ANMCC Madagascar

ANMCC Madagascar Page officielle de l'Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales.

Manasa antsika rehetra hanaraka ny fandaharana ALALINOAlahady 08 Febroary 2026Amin’ny 7 ora hariva (19H) Arahinao amin’n...
07/02/2026

Manasa antsika rehetra hanaraka ny fandaharana ALALINO
Alahady 08 Febroary 2026
Amin’ny 7 ora hariva (19H)
Arahinao amin’ny KOLO TV ny fandaharana.

05/02/2026
Andriamatoa RAVONINJATOVO Harivolana Domoina Louis  voatendry ho Tale Teknika eo anivon’ny ANMCCNotanterahina androany A...
19/01/2026

Andriamatoa RAVONINJATOVO Harivolana Domoina Louis voatendry ho Tale Teknika eo anivon’ny ANMCC
Notanterahina androany Alatsinainy faha-19 Janoary 2026 tao amin’ny Maison des Produits ny lanonana famindrana andraikitra teo amin’ny Tale Teknika (DT) teo aloha, Ramatoa NAMBOHOE Venon Yolandine sy ny Tale Teknika vaovao Andriamatoa RAVONINJATOVO Harivolana Domoina Louis eo anivon’ny Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales (ANMCC) araka ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Alakamisy faha-15 Janoary 2026.
Nandritra izany famindrana andraikitra izany no nanoloran’ny Tale Teknika vaovao fisaorana manokana ny Tale nodimbiasiny noho ny ezaka sy ny asa vitany izay nahafahana nametraka fepetra am-polony ho fiarovana ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana. Nanambarany nandritra izany ihany koa ny fahavononany hanatanteraka am-pahavitrihana ny andraikitra makadiry vao noraisiny ary hitondra fanatsarana eo anivon’ny ANMCC. Notolorany fisaorana manokana ihany koa ny Fitondram-panjakana noho ny fitokisana napetraka taminy.
Ny Tale misahana ny Fitantanana ny Otrikarena Mahaolona (DRH), izay nisolo-tena ny Minisitera Mpiahy kosa no namarana ny fandraisam-pitenena tamin’ny alalan’ny fisaorana ny Tale Teknika teo aloha ary niarahaba sy nitso-drano ny Tale Teknika vaovao amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy. Niarahaba an’ Andriamatoa Barthélémy ihany koa izay izay mbola voatendry indray ho Tale Jeneralin’ny ANMCC, mariky ny fahatokisana azy hanohy ny ezaka efa natao.
Ny lanonana dia natrehin’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny ANMCC sy ny Filan-kevitry ny Fifaninanana ary koa ireo solotena avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy Fanjifana.

Faly miarahaba an'Dg reconduit de nahazo DT vaovao Mitombo hatrany ny olom-baovao eo anivon'fianakavian'ANMCC
15/01/2026

Faly miarahaba an'Dg reconduit de nahazo DT vaovao
Mitombo hatrany ny olom-baovao eo anivon'fianakavian'ANMCC

Ho tohin’ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fanadihadiana hametrahana fepetra fiarovana na « mesure de sauvegarde » ami...
14/01/2026

Ho tohin’ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fanadihadiana hametrahana fepetra fiarovana na « mesure de sauvegarde » amin’ny fanafàrana « tubes, tuyaux et leurs accessoires en matières plastiques » ny « pâtisserie sèches et céréales pour petit déjeuner » tamin’ny 24 desambra 2025 lasa teo dia nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpanafatra entana voakasika ireo anio 14 janoary 2026, izany dia natao tao amin’ny foiben-toeran’ny ANMCC, MAISON DES PRODUITS 67Ha. Voaresaka tao anatin’izany ireo dingana rehetra arahina mialohan’ny fametrahana fepetra fiarovana vonjimaika sy ny fepetra fiarovana izay mety haharitra 4 taona.
11 ny isan’ireo mpanafatra entana namaly ny antso ary samy afaka namoaka ny heviny sy naneho ny ahiahiny momba izany fikasana hametraka fepetra fiarovana izany. Nentanina izy ireo arak’izany handray anjara amin’ny fanadihadiana mba ahafahany maneho ny heviny sy miaro ny tombotsoany amin’ny alalan’ny famaliana ireo andiam-panontaniana(questionnaire). Marihana fa ny mpandray anjara dia afaka mahazo ny dika mitovy amin’ny fitarainana nataon’ny mpamokatra eto an-toerana sy ny antontan-kevitra rehetra manodidina izany ary afaka mandray anjara amin’ny « audition publique » izay kasaina hatao ny 25 sy 26 martsa 2026 ho avy izao.

Nahazo Tale vaovao ny ANMCCNotanterahina androany, Alatsinainy faha-12 Janoary 2026 ny famindrana andraikitra teo amin’n...
12/01/2026

Nahazo Tale vaovao ny ANMCC

Notanterahina androany, Alatsinainy faha-12 Janoary 2026 ny famindrana andraikitra teo amin’ny Tale misahana ny Fampandehanan-draharana sy Fitantanam-bola (DAF) teo aloha sy ny DAF vaovao eo anivon’ny ANMCC.
Araky ny Filan-kevitrin'ny Ministra ny Alakamisy 8 janoary lasa teo dia voatendry hisahana izany andraikitra izany Andriamatoa RANDRIANIMASINA Claude Frémy Mickael.

Nandritrin'ny lanonana famindrana andraikitra no nanoloran'ny Tale vaovao fisaorana ny Tale nodimbiasiny Ramatoa Rakotoniaina Volana Larissa, izay nampandroso ny ANMCC tonga amin'izao toerana misy azy izao sy nanambarany ny fahavononany hamita an-tsakany sy an-davany ny andraikitra vaovao noraisiny ary hitondra fanatsarana ihany koa. Tsy adinony tao anatin'izany ny fisaorana ny Fitondram-panjakana izay nametraka fitokisana taminy.

Ny lanonana dia natrehin'ny Ramatoa Enintsoa Valimbavaka, Tale misahana ny Fitantanana ny Otrikarena Mahaolona (DRH), nisolo-tena ny Ministeran'ny Varotra sy Fanjifana izay Mpiahy ny ANMCC, ny Filohan’ny Filan-kevitrin'ny Fifaninanana, ny Tale Jeneraly sy ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon'ny ANMCC sy ny Ministera Mpiahy ary koa ireo rehetra tonga maro nanotrona.

12/01/2026
09/01/2026

🟠L’Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales (ANMCC) a annoncé l’ouverture de deux enquêtes de sauvegarde concernant les importations de tubes, tuyaux et accessoires en matières plastiques, ainsi que de pâtisseries sèches et céréales pour petit déjeuner.

🔹Cette décision fait suite à une plainte des producteurs locaux, qui dénoncent une hausse soudaine et importante des importations, menaçant la compétitivité des industries nationales.

🔹Officiellement lancées le 24 décembre dernier ces enquêtes s’étendront sur une période de neuf à douze mois et analyseront l’évolution des volumes importés et leurs impacts sur la situation économique des secteurs concernés.

🔹Les résultats préliminaires sont attendus d'ici deux mois où une meure de sauvegarde provisoire pourra être envisagée. L’ANMCC invite ainsi les parties prenantes à participer à la procédure et à transmettre leurs observations avant le 7 février prochain.

🚀 Rejoignez notre chaîne WhatsApp : https://bit.ly/3Ua8fMQ

Toute l'actualité de Madagascar sur https://actu.orange.mg/depeches/

09/01/2026

🔴Madagascar figure parmi les nouveaux débouchés des grands producteurs internationaux de pâtisseries sèches et de céréales pour petit déjeuner. La Grande île serait ainsi devenue l’une des cibles privilégiées de ces multinationales pour l'écoulement de leurs surplus de production. Cette transformation du pays en zone d'écoulement d'excédents a conduit la Branche de production nationale (BPN) de ces produits à saisir l'Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales (ANMCC), l'alertant sur les dommages critiques qui seraient subis par l'industrie locale.

🔗Pour lire l'article : https://wp.me/p9VXcr-sKi

Faly miarahaba an’Andriamatoa RANDRIANIMASINA Claude Frémy Mickael, voatendry ho Tale misahana ny Fitondran-draharaha sy...
09/01/2026

Faly miarahaba an’Andriamatoa RANDRIANIMASINA Claude Frémy Mickael, voatendry ho Tale misahana ny Fitondran-draharaha sy ny Fitantanam-bola eto anivon’ny Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales (ANMCC) izahay.
Miarahaba ihany koa an'Ramatoa NAMBOHOE VENON Yolandine ho Tale misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny amin'ny kolikoly eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny fanjifana
Mirary fahombiazana feno amin’ny fanatanterahana ny adidy sy ny andraikitra iandraiketany, araka ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery, ho fanamafisana sy fanatsarana hatrany ny fitantanana sy ny asa sahanin’ny ANMCC.

Address

Antanimena
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ANMCC Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to ANMCC Madagascar:

Share