01/06/2026
Tonga nanatrika ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ary ny fanamarihana ny Volan’ny Teny Malagasy, ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritanin’i Fianarantsoa, Andriamatoa ANDRIANJANAHARY Fanomezantsoa, nitarika ny solontenan’ny solombavambahoaka sy ny mpiara-miasa eto amin’ny Antenimierampirenena, androany 01 jona 2026, teny amin’ny Parvis Analakely.
Anisan’ireo nisongadina nandritra izany ny fandalovan’ny sainam-pirenena malagasy sy ny mari-pamantarana manokana ho an’ny fankalazana ny faha-66 taona, narahin’ny lahateny ofisialy sy ireo seho ara-kolontsaina ary fanentanana samihafa. Nandritra izany no nanamafisana fa ny lohahevitra hoe “Fanavaozana ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara” no hitari-dalana ireo hetsika rehetra mandritra ity volan’ny fankalazana ity.
Nambara ihany koa fa ny Foloalindahy Malagasy dia hery sy andry iankinan’ny Firenena amin’ny fiarovana ny filaminana sy ny fiandrianam-pirenena, ka mitaky hatrany ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Teo ihany koa ny seho ara-javakanto sy ara-kolontsaina ary ny fanolorana loka ho an’ireo nahavita be teo amin’ny sehatry ny literatiora Malagasy, ho fanomezam-boninahitra ny teny sy ny kolontsaina malagasy.