Tafika Andranomasina

Tafika Andranomasina TAFIKA ANDRANOMASINA
" RANOMASINA FIANDRIANAM-PIRENENA "

FANOMANANA NY FANAZARAN-TENA IRAISAM-PIRENENA "CUTLASS EXPRESS 2027"🇺🇸 🇲🇬Delagasiona sy teknisiana avy amin'ny Masoivoho...
29/08/2026

FANOMANANA NY FANAZARAN-TENA IRAISAM-PIRENENA "CUTLASS EXPRESS 2027"

🇺🇸 🇲🇬Delagasiona sy teknisiana avy amin'ny Masoivoho sy Tafika Amerikanina no tonga tao Antsiranana ny 21 ka hatramin'ny 28 Aogositra 2026.
Tonga nidina ifotony sy nifampidinika tamin'ny solon-tenan'ny Tafika Andranomasina sy Tafika hanabakabaka Malagasy moa izy ireo amin'ny hanatsarana ny fanazaran-tena miaramila iraisam-pirenena "Cutlass Express 2027" izay handraisan'i Madagasikara anjara mafonja.

FAMPAHAFANTARANA IREO MANAMBONINAHITRY NY TAFIKA ANDRANOMASINA NISONDRO-BONINAHITRA HO AN'NY TAONA 2026🧭Nandray ireo man...
28/08/2026

FAMPAHAFANTARANA IREO MANAMBONINAHITRY NY TAFIKA ANDRANOMASINA NISONDRO-BONINAHITRA HO AN'NY TAONA 2026

🧭Nandray ireo manamboninahitry ny Tafika Andranomasina 06 mianadahy nahazo ny laharam-boninahitra ambony ho an'ny taona 2026, ny Contre Amiral SAM HIENG TWION Kalobe Mickaël, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Andranomasina androany tao amin'ny biraony teny Ambohidahy.

🧑‍✈️ Anisany amin'ireo nisondrom-boninahitra ny manamboninahitra vehivavy iray, izay manaporofo ny anjaran-toeran'ny vehivavy eo anivon'ny Tafika Andranomasina.

📌 Niarahaba sy nirary soa ary nitondra rijika ho azy ireo ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Andranomasina.
Nohamafisiny tamin'izany fa noho ny herim-po sy ny maha matihanina azy ireo no nanendrena azy ireo amin'izao laharam-boninahitra izao ka nanentanany hatrany mba ho mendrika amin'izany, amin'ny andraikitra sy ny fanasoavana ny Tafika Andranomasina.

BANA ANTSIRANANA - FIOFANANA NIARAHANA TAMIN'NY UNODC⚙️Nisitraka fiofanana mikasika ny "maintenance et conduite de moteu...
28/08/2026

BANA ANTSIRANANA - FIOFANANA NIARAHANA TAMIN'NY UNODC

⚙️Nisitraka fiofanana mikasika ny "maintenance et conduite de moteur hors-bord" tamin'ny UNODC ny miaramila tatsambon'ny Tobi-pamaharan'ny Tafika Andranomasina na ny Base Navale d'Antsiranana BANA.

⚓ Nijery ifotony sy nanao tomban'ezaka ny zava-bitan'ireo mpiofana ny Capitaine de Vaisseau RAFEHIZATO Andry Guy Ohm, Kaomandin'ny Tobi-pamaharan'ny Tafika Andranomasina Antsiranana, ny zoma 28 aogositra tamin'ny famaranana izany.

21/08/2026
FIARAHA-MIASAN'NY DÉTACHEMENT NAVAL TOLIARA SY NY UNODC⚓ Nofaranana tamin'ny fomba ofisialy androany ny fiofanana niarah...
20/08/2026

FIARAHA-MIASAN'NY DÉTACHEMENT NAVAL TOLIARA SY NY UNODC

⚓ Nofaranana tamin'ny fomba ofisialy androany ny fiofanana niarahana tamin'ny UNODC tao Toliara, nanomboka ny 17 aogositra 2026 teo.

🛥️ Fiofanana niompana tamin'ny fikojakojana motera ivelan'ny sambo na "moteur hors bord", nahafahan'ireo mpandray anjara nanamafy ny fahaiza-manaon'izy ireo: ny avy eo amin'ny "équipage" ' ny Détachement Naval ao Toliara sy ny Patrouilleur Côtier TSELATRA an'ny Tafika Andranomasina ary ny Centre de Surveillance de Pêche 🎣.

FANDALOVAN'NY SAMBO MPIADY ESPAGNOL FRÉGATE "NUMANCIA" AO ANTSIRANANA 🚢 Mandalo ao Antsiranana ny Frégate Espagnole NUMA...
18/08/2026

FANDALOVAN'NY SAMBO MPIADY ESPAGNOL FRÉGATE "NUMANCIA" AO ANTSIRANANA

🚢 Mandalo ao Antsiranana ny Frégate Espagnole NUMANCIA amin'izao fotoana izao, ny 14 hatramin'ny 19 Aogositra 2026.

📌Mandritr'izao fiantsonana ao amin'ny seranan-tsambon' Antsiranana izao dia nisy ny fitsidihana ara-panajana ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ao an-toerana sy fanaovana fanazaran-tena miaraka "exercice de Sécurité" mikasika ny ady amin'ny loza ateraky ny afo eny ambony sambo, niarahana amin'ny tantsambon'ny Tobi-pamaharan'ny Tafika Andranomasina ao Antsiranana na ny BANA.

VONJY AINA AN-DRANOMASINA TAO SAINTE MARIE 🛟 Olona 04 no avotra soamantsara tamin'ny sambo mpanjono "ANJA", tojo fahasim...
15/08/2026

VONJY AINA AN-DRANOMASINA TAO SAINTE MARIE

🛟 Olona 04 no avotra soamantsara tamin'ny sambo mpanjono "ANJA", tojo fahasimbana teny an-dranomasina tao avaratr'i Sainte Marie, ny alin'ny zoma 14 aogositra 2026.

⚓ Vantany vao naharay fampitam-baovao ny fisian'ny tranga loza an-dranomasina avy amin'ny fikambanan'ny "Les Loups de Mer", ny Tafika Andranomasina ao amin'ny Détachement Naval Sainte Marie dia nandray ny andraikiny avy hatrany nanao ny fikarohana sy vonjy aina ny tra-doza.

🌊Niara-nisalahy tamin'ireo miaramila tatsambon'ny Détachement Naval Sainte Marie tamin'izao hetsika vonjy voina sy vonjy aina izao moa ny sambo haingam-pandeha an'olontsotra "FANOROLAHY", ny fifanakalozana sy fampitam-baovao ara-potoana avy amin'ny APMF sy nCentre De Fusion D'informations Maritimes - CFIMIM .

🚤 Ny marainan'ny sabotsy 15 aogositra 2026 dia tonga soamantsara teny amin'ny Toby fiantsonan-tsambo izy ireo.

⚓Isany iraka sahanin'ny Tafika Andranomasina ny fikarohana sy fanaovana vonjy voina sy vonjy aina eny an-dranomasina na ny SAR Search and rescue/ recherche et sauvetage en mer. Ka hanentanana ny fifanomezan-tanana amin'ny fandraisana andraikitra toy ny fizarana vaovao ara-potoana manoloana ny fahitana tranga mampiahiahy eny an-dranomasina mba hisorohana ny zava-doza mety hamohizana aina.

15/08/2026
FIDINANA IFOTONY NOTANTERAHIN'IREO TOMPONANDRAIKIM-PANJAKANA MISEHATRA AMIN'NY RANOMASINA AO SAINTE MARIE 🌊Tontosa andro...
14/08/2026

FIDINANA IFOTONY NOTANTERAHIN'IREO TOMPONANDRAIKIM-PANJAKANA MISEHATRA AMIN'NY RANOMASINA AO SAINTE MARIE

🌊Tontosa androany Zoma faha 14 Aogositra 2026, ny fidinana ifotony notanterahin'ireo tomponandraikim-panjakana misehatra eo anivon'ny ranomasina ao Sainte Marie.

⚓Hetsika izay niarahan'ny Detachement Naval ao Sainte Marie, eo ambany fibaikoan'ny Lieutenant de Vaisseau RAFARALAHY Rado-Rivolala, ny Agence Portuaire, Maritime et Fluvial APMF, ny Delegen'ny Fizahantany sy ny Asa tanana ao Sainte Marie, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Commune Ambonivohitry Sainte Marie nanentanana ireo mpitondra sambo mitondra mpizahantany ao Sainte Marie indrindra fa ireo manao ny " Safari Baleines".

🛟Tanjona ny hisorohana ny loza izay mety hitranga nohon'ny tsy fahampian'ny fiofanan'ireo mpisehatra an-dranomasina ary ny hidiran'izy ireo amin'ny sehatry ny ara-dalàna. Miara-dalana amin'izany ihany koa ny fanaovana fisavana ireo antonta taratasy ahafahana miantsehatra an-dranomasina.

📌Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin'ny asan'ny fanjakana eny an-dranomasina izay iandraiketan'ny Tafika Andranomasina.

Address

Ambohidahy
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tafika Andranomasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tafika Andranomasina:

Shortcuts

Share