MNDPT Page officielle du Ministère du développement Numérique, des Postes et des Télécommunications de Madagascar. Informations en cours de préparation. Merci

13/08/2026
Ambohijanaka - 07 Aogositra 2026Ady amin'ny fanadiovana vola, ny famatsiam-bola ho an'ny fampihorohoroana Ho tohin’ny he...
07/08/2026

Ambohijanaka - 07 Aogositra 2026
Ady amin'ny fanadiovana vola, ny famatsiam-bola ho an'ny fampihorohoroana

Ho tohin’ny hetsika ataon’ny SAMIFIN dia hisy ny andiany faha-3 amin’ny fankalazana ny "andro fisorohana ny famotsiam-bola » ho tontosaina amin’ny volana Oktobra 2026.

Ho fanomanana izany indrindra dia nanao antso ho fanentanana sy famporisihana amin’ny asa fikarohana izay ho atao manodidina ny famotsiam-bola ny eo anivon'ny SAMIFIN miara-miasa amin'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo ratsa-mangaika mpiara-miombon'antoka. Anisan'ireo tonga nanome voninahitra ny fampahafantarana ary nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana miantso ho an'ny fikarohana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra, Andriamatoa Mahefa Andriamampiadana. Hoy indrindra izy nanomboka ny lahateniny : « Mety ho azo afenina ny vola, fa amin’izao vanim-potoanan’ny teknolojia izao, mihasarotra hatrany ny tsy hamela soritra ».

Hizara 7 mazava tsara ny lohahevitra ho fakafakain’ireo rehetra mandray anjara amin'ity asa fikarohana ity ary voakasika avokoa ny sehatra rehetra manodidina ny famotsiam-bola eto Madagasikara sy maneran-tany.

Ny tanjona amin’izao fiantsoana ho amin’ny asa fikarohana izao dia ny hampivondrona ireo mpikaroka, matihanina rehetra eo amin’ny sehatra ary ny andrim-panjakana, mba handinihana lalina ireo rafitra ara-dalàna, ara-panjakana, ara-toekarena ary ara-jeopolitika mifandraika amin'ny famerenana ireo fananana azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna.

Mikendry ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny tontolon'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana, ny manam-pahefana rehetra, ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika ary ireo mpisehatra eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena.

« Aoka ny nomerika tsy ho sehatra vaovao hanamorana ny famotsiam-bola, fa ho fitaovana vaovao hanamafisana ny mangarahara. Ary aoka ny fikarohana tsy hijanona ho fitaovana ahafantarana ny olana fotsiny, fa ho hery ahafahantsika manorina ny vahaolana ho an’ny ampitso», hoy ny hafatry ny Minisitra raha nitodika tamin’ireo izay handray anjara amin’ity antso ho amin’ny asa fikarohana ity.

Izao hetsika izao dia mifanandrify indrindra amin'ny vina stratejika faha - 4 an'ny MNDPT ny amin'ny fametrahana rafitra ara-dalàna ho an'ny fitantanana nomerika.

𝗟𝗲 𝗖𝗮𝗶𝗿𝗲, 𝗘j𝗶𝗽𝘁𝗮 🇪🇬 🇲🇬  𝐀𝐧𝐲 𝐋𝐞 𝐂𝐚𝐢𝐫𝐞, 𝐫𝐞𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫’𝐢 𝐄j𝐢𝐩𝐭𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐢𝐭𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚, 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢ô𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨...
29/07/2026

𝗟𝗲 𝗖𝗮𝗶𝗿𝗲, 𝗘j𝗶𝗽𝘁𝗮

🇪🇬 🇲🇬 𝐀𝐧𝐲 𝐋𝐞 𝐂𝐚𝐢𝐫𝐞, 𝐫𝐞𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫’𝐢 𝐄j𝐢𝐩𝐭𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐢𝐭𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚, 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢ô𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝑲ô𝒍ô𝒏𝒆𝒍𝒚 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑰𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑴𝒊𝒄𝒉𝒂ë𝒍 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐇𝐚𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐀𝐫𝐚-𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐏𝐚𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚, 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑴𝑷𝑰𝑨𝑫𝑨𝑵𝑨 𝑴𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐨.

Omaly alina ihany, nitafa mivantana tamin’ireo 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 mila ravinahitra any Ejipta, tao amin’ny 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐄𝐥-𝐐𝐮𝐛𝐛𝐚 tao 𝐋𝐞 𝐂𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐧𝐲 Filohan’ny Fanavaozana. Fotoana izay nandraisany sy nihainoany ny hetahetan’izy ireo.

Isany nihatrika izany fihaonana tamin’ny Diaspora izany ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐇𝐚𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐀𝐫𝐚-𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐏𝐚𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚.

🛂 Anisan'ny fangatahan’ireo "Diaspora" Malagasy voaresaka tao ny mikasika ny fanalavana ny fepotoana mampanan-kery ny pasipaoro ho 10 taona raha toa ka 5 taona izany ankehitriny.

➡️ Manana andraikitra ao anatin’izany ny Minisitera ka novaliana avy hatrany izany fangatahana izany. Araka ny fantatra dia efa an-dalana ny famolavolana ny didim-panjakana mikasika io fanalavana ny fepotoana mampanan-kery ny pasipaoro io ary hampandalovina ao amin’ny Filankevitry ny Minisitra tsy ho ela.

🫆 Fanavaozana lehibe ihany koa ny fametrahana sehatra nomerika hanangonana ny angon-drakitra rehetra mikasika ireo olona efa manana pasipaoro mba hanamorana ny fikirakirana sy ny famenoana ny fangatahana fanavaozana pasipaoro ampitain-davitra sy ny ny fandefasana ny pasipaoro any amin’ny masoivoho akaiky indrindra ny mpangataka.

📠 Voaresaka tao ihany koa ny momba ny fanalalahana ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara mba hisian’ny fifaninanana izay efa nampanantenaina tany aloha. "...Tsy maintsy vitanay io, miaraka amin’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐇𝐚𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐀𝐫𝐚-𝐤𝐚𝐣𝐲 𝐦𝐢𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐏𝐚𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 na dia misy aza ny sakantsakana isan-karazany ankehitriny", hoy ny Filohan’ny Fanavaozana.

​🇲🇬🤝🇪🇬 Fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Ejipta : Ny Faharanitantsaina Artifisialy (IA), fanoitra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara!

​Tamin’izao dian’ny delegasiônina malagasy tarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana any Ejipta izao dia nisy ihany koa fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny governemanta roa tonta mikasika ny fampiasana ny Faharanitantsaina Artifisialy eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Izany dia tafiditra hatrany ao anatin’ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’ny samy Firenena aty amin’ny ilabolan-tany atsimo araka ny vinan’ny Filohan’ny Fanavaozana.

​📌 Hizara teboka enina (6) lehibe moa ity fifanaraham-piarahamiasa ity ka hifantoka kokoa amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny Faharanitantsaina Artifisialy eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana
sy ny fidirana amin’ny nomerika eo amin’izany sehatra izany mba hanamorana ny tolotra omena ny vahoaka.

​➡️ 𝑴𝒂𝒓𝒊𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒐𝒂 𝒇𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒎𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝒅𝒊𝒂 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝟓 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂 (𝒂𝒛𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒊𝒏𝒂), 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒎𝒂𝒕𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒊𝒌𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒃𝒐𝒍𝒂 𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂, 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒊𝒔𝒚 𝒔𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒆𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒊𝒓𝒂𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒌𝒂𝒊𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒛𝒚.

Ireo asa rehetra ireo dia manaporofo ny asa mivaingana entin’ny Minisitera ao anatin’izao fotoana Fanavaozana izao mba hitondrana ny tena fampandrosoana. Araka ny hafatr’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra milaza fa: "𝑻𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒂𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒌𝒐𝒓𝒚 𝒏𝒐 𝒕𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒐𝒊𝒛𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒃𝒊𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂".

📢 ANTSO HO AN’NY TANORA, ANTSO HO FANORENANA NY HO AVY NOMERIKA HO AN’I MADAGASIKARAMISOKATRA NY FANDRAISANA MPIASA ETO ...
27/07/2026

📢 ANTSO HO AN’NY TANORA, ANTSO HO FANORENANA NY HO AVY NOMERIKA HO AN’I MADAGASIKARA
MISOKATRA NY FANDRAISANA MPIASA ETO AMIN’NY MNDPT!

Tanora nahavita fianarana ambony ve ianao? Sa matihanina liana amin’ny sehatry ny nomerika ary vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara?

Manasa anao ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) handefa ny antontan-taratasy firotsahanao amin’ireo sehatra stratejika maro, toy ny:
🔹 Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA) sy Fitantanana ny Angona
🔹 Fanavaozana ara-nomerika
🔹 Fiarovana ara-kajy (Cybersécurité)
🔹 Fifandraisan-davitra
🔹 Lalàna mifehy ny sehatra nomerika

📈 259 ireo antontan-taratasy efa voaray.

Mbola misokatra ny fisoratana anarana!
Aza adinoina, fotoana izao hanatevenana ny ekipan’ny MNDPT sy handraisana anjara amin’ny fananganana an’i Madagasikara nomerika.

📅 16 Aogositra 2026 no daty farany handefasana ny antontan-taratasy.

📧 Alefaso amin’ity adiresy ity ny antontan-taratasinao: [email protected]

Anjaranao izao no mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara nomerika. Miandry ny talentanao izahay! 🇲🇬

📍 Andraharo – 23 jolay 2026 Fanombohana ofisialy ny andrana fampiasana ny teknolojia 5.5G eto MadagasikaraNanotrona ny f...
24/07/2026

📍 Andraharo – 23 jolay 2026

Fanombohana ofisialy ny andrana fampiasana ny teknolojia 5.5G eto Madagasikara

Nanotrona ny famelabelaran-kevitra ho an’ny mpanao gazety nataon’i Yas Madagascar Atoa Mahefa ANDRIAMAMPIADANA, Minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra androany, tetsy Andraharo. Fotoana nanaovana tamin'ny fomba ofisialy ny andrana fampiasana ny teknolojia 5.5G eto Madagasikara.

Isika no firenena faha-4 maneran-tany manao ny fanandramana ity teknolojia vaovao ity. Zava-dehibe izay manamafy fa mandray anjara feno amin'ny fivoaran'ny teknolojia nomerika i Madagasikara.

Nandritra ny lanonana dia nankasitrahan'ny Minisitra ny ezaka nataon'ny YAS Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy tamin'ny fanatanterahana ity tetikasa ity.

Ny 5.5G dia dingana vaovao amin'ny fivoaran'ny tambajotra finday. Haingana kokoa, mahomby kokoa ary marani-tsaina kokoa, ka hanokatra fahafahana vaovao amin'ny sehatra maro toy ny faharanitan-tsaina artifisialy (Intelligence Artificielle), ny indostria, ny fahasalamana, ny fambolena, ny fanabeazana ary ny tolotra nomerika ho an'ny daholobe.

Ho an'i Madagasikara dia tsy ny maha-voalohany amin'ny fampiasana teknolojia vaovao no tanjona, fa ny fahafahana manova izany ho asa, ho fampiasam-bola, ho fifaninanana ara-toekarena ary ho fanatsarana ny fiainan'ny vahoaka. Ny teknolojia dia tsy maintsy mitondra vahaolana mivaingana ahafahan'ny olom-pirenena mianatra, miasa, mamokatra, mitsabo tena ary mahazo tolotra ho an'ny daholobe manara-penitra kokoa.
Nanamafy ihany koa ny ministra fa hapetraka hatrany ny sehatra hisian’ny fifaninanana ara-drariny, ny fampiasam-bola ary ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa nomerika, sady miantoka ny fiarovana, ny fampandraisana anjara ny rehetra ary ny fiandrianam-pirenena nomerika.

Ny fahombiazan'ny 5.5G dia tsy refesina amin'ny hafainganam-pandehan'ny tambajotra ihany, fa indrindra amin'ny orinasa vaovao hiorina, ny asa hoforonina, ny tolotra hatsaraina ary ny fahafahana vaovao hisokatra ho an'ny tanora Malagasy.

Ny tanjona dia hiaraka hanorina Madagasikara mifandray kokoa, manavao kokoa ary mandroso kokoa.

24/07/2026
𝟐𝟏 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
21/07/2026

𝟐𝟏 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚
𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

📍 Antananarivo | 20 Jolay 2026Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly 20 Jolay 2026 ny fandaharanasa "Accéléreo" hanohan...
21/07/2026

📍 Antananarivo | 20 Jolay 2026

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly 20 Jolay 2026 ny fandaharanasa "Accéléreo" hanohanana ny fitomboan'ny orinasa malagasy

"Accéléreo" dia tetikasa tanterahin'ny Projet PIC3, izay vatsian'ny Vondrona Banky Iraisam-pirenena, ho fanohanana ireo orinasa malagasy manana vina sy fahafahana hivelatra.

Natao hanampiana ireo orinasa vao misondrotra eo amin'ny sehatry ny Agribusiness sy Nomerika (Digital) ny tetikasa, amin'ny alalan'ny fanofanana, fanohanana ara-teknika ary fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola. Ny tanjona dia ny hanamafy ny fifaninanana, hampitombo ny famoronana asa ary hanampy ireo orinasa hahita mpampiasa vola.

Mandritra ny 12 volana, ireo orinasa voafantina dia hahazo fanohanana avy amin'ireo manampahaizana eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Ankoatra izany dia misy fanampiana ara-bola mitentina hatramin'ny 50 000 dolara amerikana, zaraina arakaraka ny fandrosoan'ny tetikasa.

Misokatra ho an'ireo orinasa miasa amin'ny sehatry ny Agribusiness sy Digital any amin'ireo faritra voafaritra ao anatin'ny fandaharanasa ny fandraisana anjara. Anisan'ireo sehatra laharam-pahamehana ny kakao, lavanila, jirofo, kafe, voankazo, menaka manitra, tantely, voamaina, ary ireo vahaolana nomerika toy ny Artificial Intelligence (IA), IoT, Cloud, Blockchain, Cybersecurity, FinTech, EdTech, HealthTech ary ireo teknolojia manavao hafa.

📅 Nisokatra nanomboka ny 20 Jolay 2026 ny fandraisana antotan-taratasy ka tsy hifarana raha tsy ny 1 Septambra 2026.

Ity fandaharanasa ity dia manamafy ny ezaka ataon'ny Governemanta sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fanavaozana, mba hahafahan'ny orinasa malagasy misandratra sy mandray anjara bebe kokoa amin'ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara.

Address

Place PHILIBERT TSIRANANA ANTANINARENINA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MNDPT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to MNDPT:

Shortcuts

Share