17/07/2026
𝐅𝐀𝐊𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 « 𝐅𝐋𝐘𝐎𝐕𝐄𝐑 » 𝐀𝐍𝐎𝐒𝐈𝐙𝐀𝐓𝐎, 𝐓𝐀𝐏𝐀𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘
Ny Ofisim-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana (ONE), ny Komity Teknikan’ny Fanombanana ; araka ny voalazan’ny Didim-panjakana MECIE, laharana faha-2025-080 tamin’ny 28 janoary 2025 amin’ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fanombanana ny tontolo iainana sy sosialy, dia manentana antsika vahoaka haneho hevitra momba ny tetikasa « 𝐅𝐥𝐲𝐎𝐯𝐞𝐫 𝐀𝐧𝐨𝐬𝐢𝐳𝐚𝐭𝐨 - 𝐭𝐚𝐩𝐚𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 » an’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐬𝐚 𝐕𝐚𝐯𝐞𝐧𝐭𝐲.
Entanina hatrany ny rehetra, indrindra isika izay voakasik’io tetikasa io, haneho hevitra ka hanoratra izany ao anaty rejistra fandraisan-kevitra natokana ho amin’izany, hatramin’ny alakamisy faha-𝟐𝟑 𝐣𝐨𝐥𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔, eny anivon’ireto birao manaraka ireto :
- Ofisim-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana (ONE) Analakely;
- Prefektiora an’Antananarivo;
- Distrika Tanà IV;
- Distrika an’Antananarivo Atsimondrano;
- Kaominina Antananarivo Renivohitra;
- Boriboritany faha IV Antananarivo;
- Kaominina Anosizato Andrefana;
- Kaominina Ampitatafika;
- Kaominina Andranonahoatra;
- Kaominina Bemasoandro;
- Kaominina Alatsinainy Ambazaha;
- Kaominina Ampanefy;
- Kaominina Soavina;
- Kaominina Ambavahaditokana;
- Kaominina Itaosy;
- Fokontany Anosizato Atsinanana I;
- Fokontany Anosizato Atsinanana II;
- Fokontany Ampefiloha;
- Fokontany Ampefiloha Ambodirano;
- Fokontany Antokontanitsara;
- Fokontany Antananambony;
- Fokontany Ambanimaso;
- Fokontany Antandrokomby;
- Fokontany Avaratetezana;
- Fokontany Andrefan’Ankadimbahoaka;
- Prefektiora Miarinarivo;
- Distrika an’Arivonimamo;
- Kaominina Imerintsiatosika;
- Kaominina Alakamisy Fenoarivo;
- Kaominina Fenoarivo;
- Kaominina Ambatomirahavavy;
Tena ilaina ny hevitrao!