara-miasa tanteraka amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Malagasy izy ireo mba hanatsarana ny fitsaboana misy eto amintsika ary hitondra ny fanovana ho an’ireo ankohonana maro.

🙏 Nankasitraka feno azy ireo Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo , sy nitso-drano ary nankahery ihany koa amin’ireo asa rehetra izay mbola ho atao.

🇲🇬 21 Mey 2026| Toamasina , MTM-Nihaona tamin’ireo Rantsamangaika🤝 Taorian’ny Mahajanga dia tonga eto Toamasina indray n...
21/05/2026

🇲🇬 21 Mey 2026| Toamasina ,
MTM-Nihaona tamin’ireo Rantsamangaika

🤝 Taorian’ny Mahajanga dia tonga eto Toamasina indray ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo , nitafa sy nihaino ihany koa ny hetahetan’ireo mpiara-miasa aminy misy eto antoerana.

👀 Nitsidika ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro sy ny ATT ary ny APMF izy, mba ahafantarana ny zava-misy marina.

✅ Nilaza moa Andriamatoa Minisitra fa hitany sy tsapana fa mbola maro ny zavatra tokony hatsaraina sy havaozina, ka izay hoy izy no maha zava-dehibe izao fihaonana mivantana izao .

🙏 Vonona hatrany aho hoy Andriamatoa Minisitra hijery sy hanatsara ary hamaly ny ny hetahetanareo, mba hampandroso sy hitondra ny fanavaozana marina amin’ity sehatry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ity.

𝟏𝟗 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
20/05/2026

𝟏𝟗 𝐦𝐞𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚
𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

Address

Rue Jules Ranaivo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar:

Share