Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Madagascar

Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Madagascar L'ONEF est en charge de la collecte, du traitement, de l'analyse et de la diffusion des informations relatives à l'Emploi et à la Formation.

Androany, Andriamatoa Ando RASOLONJANAHARY, Tale Jeneralin’ny Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Mada...
03/06/2026

Androany, Andriamatoa Ando RASOLONJANAHARY, Tale Jeneralin’ny Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Madagascar, no vahinin’ny ONG IVORARY tamin’ny alalan’ny WebTV Soa Iombonana (SOIO).
Nandritra ity dinika ity no nanehoana sy nandalinana ny andraikitra sahanin’ny ONEF, ary koa ireo lohahevitra lehibe mifandraika amin’ny fampananan’asa eto Madagasikara, toy ny zava-misy eo amin’ny tsenan’asa, ny fanambin’ny fampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa, ary ny fampifanarahana ny fiofanana sy ny filàn’ny tontolon’ny asa.

Hivoaka tsy ho ela amin’ny endriny feno ny horonan-tsary mirakitra ity tafatafa ity. Koa manasa antsika rehetra hanaraka sy hijery izany mba hahafahana mandray ireo fanazavana sy fandinihana lalina momba ny fampananan’asa sy ny fiofanana eto Madagasikara.

Isaorana manokana ny ONG IVORARY sy ny WebTV Soa Iombonana (SOIO) noho ity sehatra natokana ho an’ny fifanakalozan-kevitra sy fampahafantarana mahasoa ny vahoaka ity.

🎓✨ WEBINAIRE | MÉTIERS & DÉBOUCHÉS À MADAGASCAR ✨🎓Tu te poses des questions sur ton avenir pro ?Tu veux comprendre les v...
03/06/2026

🎓✨ WEBINAIRE | MÉTIERS & DÉBOUCHÉS À MADAGASCAR ✨🎓

Tu te poses des questions sur ton avenir pro ?
Tu veux comprendre les vraies opportunités d’emploi à Madagascar et les compétences recherchées par les recruteurs ?

👉 TTAN’ORA, à travers le projet TORO, en partenariat avec l’ONEF (Office National de l’Emploi et de la Formation), t’invite à un webinaire exclusif !

📌 Au programme :
🔹 Réalités du marché de l’emploi malgache
🔹 Secteurs porteurs & métiers d’avenir
🔹 Compétences les plus recherchées par les entreprises
🔹 Opportunités selon les régions
🔹 Conseils pratiques pour réussir ton insertion pro

💡 Une rencontre enrichissante avec les experts de l’ONEF et l’équipe TTAN’ORA pour t’aider à construire un projet professionnel solide et réaliste.

📍 Présentiel à l’IDP-PAGE Amparibe
Seulement 25 places disponibles

💻 En ligne
Un lien de participation sera envoyé aux inscrits au-delà de la capacité d’accueil.

📝 Inscription via WhatsApp :
Envoie :
✔ Nom & prénom
✔ Âge
✔ Niveau d’études / profession
✔ Ville de résidence
📲 WhatsApp : [+261 34 75 150 29]

⚠️ Les places en présentiel sont limitées ,inscriptions prises par ordre d’arrivée.


🎓✨ WEBINAIRE | ASA SY FAHAFAHANA MIASA ETO MADAGASIKARA ✨🎓

Mieritreritra ny hoavinao ara-kasa ve ianao?
Te hahafantatra ireo tena fahafahana misy eto Madagasikara sy ireo fahaiza-manao tadiavin’ny mpampiasa ve ianao?

👉 TTAN’ORA, amin’ny alalan’ny tetikasa TORO, miaraka amin’ny Office National de l’Emploi et de la Formation (ONEF), dia manasa anao hanatrika webinaire manokana!

Fandaharam-potoana :
🔹 Fampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny tsenan’asa malagasy
🔹 Famelabelarana momba ny sehatra sy ny asa
🔹 Fampahafantarana ny fahaiza-manao tena tadiavin’ny orinasa
🔹 Sehatra isaky ny faritra
🔹 Torohevitra amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa

💡 Fotoana ahafahanao mifanakalo hevitra sy mianatra avy amin’ireo manampahaizana avy amin’ny ONEF sy ny ekipan’ny TTAN’ORA, amin’ny fanangananao tetikasa matihanina sy mifanaraka amin’ny zava-misy.

📍 Toerana: IDP-PAGE Amparibe
🎟️ Voafetra ho 25 ny isan’ny mpanatrika

💻 Amin’ny tambazotra
Ho an’ireo misoratra anarana aorian’izay, dia halefa rohy ahafahana manaraka amin’ny tambazotra

📝 Fisoratana anarana amin’ny WhatsApp :
Alefaso ny:
✔ Anarana sy fanampin’anarana
✔ Taona
✔ Ambaratongam-pianarana / asa atao
✔ Toeram-ponenana
📲 WhatsApp : +261 34 75 150 29

⚠️ Voafetra ny toerana ho an’ny fanatrehana mivantana ka izay misoratra anarana aloha no raisina voalohany.

🚀 KETRIK’IL YA – JOURNÉE DE L'EMPLOI ET DE L'INSERTION A MANANJARY !Tanora ve ianao, mpianatra, mitady asa sa manana tet...
02/06/2026

🚀 KETRIK’IL YA – JOURNÉE DE L'EMPLOI ET DE L'INSERTION A MANANJARY !

Tanora ve ianao, mpianatra, mitady asa sa manana tetikasa ? Ho anao ity hetsika ity !

Ny Fikambanana TANY'ORA, miara-miasa amin'ny Ministeran'ny Asa ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, amin'ny alalan'ny Office National de l'Emploi et de la Formation (ONEF) sy Direction de de l'Appui à l'Insertion Professionnelle des Jeunes et des Sans Emploi (DAIPJSE) sy ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, amin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) Vatovavy, dia mikarakara ny Andron’ny asa sy fampidirana amin’ny asa eto Mananjary!

📅 Fotoana : 20 Jona 2026 amin’ny 09:30 maraina
📍 Ao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) Vatovavy

Ao anatin’ny fandaharana :
✨ Fizarana momba ireo asa misy sy sehatra mampidi-bola ao amin’ny faritra
✨ Torohevitra amin’ny famoronana tetikasa
✨ Fampiofanana : fanoratana CV, fitadiavana asa ary fiomanana amin’ny dinidinika
✨ Fifanakalozana, fanohanana manokana ary tambajotra

Raha maniry ny handray anjara dia :
📞 Antsoy : 034 89 588 69
✉️ Na mandefasa hafatra miafina amin'ny pejy Facebook-n'ny Fikambanana TANY'ORA
📍Na manatona mivantana ao amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ao Mananjary – Faritra Vatovavy

Aza adino ity fotoana manan-danja ity! Manomboka anio ny hoavinao.

FAMPANANAN'ASA HO AN'NY TANORATontosa ny 29 sy ny 30 May 2016 lasa teo tao amin'ny Hôtel des Thermes Antsirabe ny "Salon...
01/06/2026

FAMPANANAN'ASA HO AN'NY TANORA

Tontosa ny 29 sy ny 30 May 2016 lasa teo tao amin'ny Hôtel des Thermes Antsirabe ny "Salon des Métiers et de la Formation" izay nokarakarain'ny Fikambanana ASMAE- Association Sœur Emmanuelle, ary nandraisan'ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana anjara mavitrika, tamin'ny alalan'ny Fitaleavam-paritra ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana Vakinankaratra sy ny solotenan'ny ONEF ao amin'ny Faritra (Antenne régionale).

Fotoana manan-danja ho an’ny tanora tao amin’ny faritra Vakinankaratra ity hetsika ity, izay nahampafantarana bebe kokoa azy ireo ny tontolon’ny asa sy ny fiofanana.

Nifandrimbona ny Ekipan'ny ONEF sy ny Ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana Vakinankaratra, tamin'ny alalan'ny
Sampandraharahan'ny Fampananan'asa, tamin’ny fanomezana torohevitra momba ny fomba fitadiavana asa, fampahafantarana ireo fanararaotra misy, ary fizarana ireo vokatry ny fanadihadiana nataon'ny ONEF momba ny filàna ara-pahaiza-manao ao amin’ny faritra.

Fiaraha-miasa matanjaka ho amin’ny tanjona iray : manome vaovao, mitari-dalana ary manampy ny tanora hanomana ny hoaviny arak'asa.

🇲🇬 Ny Fampidirana ny Tanora eo amin’ny Asa eto Madagasikara Fanamby Lehibe ho an’ny HoavyIsan-taona dia manodidina ny 50...
01/06/2026

🇲🇬 Ny Fampidirana ny Tanora eo amin’ny Asa eto Madagasikara

Fanamby Lehibe ho an’ny Hoavy
Isan-taona dia manodidina ny 500.000 ireo tanora Malagasy miditra eo amin’ny tsenan’asa, ka mety miteraka olana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena sy eo amin’ireo rafitra misahana ny fampidirana amin’ny asa izany. Sady zavatra tsara ara-demografika no fanamby lehibe ho an’i Madagasikara izany toe-javatra izany. Na dia manana hery sy fahafaha-manao aza ny tanora, maro amin’izy ireo no mbola sahirana amin’ny fahazoana asa maharitra sy mendrika. Amin’izao fotoana izao dia isan’ireo tena maro an’isa eo amin’ny mpitady asa eto amin’ny firenena ny tanora.

Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany ny tsy fifandanjan’ny fiofanana misy amin’ny filàn’ny tsenan’asa. Maro amin’ireo sampam-pianarana no mbola mifototra betsaka amin’ny teoria ka tsy manome hatrany ireo fahaiza-manao ilaina mivantana eny amin’ny sehatry ny asa. Etsy ankilany, misy sehatra ara-toekarena vaovao toy ny haitao nomerika, ny indostria ara-pambolena, ny fizahantany ary ireo asa teknika izay mbola sahirana amin’ny fitadiavana mpiasa mahafeno ny fepetra takiany. Vokatr’izany dia vao mainka sarotra ho an’ireo tanora nahavita fianarana ny miditra amin’ny sehatry ny asa.

Manoloana izany zava-misy izany dia lasa laharam-pahamehana ho an’ny firenena ny fanamafisana ny fiofanana arak’asa sy teknika. Ilaina ny mamolavola fandaharan’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa sy ny zava-misy ara-toekarena eto an-toerana. Ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ireo ivon-toeram-piofanana, ny sehatra tsy miankina ary ny andrim-panjakana dia afaka manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ny tanora mahazo asa. Zava-dehibe ihany koa ny fampiroboroboana ny fiofanana azo ampiharina, ny fampiofanana miaraka amin’ny asa, ny fanaovana fiofanana an-tsehatra ary ny fanohanana ny fandraharahana.

Farany, tsy resaka toekarena fotsiny ny olan’ny asa ho an’ny tanora fa tena raharaha ara-tsosialy sy stratejika ho an’ny hoavin’i Madagasikara. Ny tanora voaofana tsara sy tafiditra amin’ny sehatry ny asa dia afaka mitondra fampandrosoana, fanavaozana ary fitomboana maharitra ho an’ny firenena. Raha mitohy kosa ny tsy fananan’asa eo amin’ny tanora dia mety hampitombo ny fahantrana, ny fifindra-monina ary ny tsy fitoviana ara-tsosialy izany. Noho izany dia ilaina ny fanohizan’ny rehetra ny ezaka mba hanomezana fahafahana sy hoavy matihanina matanjaka kokoa ho an’ny tanora Malagasy.

-------------------------------------------------------

🇫🇷 L’insertion professionnelle des jeunes à Madagascar : un défi majeur pour l’avenir

Chaque année, près de 500.000 jeunes Malgaches arrivent sur le marché du travail, créant une pression importante sur l’économie nationale et sur les dispositifs d’insertion professionnelle. Cette situation représente à la fois une opportunité démographique et un défi majeur pour Madagascar. En effet, malgré leur dynamisme et leur potentiel, de nombreux jeunes rencontrent des difficultés pour accéder à un emploi stable et décent. Aujourd’hui, les jeunes sont largement surreprésentés parmi les demandeurs d’emploi dans le pays.

L’une des principales causes de cette situation réside dans l’inadéquation entre les formations disponibles et les besoins réels du marché du travail. Plusieurs filières d’enseignement restent encore très théoriques et ne permettent pas toujours aux jeunes d’acquérir des compétences directement utilisables dans les entreprises. Par ailleurs, certains secteurs économiques en croissance, comme les technologies numériques, l’agro-industrie, le tourisme ou encore les métiers techniques, peinent à trouver une main-d’œuvre qualifiée correspondant à leurs attentes. Ce décalage fragilise davantage l’insertion professionnelle des jeunes diplômés.

Face à cette réalité, le renforcement de la formation professionnelle et technique apparaît comme une priorité nationale. Il devient essentiel de développer des programmes de formation adaptés aux besoins des entreprises et aux réalités économiques locales. Une meilleure collaboration entre les établissements de formation, les entreprises privées et les institutions publiques permettrait d’améliorer l’employabilité des jeunes. Les stages, les formations pratiques, l’apprentissage en alternance et l’accompagnement à l’entrepreneuriat constituent également des leviers importants pour favoriser leur insertion professionnelle.

Enfin, la question de l’emploi des jeunes dépasse le simple cadre économique ; elle constitue un enjeu social et stratégique pour l’avenir de Madagascar. Une jeunesse bien formée et insérée professionnellement peut devenir un moteur de croissance, d’innovation et de développement durable. À l’inverse, le chômage massif des jeunes risque d’accentuer la précarité, l’exode et les inégalités sociales. Il est donc indispensable que l’ensemble des acteurs concernés poursuivent leurs efforts afin d’offrir aux jeunes Malgaches des perspectives professionnelles plus solides et adaptées aux exigences du marché du travail moderne.

FAMPITAM-BAOVAO MOBA NY FAMPANANAN' ASA SY NY FIOFANANA
31/05/2026

FAMPITAM-BAOVAO MOBA NY FAMPANANAN' ASA SY NY FIOFANANA

TOLOTR' ASA HO ANAO
31/05/2026

TOLOTR' ASA HO ANAO

🇲🇬 Ny maha-zava-dehibe ny antontanisa momba ny fampananan’asa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’i MadagasikaraAo an...
26/05/2026

🇲🇬 Ny maha-zava-dehibe ny antontanisa momba ny fampananan’asa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara

Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanatontoloana sy ny fiovan’ny toekarena maneran-tany dia mitana anjara toerana lehibe ny antontanisa momba ny fampananan’asa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena iray. Eto Madagasikara, izay mbola miatrika olana maro toy ny tsy fananan’asa, ny tsy fahampian’ny asa maharitra ary ny fitomboan’ny sehatra tsy ara-dalàna, dia tena ilaina ny fananana antontanisa mazava sy azo antoka hahafahana mamantatra ny tena zava-misy eo amin’ny tontolon’ny asa. Ny vaovao mikasika ny isan’ireo mitady asa, ireo sehatra mandray mpiasa, ny fahaiza-manao ilain’ny mpampiasa ary ny mombamomba ireo mpiasa dia fitaovana lehibe manampy amin’ny famolavolana politika sy fanapahan-kevitra ara-toekarena mahomby.

Voalohany indrindra, ny antontanisa momba ny fampananan’asa dia manampy ny Fanjakana handrafitra politika sy tetikasa mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka. Amin’ny alalan’ireo tahirin-kevitra voaangona dia afaka mamantatra ireo sehatra mampandroso ny toekarena, ireo faritra tena ahitana tsy fananan’asa ary ireo sokajin’olona marefo indrindra ny tompon’andraikitra. Izany dia manamora ny fametrahana fandaharan’asa mifandraika amin’ny fanofanana arak’asa, ny fampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa, ny fanohanana ny fandraharahana ary ny famoronana asa vaovao. Raha tsy misy antontanisa mazava sy marina dia mety tsy hahomby na tsy hifanaraka amin’ny zava-misy marina ny politika ampiharina.

Ankoatra izany, manana anjara toerana lehibe ho an’ny mpampiasa vola sy ny orinasa tsy miankina ihany koa ny antontanisa momba ny fampananan’asa. Ny mpampiasa vola iray maniry hampivelatra ny asany eto Madagasikara dia mila mahafantatra ny fisian’ny mpiasa azo raisina, ny fari-pahaizan’ireo mpiasa ary ny fironan’ny tsenan’ny asa. Ny fisian’ny antontanisa azo itokisana dia mampitombo ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-toekarena ary manampy amin’ny fanatsarana ny maha-toerana mahasarika an’i Madagasikara ho an’ny fampiasam-bola. Manampy ireo orinasa ihany koa izany amin’ny faminavinana ny filàny mpiasa sy ny fandrindrana ny paikadim-pampandrosoany.

Mahazo tombontsoa amin’izany ihany koa ireo ivon-toeram-pampiofanana sy ny anjerimanontolo. Amin’ny alalan’ny fandinihana ny filàn’ny tsenan’ny asa dia afaka manitsy sy manatsara ireo lalam-piofanana atolony izy ireo mba hampifanaraka bebe kokoa ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny zavatra takian’ny sehatra matihanina. Eto Madagasikara dia maro ireo tanora sahirana amin’ny fitadiavana asa noho ny tsy fitovian’ny fiofanana azony sy ny filàn’ny mpampiasa. Noho izany dia manampy amin’ny fampihenana io elanelana io ny antontanisa momba ny asa amin’ny alalan’ny fitarihana ireo safidy ara-piofanana mankany amin’ireo sehatra manana fahafahana mampiditra olona bebe kokoa amin’ny asa.

Farany, ny antontanisa momba ny fampananan’asa dia tena andry lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara. Tsy vitan’ny hoe manatsara ny fitantanana ny tsenan’ny asa izy ireo, fa manampy ihany koa amin’ny fananganana toekarena maharitra sy mahasoa ny rehetra. Ao anatin’ny firenena iray ahitana tanora maro tahaka an’i Madagasikara dia lasa laharam-pahamehana ny fananana sy ny fifehezana ny tahirin-kevitra momba ny fampananan’asa. Ny fanamafisana ny fanangonana, ny fanadihadiana ary ny fanapariahana ireo antontanisa ireo dia handray anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fananan’asa, ny fanohanana ny toekarem-pirenena ary ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.

-------------------------------------------------------

🇫🇷 L’importance des données statistiques sur l’emploi dans le développement économique de Madagascar

Dans un contexte de mondialisation et de transformation rapide des économies, les données statistiques sur l’emploi occupent une place essentielle dans le développement économique d’un pays. À Madagascar, où le chômage, le sous-emploi et l’informalité restent des défis majeurs, disposer de statistiques fiables permet de mieux comprendre les réalités du marché du travail. Les informations sur le nombre de demandeurs d’emploi, les secteurs qui recrutent, les compétences recherchées ou encore les profils des travailleurs constituent des outils indispensables pour orienter les politiques publiques et les décisions économiques.

Les statistiques sur l’emploi permettent avant tout à l’État de planifier efficacement ses actions. Grâce aux données collectées, les autorités peuvent identifier les secteurs porteurs, les régions les plus touchées par le chômage ou encore les catégories de population les plus vulnérables. Ces informations facilitent la mise en place de programmes adaptés en matière de formation professionnelle, d’insertion des jeunes, de promotion de l’entrepreneuriat ou de création d’emplois. Sans données précises, les politiques risquent d’être inefficaces ou déconnectées des besoins réels de la population.

Par ailleurs, les données statistiques jouent également un rôle important pour les investisseurs et les entreprises privées. Un investisseur qui souhaite développer ses activités à Madagascar a besoin de connaître la disponibilité de la main-d’œuvre, le niveau de qualification des travailleurs ainsi que les tendances du marché de l’emploi. Des statistiques fiables renforcent ainsi la confiance des partenaires économiques et contribuent à améliorer l’attractivité du pays. Elles permettent aussi aux entreprises d’anticiper leurs besoins en recrutement et d’adapter leurs stratégies de développement.

Les établissements de formation et les universités bénéficient eux aussi de l’importance des statistiques sur l’emploi. En analysant les besoins du marché du travail, ils peuvent ajuster les filières de formation et mieux préparer les étudiants aux réalités professionnelles. À Madagascar, plusieurs jeunes rencontrent des difficultés d’insertion faute d’adéquation entre leur formation et les besoins des employeurs. Les données statistiques contribuent donc à réduire ce décalage en orientant les choix académiques vers les secteurs offrant davantage de débouchés professionnels.

Enfin, les statistiques sur l’emploi représentent un véritable levier de développement économique et social pour Madagascar. Elles permettent non seulement d’améliorer la gouvernance du marché du travail, mais aussi de favoriser une croissance plus inclusive et durable. Dans un pays où la jeunesse constitue une grande partie de la population, la maîtrise des données liées à l’emploi devient une priorité stratégique. Renforcer la collecte, l’analyse et la diffusion des statistiques sur l’emploi contribuera ainsi à mieux lutter contre le chômage, à soutenir l’économie nationale et à construire un avenir plus stable pour les générations futures.

Address

Complexe Scolaire Ampefiloha
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261349076337

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Office National de l'Emploi et de la Formation - ONEF Madagascar:

Share