Unité Partenariat Public Privé de Madagascar

Unité Partenariat Public Privé de Madagascar Assistance, développement et promotion du Partenariat Public Privé à Madagascar

08/03/2026

🟢⚪🔴8 Martsa 2026 : Ny vehivavy Malagasy, hery iray ho an'ny fanavaozana ny Firenena.🟢⚪🔴

⚪🔴🟢Fifaliana ho anay mpiara-miasa eto anivon'ny Unité PPP ny miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2026.Maneho f...
01/01/2026

⚪🔴🟢Fifaliana ho anay mpiara-miasa eto anivon'ny Unité PPP ny miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2026.

Maneho fankasitrahana manokana ireo niara-niasa taminay nandritry ny taona 2025, ary manohy ny asa rehetra ankehitriny hamoazana bebe kokoa amin'ity taona 2026 ity.

✨Izahay eto anivon'ny Unité PPP dia mirary fety sambatra ho antsika.✨
25/12/2025

✨Izahay eto anivon'ny Unité PPP dia mirary fety sambatra ho antsika.✨

⚓️𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏 : 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐦𝐞𝐫𝐢𝐤𝐚 « 𝐒𝐎𝐔𝐑𝐂𝐄 »Tontosa ny 23, 24, 25 septambra 2...
02/10/2025

⚓️𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏 : 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐦𝐞𝐫𝐢𝐤𝐚 « 𝐒𝐎𝐔𝐑𝐂𝐄 »

Tontosa ny 23, 24, 25 septambra 2025 lasa teo ny fanombohana ny fampiasana ny “SOURCE” izay fitaovana nomerika maneran-tany, tohanan’ireo mpamatsy vola misehatra amin’ny fampandrosoana na sehatra marolafy. Natsangana izany hanampy ny firenena iray hanomana sy hitantana tetikasa mahakasika ny fotodrafitrasa.

Amin’izao fanombohana izao dia nofidiana manokana, hampidirina anatin'io fitaovana io, ireo tetikasa fitaratra ao amin'ny sehatry ny Angovo sy ny Fitaterana.

Manohana an’i Madagasikara amin’izany moa ny AFD - Agence Française de Développement, ary tonga nanofana ny Unité PPP sy ny ekipan’ny Minisitera ny manampahaizana manokan'ny SIF, mpanorina ny SOURCE.

Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

“𝐑𝐞́𝐠𝐮𝐥𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐨𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬” : 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐨 𝐚𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏𝐀𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 « 𝐫𝐞𝐠𝐮𝐥𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐨𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬 » 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦...
04/09/2025

“𝐑𝐞́𝐠𝐮𝐥𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐨𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬” : 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐨 𝐚𝐳𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏

𝐀𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 « 𝐫𝐞𝐠𝐮𝐥𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐨𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬 » 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐚𝐫𝐢𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐢𝐝𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐨𝐦𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐢𝐟𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐝𝐫𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐚𝐬𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚. Koa satria ny PPP dia mifantoka amin’ny fanomezana tolotra sy fotodrafitr’asa ho an’ny vahoaka dia tafiditra anatin’ny dingana PPP ny fanomezany ny heviny amin’ny fanadihadihana mialohan’ny tetikasa.

Asa lehibe goavana anatin’ny tetikasa PPP no sahaniny dia ny hoe :
🟢𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑘𝑜𝑛𝑦 ℎ𝑜 𝑖𝑧𝑦 𝑣𝑒 𝑛𝑦 𝑣𝑖𝑑𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑙𝑜𝑡𝑟𝑎 𝑜𝑚𝑒𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑡𝑖𝑘𝑎𝑠𝑎 ?
🔴𝑎𝑟𝑦 𝑖𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑜 𝑓𝑒𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑟𝑎𝑖𝑠𝑖𝑛𝑎 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑖𝑓𝑎𝑛𝑜ℎ𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑜 𝑧𝑎𝑣𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑟𝑎𝑛𝑔𝑎 ?

📌Anaty tetikasa PPP manokana dia asany ny mamaritra ny hoe : mifanaraka amin’ny tanjon’ny sehatra ve ny tetikasa PPP iray ? Manohana akaiky ny Ministera ihany koa izy ireo amin’ny fanomezana antontakevitra mahakasika ny famaritana ny vidin’ny tolotra. Mandritry ny tetikasa kosa dia izy no mitsirika raha voahajan’ilay sehatra tsy miankina, nanankinan’ny Fanjakana ny tetikasa , ny vidin’ny tolotra omena sy ny kalitaony.

𝐀𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲, 𝐝𝐢𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 « 𝐫𝐞́𝐠𝐮𝐥𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐨𝐫𝐢𝐞𝐥𝐬 » 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚.

Noho izany andraikitra goavana sahaniny izany dia nofanina manokana izy ireo. Fiofanana naharitra telo andro, ny 1 hatramin'ny 3 septambra 2025. Ny Unité PPP, COMESA/CPCS, ny tetikasa PAISF ary ny PIC no niara -nifarimbona tamin'ny fanatanterahana izany. Olona 50 avy amin’ny "regulateurs sectoriels" sy ireo Ministera mpiahy ny sehatra moa no nandray anjara tamin’izany.

Agence des Transports Terrestres - ATT-
Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar
Ader Madagascar
ACM Madagascar
APMF Madagascar
Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar
Unité de Gouvernance Digitale


'nyFampiroboroboananyIndostriasynyVarotra arynyFanjifana

📌Hamenoana ny hoenti-manana, manoloana ny fitomboan'ny filàna fotodrafitrasa sy tolotra ho an'ny vahoaka dia napetraky n...
12/08/2025

📌Hamenoana ny hoenti-manana, manoloana ny fitomboan'ny filàna fotodrafitrasa sy tolotra ho an'ny vahoaka dia napetraky ny Fanjakana ny lalàna PPP ahafahan'ny sehatra tsy miankina mandray anjara amin'izany.

❌𝐅𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐧𝐞𝐟𝐚 𝐟𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐬𝐨𝐤𝐚𝐣𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 "𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏” 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚. Isan'izany ny fanohanana na "sponsoring" ataon'ny sehatra tsy miankina amin'ny Fanjakana.

Araho ato rohy manontolo misy ny lalàna ary mirakitra ny fanazavana ny atao hoe PPP.
𝐹𝑎𝑚𝑎𝑟𝑖𝑡𝑎𝑛𝑎 : https://uppp-mada.mg/definition-ppp/𝐿𝑎𝑙𝑎̀𝑛𝑎 𝑃𝑃𝑃 : https://uppp-mada.mg/cadre-juridique/

📢𝐍𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐲Tontosa ny Talata 22 jolay...
24/07/2025

📢𝐍𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧𝐲

Tontosa ny Talata 22 jolay lasa teo ny fanentanana mahakasika ny PPP ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miasa aminy.

Nisongadina tanatin’ny fifanankalozana ny faniriany hisitrahana fanazavana lalindalina mahakasika ny PPP.

𝐈𝐬𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐭𝐬𝐢𝐩𝐢𝐡𝐢𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐢𝐥𝐚̀𝐧𝐚 𝐩𝐚𝐢𝐤𝐚𝐝𝐲 𝐏𝐏𝐏 𝐦𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐡𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐭𝐬𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐢𝐭𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐢𝐭𝐲.

Etsy andaniny, ny Unité PPP dia naneho ny fahavononany hanampy ireo Minisitera ho fampahafantarana ny PPP ary hanohana azy hatrany amin’ireo tetikasa iriany hatao PPP.

💯𝐍𝐲 𝐔𝐧𝐢𝐭𝐞́ 𝐏𝐏𝐏 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐚𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚, 𝐢...
21/07/2025

💯𝐍𝐲 𝐔𝐧𝐢𝐭𝐞́ 𝐏𝐏𝐏 𝐝𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐚𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚, 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐩𝐚𝐧𝐤𝐚𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐯𝐢𝐭𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚.

🌟Hitohy ny ezaka, hanamaroana isa ny mpiara-miasa hanana fahaiza-manao mahakasika ny PPP eto Madagasikara.

𝗠𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮𝗺𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 𝗨𝗡𝗘𝗖𝗔, 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗪𝗔𝗣𝗣𝗣 𝗻𝗼𝗵𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗹𝗶𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮.

🤝𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏: 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚🎯Nohon’ny fahavononan’ny Governemanta Malagasy hana...
16/07/2025

🤝𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏: 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚

🎯Nohon’ny fahavononan’ny Governemanta Malagasy hanao laharam-pahamehana ny PPP anatin’ny paikady ho an’ny fampandrosoana, dia tonga manohana hatrany ireo mpiara-miombonantoka iraisam-pirenena.

Isan’izany ny UNECA na Vaomiera ara-toekarenan'ny Firenena Mikambana ho an'i Afrika, izay nanome fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra PPP nanomboka omaly 15 jolay teny amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano. Notendreny manokana ny WAPPP, izay fikambanan’ireo manampahaizana sy ireo vondrona PPP, hitondra izany fanofanana izany.

Nanamarika ity fotoana ity ny fahatongavan’ny Talen’ny UNECA, Robert LISINGE teto an-toerana sy ny lehiben’ny WAPPP,
Ziad-Alexandre HAYEK ary ny manam-pahaizana PPP, Thibault Roger MOURGUES.

Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar
Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Agence des Transports Terrestres - ATT
Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar
Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola

💧𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐏𝐏𝐏 : 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐝𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐚 “𝐝𝐞𝐜𝐫𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐦𝐨𝐢𝐧𝐝...
10/07/2025

💧𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐏𝐏𝐏 : 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐝𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐏𝐏 𝐦𝐚𝐝𝐢𝐧𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐚 “𝐝𝐞𝐜𝐫𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐦𝐨𝐢𝐧𝐝𝐫𝐞 𝐞𝐧𝐯𝐞𝐫𝐠𝐮𝐫𝐞” 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨

Miroso hatrany ny fanentanana rehetra ho an’ny Minisitera sy ny mpiara-miasa aminy tanterahin’ny Unité PPP. Ny Ministeran’ny Rano no nisitraka izany ny talata 08 jolay lasa teo, teny amin’ny foibeny teny Ambohijatovo Ambony.

Nifanentana ny roa tonta fa miaro ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana ny fampidirana ireo tetikasa heverina azo atao PPP hanaraka ny Lalàna. Nametraka ny fiahiany manoloana ny fotoana ilaina amin’izany ny Ministera ka nanipika ny Unité PPP fa miakina amin’ny fomba fiasan’ireo rehetra mandray anjara ny ahafaingana azy. Miandry fatratra ny hisian’ny didimpanjakana mahakasika ny ‘tetikasa PPP madinika izy ireo’ mba hanamorana sy hanafainganana ireo dingana ireo.

Zava-dehibe araka izany ny hirosoana anatin’ny famolavolana ity didim-panjakana ity satria hita fa sehatra mila ny fandraisan’ny sehatra tsy miankina anjara lehibe ny fanomezana rano fisotro madio sy fisitrahana fotodrafitrasan'ny fanadiovana.

Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène de Madagascar

⚡️𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐏𝐏𝐏: 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐠𝐨𝐯𝐨Ny Zoma 04 jolay teo n...
09/07/2025

⚡️𝐅𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐏𝐏𝐏: 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐠𝐨𝐯𝐨

Ny Zoma 04 jolay teo no nanombohan’ny fanentanana mahakasika ny PPP ho an’ny Ministera sy ny mpiara-miasa aminy rehetra ataon’ny Unité PPP. Nisantatra izany ny Ministeran’ny Angovo, izay natao tao amin’ny foibeny teny Ampandrianomby.

Ho an’ny Ministeran’ny Angovo manokana dia nahafahany namantatra ireo dingana tokony arahina, araky ny Lalàna PPP eto Madagasikara. Nanaiky ny rehetra tanaty fifanakalozana fa zava-dehibe ny kalitaon’ny fanadihadihana mialoha, amin’ny tetikasa PPP, mba aharesy lahatra ny tsy miankina hiara-hiasa amin’ny Fanjakana.

Ahatrarana izany anefa dia ilaina ny enti-manana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay hanaovan’ny Ministera antso avo amin’ireo mpiara-miasa aminy.

Nohon’ny hamaroan’ny tetikasa amin’ny sehatry ny Angovo, heverina hatao PPP, dia hanamafy ny fiaraha-miasany PPP ny Ministeran’ny Angovo sy ny mpiara-miasehatra aminy.

Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures

⚪🔴🟢26 Jona 2025: Ny Unité PPP dia mirary fety sambatra ho antsika.⭐Miarahaba manokana ny Foloalindahy Malagasy,  izay ta...
26/06/2025

⚪🔴🟢26 Jona 2025: Ny Unité PPP dia mirary fety sambatra ho antsika.
⭐Miarahaba manokana ny Foloalindahy Malagasy, izay tarihin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina , amin'izao Fankalazana ny faha-65 taona nijoroany izao.⭐
🇲🇬 Hotohizantsika ny asa fampandrosoana ho fanasoavana ny Firenena.

Address

Palais D'Etat D'Iavoloha
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Unité Partenariat Public Privé de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share