04/08/2026
ππΌππΌππΌπππΌπ'ππ π½πΌππΌππππππ πππΌππΌππππΌ : ππΌππΏππΌπ πΌππΏππΌππππππΌ πΌππ ππΌπππΌππ ππ ππππππΏππΌπ-ππΌππ
πΌππΌππΌ
04 π΄ππππ ππ‘ππ 2026, ππππππ πππ
π₯ Ora vitsy monja taorian'ny fahamaizan'ny Bazarikely Toamasina, dia nidina teny an-toerana ny iraky ny Governemanta notarihin'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray. Niara-dia taminy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, ny Minisitra DΓ©lΓ©guΓ© misahana ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Tale Jeneralin'ny BNGRC, niaraka tamin'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny manampahefana any an-toerana.
π€ Nijery ifotony ny fahavoazana sy nankahery ireo traboina ny delegasiona, ary nanolotra fanampiana avy hatrany tamin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana.
Anisanβny nandray anjara taminβizany ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza.
π¦ Ireto avy ireo fanampiana natolotra ireo traboina ho fanohanana amin'ny fanarenana haingana ny asa fivelomanβizy ireo andavanandro, dia ny varotra izany :
β’πΉππ‘πππ£πππ ππππππππππ : tafo fanitso 7 240 isa, simenitra 100 kitapo, hazo lehibe sy hazo fisaka 16 912 isa, fantsika 2,4 taonina.
β’ππππππ π π¦ ππππππππ : vary sy menaka ary voamaina milanja 82 taonina, koba Nutrilait, SurβEau, gel hydroalcoolique, savony, siny, zinga.
π Araka ny tatitra vonjimaika, 2 416 ny fivarotana kilan'ny afo, ka 1 471 no ao amin'ny Bazarikely Ambony ary 945 ao amin'ny Bazarikely Ambany. Olona 02 no naratra ary 01 no namoy ny ainy vokatr'ity loza ity.
Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy