28/08/2026
🌿 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟴𝟯𝟰 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗯𝗿𝗶𝗴𝗮𝗱𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗳𝗼 🔥
📍 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼𝗯𝗲 | 𝟮𝟴 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲
🔥 Manoloana ny doro-tanety, sarobidy ny segondra rehetra fa indrindra ny ain’ny mpiara-miasa izay miady amin'izany eny an-kianja.
Ao anatin’ny paikadiny sy ny drafitra nasionaliny ho fanamafisana ny ady amin’ny afo, dia nanamafy ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ny Baroudeur Massilia Pompier du Monde avy any Frantsa ny Madagascar National Parks nanomboka tamin'ny taona 2024. Ity fiaraha-miasa ity dia miompana amin'ny fanofanana ny ekipa sy ny fanomezana fitaovana ilaina amin'ny fiatrehana ny famonoana afo.
👨🚒 Fitaovana miisa 834 (Équipements de Protection Individuelle (EPI) no natolotra ho an’ireo Valanjavaboahary miisa 11 tantanin’ny Madagascar National Parks, ary ahitana aroloha, akanjo, kiraro, fitafiana manokana ary sarontava.
Marihina fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary miaro amin’ny fahamaizana, setroka, fianjeran-javatra ary hafanana mafy ireo fitaovana ireo, ka manome antoka sy fiarovana bebe kokoa mandritra ny fidinana eny an-kianja.
✅ Ankoatra ny fiarovana mivantana eny an-kianja, ity fanomezana ity dia manamafy ny fandraisana andraikitry ny Madagascar National Parks amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fiarovana ny mpiara-miasa eo amin'ny sehatry ny asa. Miditra tanteraka ao anatin’ny fenitra momban’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina na ny “Normes Environnementales et Sociales (NES)” ary ny fenitra iraisam-pirenena ISO 45001 izany hetsika izany.
🙏 Madagascar National Parks dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ho an’ny Fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Ministère de l'Environnement et du Développement Durable, noho ny fanohanana izay nahafahana nanafoana ny haba sy hetra amin’ny fadin-tseranana ho an’ireo fitaovana ireo.
Mankasitraka manokana ihany koa ny fikambanana Baroudeur Massilia Pompier du Monde avy any Frantsa ny Madagascar National Parks, noho ny fahalalahan-tanana, ny fandraisana andraikitra feno ary ny fiaraha-miasa amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny doro ala sy ny doro tanety.
🟠 For Life