05/08/2026
✅ Notanterahina teto Madagasikara 🇲🇬 ny iraka fifampizarana traikefa momba ny fanitarana ny fahazoan'ny mponina herinaratra, izay notohanan'ny Banky Iraisam-pirenena ary niarahana tamin'ny delegasiona avy amin'ny Minisiteran'ny Angovo ao amin'ny Repoblikan'i Tôgô 🇹🇬.
🎯 Ny tanjon'ity iraka ity dia ny :
✅ Fanatsarana ny fahafahan'ny mponina misitraka herinaratra, na ireo efa mifandray amin'ny tambajotra na ireo mbola ivelany tambajotra,
✅ Fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina,
✅ Fanamafisana ny famatsiam-bola sy ny fitantanana ireo tetikasa,
✅ Fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-teknika.
Tafiditra ao anatin'izao iraka izao ny 30 Jolay 2026 lasa teo ny fitsidihana ny foibem-pitantanana sy fampandehanana 🔆 ao amin'ny renivohitry ny Kaominina Ambanivohitra Anosibe Ifanja, Faritra Itasy, niarahan'ny delegasiona Togoley, ny ADER, ny WE LIGHT, miaraka amin'ny tetikasa DECIM, ho fampiroboroboana ny fifampizarana traikefa sy ny fifanakalozana fahaiza-manao eo amin'i Tôgô 🇹🇬 sy Madagasikara 🇲🇬.
👉 Nahafahan'ny roa tonta nifampizara traikefa sy nifanaraka ihany koa ity fitsidihana ity fa tena ilaina ny fanohanana ara-bola amin'ny fampiasam-bola voalohany (CAPEX) eo amin'ny sehatry ny fampidirana herinaratra any ambanivohitra, mba hampihenana ny sara aloa amin'ny mpanjifa farany sy hanitarana bebe kokoa ny fahafahan'ny mponina misitraka herinaratra maoderina. 🔋
===============
✅Une mission d'échange d'expériences, sur l'accès à l'électricité, soutenue par la Banque Mondiale, par une délégation du ministère de l'Énergie de la République du Togo 🇹🇬 a été effectuée ici à Madagascar🇲🇬.
🎯L’objet de leur mission concerne :
✅L'accès à l'électricité pour la population, raccordée ou non au réseau,
✅La promotion des énergies renouvelables,
✅L'amélioration du financement et de la gestion des projets,
✅Le renforcement de la coopération technique.
Dans le cadre de cette mission, une visite de site du centre d’exploitation 🔆 dans le chef-lieu de la CR Anosibe Ifanja, région Itasy entre la délégation Togolaise, ADER, WE LIGHT en partenariat avec le projet DECIM s’est tenue le 30 juillet 2026, pour des échanges d’expérience entre Togo et Madagascar 🇹🇬🇲🇬.
👉Cette visite a permis aux deux parties de s'accorder sur la nécessité des subventions aux investissements initiaux (CAPEX) dans l'électrification rurale pour réduire les tarifs appliqués aux clients finaux et accroître l’accès à l’électricité moderne🔋.