Fonds de Développement Local - Madagascar

Fonds de Développement Local - Madagascar Établissement Public à Caractère Administratif

02/05/2026

Jeritodika ho an'ny volana Aprily 2026

🇲🇬🇲🇬📢 *Fiofanana momba ny Miralenta sy ATG ao amin’ny FDL*Ny 27–30 Aprily 2026, nandray fiofanana momba ny miralenta sy ...
01/05/2026

🇲🇬🇲🇬
📢 *Fiofanana momba ny Miralenta sy ATG ao amin’ny FDL*

Ny 27–30 Aprily 2026, nandray fiofanana momba ny miralenta sy ny ATG ny mpiasan’ny FDL teto Antananarivo.

Notohanan’ny ProDéCID/GIZ ary notarihin’i Anouk (manampahaizana miralenta), ity fiofanana ity dia mikendry ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ny FDL ho amin’ny fampandrosoana mirindra sy mitovy lenta.

💡 Nandritra izany dia nanamafy ny fahalalana sy ny andraikiny amin’ny maha mpanova ho amin’ny fitovian-jo ny mpandray anjara.

✨ Dingana iray mankany amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara !

🇫🇷🇫🇷
📢 *Formation en Approche Transformatrice de Genre (ATG) au FDL*

Du 27 au 30 avril 2026, le personnel du Fonds de Développement Local (FDL) a bénéficié d’une formation sur le genre et l’Approche Transformatrice de Genre (ATG) à Antananarivo.

Réalisée avec l’appui de ProDéCID/GIZ et facilitée par Anouk (Experte Genre), cette formation vise à renforcer les capacités du FDL pour promouvoir un développement local inclusif et équitable.

💡 À travers des échanges interactifs, les participants ont renforcé leurs connaissances et leur rôle en tant qu’acteurs de changement pour l’égalité de genre.

✨ Un pas de plus vers un développement durable et inclusif à Madagascar !

🇲🇬🇲🇬Ho fampiroboroboana ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana, nisitraka fiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly ny mpi...
20/04/2026

🇲🇬🇲🇬
Ho fampiroboroboana ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana, nisitraka fiofanana momba ny ady amin’ny kolikoly ny mpiasan’ny FDL ny 31 martsa sy 01 aprily 2026 lasa teo, teny Anosy. Niarahana nifarimbona tamin’ny BIANCO izany hetsika izany ary nahazoana ny fanohanan’ny fandaharanasa ProDéCiD/GIZ.
👉 Izao fiofanana izao dia manamafy ny fahavononan’ny FDL amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny fandraisana andraikitra feno, ho tombontsoan’ny fampandrosoana eny ifotony.
🤝 Miaraka amin’ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
👏 Maneho ny fankasitrahany ny BIANCO sy ny fandaharanasa ProDéCiD/GIZ ny FDL tamin’ny fanohanana nentina nanatanterahana izao fiofanana izao.

🇫🇷🇫🇷
Dans le cadre de la promotion de la transparence et de la bonne gouvernance, les agents du FDL ont bénéficié d’une formation sur la lutte contre la corruption, avec le BIANCO et l’appui du programme ProDéCiD/GIZ, les 31 mars et 1er avril 2026 à Anosy.
👉 Une initiative qui renforce l’engagement du FDL en faveur de l’intégrité et des pratiques responsables au service du développement local.
🤝 Avec le soutien du Ministère de l’Intérieur et de la Décentralisation.
👏 Le FDL remercie le BIANCO ainsi que le programme ProDéCiD/GIZ pour leur appui dans la mise en œuvre de cette formation

10/04/2026

Récit de vie par Ivola

10/04/2026
04/04/2026


🇲🇬🇲🇬📊 Fanamafisana ny Fitantanam-bola: Atrikasa ho an’ny FDL niarahana tamin’ny CDBF🤝Ny Filankevitra ara-Pitsipika momba...
01/04/2026

🇲🇬🇲🇬
📊 Fanamafisana ny Fitantanam-bola: Atrikasa ho an’ny FDL niarahana tamin’ny CDBF🤝

Ny Filankevitra ara-Pitsipika momba ny Tetibola sy ny Vola na ny CDBF dia rafitra mpanara-maso ny fitantanana ny volam-panjakana. ⚖️
Manana andraikitra lehibe amin’ny fisorohana ny fahadisoam-pitantanana ity rafitra ity,✋ ary manana fahefana hanasazy amin’ny alalan’ny lamandy raha toa ka misy ny fandikan-dalàna voamarina.⚠️
Mba ho fanamafisana izany asa fisorohana izany, nisy ny atrikasa notanterahina teo anivon’ny « Fonds de Développement Local (FDL) » ny 27 martsa 2026 lasa teo 📆. Ny tanjona dia ny hampahafantarana ny andraikitra sahanin’ny CDBF, hisorohana mialoha ny mety ho fahadisoam-pitantanana rehetra, ary hamporisihana ny tomponandraikitra hanaraka ny lalàna eo amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.
Anisan'ireo tonga namaly ny antso ireo mpisehatra eo amin’ny fitantanam-bola sy ireo mpikambana mandrafitra ny Filankevi-pitantanan’ny FDL. 👤 Araka ny nambaran’ireo mpandray anjara, zava-dehibe ny fisian’ny fihaonana tahaka izao mba hanatsarana hatrany ny fitantanana sy hampitomboana ny fahaiza-manao eo amin’ny fanatanterahana ny asa. ⚖️📊
Ity fotoana ity ihany koa dia nahafahana namantatra ireo mampifandray ny asan’ny FDL sy ny CDBF. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ho avy, indrindra ireo izay iantsorohan’ny FDL any anivon’ny faritra.🤝
🇫🇷🇫🇷
📊Renforcement de la gouvernance financière : Atelier du CDBF avec le FDL🤝
Le Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF) est un organe complétant la chaîne de contrôle de la gestion des finances publiques. Il joue un rôle crucial dans la prévention des fautes de gestion ✋ et dispose d'un pouvoir de sanction par voie d'amendes en cas d'irrégularités constatées.⚠️
Afin de renforcer cette mission de prévention, un atelier s'est tenu au sein du Fonds de Développement Local (FDL) le 27 mars 2026. 📆 Cette rencontre visait à faire connaître les missions du CDBF, à anticiper et éviter d'éventuelles erreurs de gestion et à sensibiliser les responsables au respect strict de la légalité dans la gestion des deniers publics.
De nombreux participants ont répondu à l'invitation, notamment des acteurs budgétaires ainsi que les membres du Conseil d'Administration de cet organisme public 👤. Selon les participants, de telles initiatives sont essentielles pour améliorer continuellement la gestion des fonds publics et accroître le professionnalisme dans l'exercice de leurs fonctions.⚖️📊
Cette rencontre a également permis d'identifier les points de synergie entre les activités du FDL et les missions du CDBF. L'objectif est d'instaurer une collaboration étroite pour les futurs projets déployés par le FDL dans les différentes régions.🤝

🇲🇬🇲🇬 Ambohibary, Moramanga | Herinandron’ny 17 martsa 2026✅Dingana lehibe iray no tratra ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsi...
31/03/2026

🇲🇬🇲🇬
Ambohibary, Moramanga | Herinandron’ny 17 martsa 2026
✅Dingana lehibe iray no tratra ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro.
👥 Teo ambany fanatrehan’ny manampahefana, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana miisa 22 misitraka ny ristournes sy redevances avy amin’ny tetikasa Ambatovy no nivondrona tamin’ny atrikasa fanamafisana fahaiza-manao. Afaka manatanteraka ny tetikasany ankehitriny ireo kaominina.
🤝 Nahitana fiaraha-miasa matanjaka teo amin’ireo rafitra isan-karazany ity fihaonana ity : MID/FDL, MID/INDDL, MEF, ireo rafitra mpanara-maso, Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ary ny CPGU, mba hanamafisana ny fahaizan’ny kaominina sy hiantohana fitantanana hentitra, mangarahara ary mahomby ireo loharanom-bola ho fampandrosoana eny ifotony.
👉 Dingana mivaingana mankany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny ristournes eny anivon’ny kaominina no tanteraka

🇲🇫🇲🇫
Ambohibary, Moramanga | Semaine du 17 mars 2026
✅Une étape clé a été franchie pour les collectivités des régions Atsinanana et Alaotra Mangoro.
👥 Sous le regard des autorités, 22 collectivités territoriales décentralisées bénéficiaires des ristournes et redevances minières d’Ambatovy ont été regroupées dans un atelier de recyclage et d’encadrement. Les collectivités peuvent désormais réaliser leurs projets.
🤝 Cette rencontre a mobilisé une forte synergie institutionnelle : MID/FDL, MID/INDDL, MEF, organes de contrôle, Ministère des Mines, CPGU afin de renforcer les capacités des collectivités et d’assurer une gestion rigoureuse, transparente et efficace de ces ressources au service du développement local.
👉 Une avancée concrète vers une meilleure gouvernance des ristournes au niveau communal.

27/03/2026

26/03/2026

Araka ny 𝐝𝐢𝐝𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔-𝟕𝟕𝟕 tamin'ny 25 martsa 2026, dia voatendry ho Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana
Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray.

Address

FDL, Rue Pierre STIBBE, Anosy
Antananarivo
101

Telephone

+261346240735

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fonds de Développement Local - Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fonds de Développement Local - Madagascar:

Share