Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa

Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny  Fanofanana arak'Asa ๐ŸŽ“ ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ผ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธโ€™๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ho anโ€™ny rehetra
๐Ÿ’ก Fampivelarana ny ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ
๐Ÿ’ผ ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Minisitera ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—น๐—ผ-๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜†

19/06/2026

๐—›๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐—ต๐—ถ๐—ฒ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ท๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ

|18.06.2026|๐—™๐—œ๐—™๐—”๐—ก๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—œ๐——๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—œ๐—ฆ๐—˜๐—” ๐—ง๐—˜๐—ž๐—ก๐—œ๐—ž๐—” : ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ž๐—”๐—™๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—ข๐— ๐—•๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”...
18/06/2026

|18.06.2026|

๐—™๐—œ๐—™๐—”๐—ก๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—œ๐——๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—ฉ๐—ข๐—”๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—œ๐—ฆ๐—˜๐—” ๐—ง๐—˜๐—ž๐—ก๐—œ๐—ž๐—” : ๐—ก๐—ข๐—ฆ๐—ข๐—ž๐—”๐—™๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—ข๐— ๐—•๐—” ๐—ข๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—Ÿ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐——๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—”

Nosokafanโ€™Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakโ€™asa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa, taminโ€™ny fomba ofisialy androany ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivonโ€™ireo Lisea Teknika manerana anโ€™i Madagasikara ho anโ€™ny taom-piofanana 2026-2027.

Tao aminโ€™ny Lycรฉe Technique Professionnel Alarobia no nanatanterahana izany ary nosokafan'Andriamatoa Minisitra manoloana ny mpiadina ny valopy voaaro mirakitra ireo laza adina. Mpifaninana manodidina ny 75 000 no hiatrika ity fifaninanana ity, izay tanterahina aminโ€™ireo foibem-panadinana 188 manerana ny Nosy.

Sampam-piofanana roa no atolotry ny Ministeranโ€™ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arakโ€™asa, dia ny Formation Professionnelle Initiale (FPI) sy ny Formation Technologique Gรฉnรฉrale (FTG), ka ahitana sokajinโ€™asa miisa 30 ho anโ€™ny FPI ary 03 ho anโ€™ny FTG.



ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026

|18.06.2026|๐“๐„๐“๐ˆ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐Œ-๐๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐€๐๐ˆ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐‡๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐€ ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐•๐Ž๐€๐‹๐Ž๐‡๐€๐๐˜ ยฉ METFP, Jona 2026
18/06/2026

|18.06.2026|

๐“๐„๐“๐ˆ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐Œ-๐๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐€๐๐ˆ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐‡๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐€ ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐•๐Ž๐€๐‹๐Ž๐‡๐€๐๐˜



ยฉ METFP, Jona 2026

|17.06.2026|๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐’๐€๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐๐“๐€๐“๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐’๐ˆ๐๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐…๐„๐๐„๐“๐‘๐€ ๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€...
17/06/2026

|17.06.2026|

๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐’๐€๐‘๐€ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐๐“๐€๐“๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐’๐ˆ๐๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐…๐„๐๐„๐“๐‘๐€ ๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€



ยฉ METFP, Jona 2026

17/06/2026

|17.06.2026|

๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐“๐„๐Š๐๐ˆ๐Š๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : ๐…๐ˆ๐‘๐€๐‘๐ˆ๐€๐๐“๐’๐Ž๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐๐€๐‹๐€ ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€, ๐€๐•๐˜ ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€ ๐“๐„๐Š๐๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐‘๐€๐Šโ€™๐€๐’๐€, ๐ƒ๐ซ ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐˜ ๐“๐Ž๐ƒ๐ˆ๐’๐Ž๐€ ๐Œ๐€๐๐€๐Œ๐๐˜.



ยฉ METFP, Jona 2026

|16. 06.2026|๐Œ๐„๐“๐…๐ โ€“ ๐Ž๐ˆ๐“ : ๐…๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐Ž๐๐“๐Ž๐‹๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐€๐’๐€Nandray anโ€™Andriamatoa Freder...
16/06/2026

|16. 06.2026|

๐Œ๐„๐“๐…๐ โ€“ ๐Ž๐ˆ๐“ : ๐…๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐‘๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐“๐Ž๐๐“๐Ž๐‹๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐€๐’๐€

Nandray anโ€™Andriamatoa Frederick Muia, Tale sady solon-tena maharitry ny OIT ho anโ€™i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโ€™Asa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, androany 16 jona 2026.

Nifantoka taminโ€™ny anjara birikin'ny OIT aminโ€™ny fanohanana ny ezaky ny Governemanta aminโ€™ny famoronana asa ho anโ€™ny tanora ny dinika ary nanasongadina ny fandaharanโ€™asa ยซ Promesse Emploi ยป sy ny fanetsiketsehana ireo sehatra miankina sy tsy miankina aminโ€™ny fanjakana mba hanolorana sehatra fanaovana fiofanana (Stage) sy hanamora ny fidiranโ€™ireo tanora nahazo diplaoma eo aminโ€™ny tontolonโ€™ny asa.



ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026

|16.06.2026|๐‚๐„๐๐„ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐Š๐ˆ๐๐€๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€ ๐Œ๐ˆ๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€Miray hina sy miara-mientana aminโ€™ny fanat...
16/06/2026

|16.06.2026|

๐‚๐„๐๐„ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” : ๐…๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐Š๐ˆ๐๐€๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€ ๐Œ๐ˆ๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐€

Miray hina sy miara-mientana aminโ€™ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE 2026 ireo Minisitera telo misahana ny fampianarana, dia ny Minisiteranโ€™ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (MESUPRES) ary ny Minisiteranโ€™ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโ€™Asa (METFP).

Ho fanohanana sy ho fanehoam-piraisankina aminโ€™ireo mpiadina, dia tonga nirary soa sy nitsodrano azy ireo tao aminโ€™ny EPP Andoharanofotsy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโ€™Asa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, niaraka taminโ€™ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa.

Ministรจre de l'Education Nationale de Madagascar
Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa



ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026

|15.06.2026|๐—™๐—”๐—ก๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—ฌ๐—–๐—˜ฬ๐—˜ ๐—ง๐—˜๐—–๐—›๐—ก๐—œ๐—ค๐—จ๐—˜ ๐—”๐— ๐—ฃ๐—˜๐—™๐—œ๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”Notanterahina androany 15 Jona 2026 ny fanolorana t...
15/06/2026

|15.06.2026|

๐—™๐—”๐—ก๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—ฌ๐—–๐—˜ฬ๐—˜ ๐—ง๐—˜๐—–๐—›๐—ก๐—œ๐—ค๐—จ๐—˜ ๐—”๐— ๐—ฃ๐—˜๐—™๐—œ๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—”

Notanterahina androany 15 Jona 2026 ny fanolorana taminโ€™ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho anโ€™ny Lycรฉe Technique Ampefiloha, izay novatsian'ny UNESCO taminโ€™ny alalanโ€™ny tetikasa BEAR III.

Hanamafisana ny fampiharana ny fandaharam-piofanana vaovao Baccalaurรฉat Professionnel eo aminโ€™ny sehatry ny Textile - Habillement - Accessoires (THA), sampam-piofanana ยซ Coupe et Couture ยป, ao aminโ€™ity ivon-toeram-panofanana ity ary hanampy aminโ€™ny fanatsarana ny kalitaonโ€™ny fampianarana sy ny fanofanana omena ireo mpiofana eo anivonโ€™ny LTA no tanjona amin'izao famatsiana ara-pitaovana izao.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakโ€™Asa, Dr ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, sy ny Lehibenโ€™ny sampanโ€™asanโ€™ny UNESCO eto Madagasikara, Ramatoa RAKOTOSON Julie.



ยฉ METFP, Jona 2026

|14. 06. 2026|๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜: ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐ˆ๐•๐Ž๐-๐“๐Ž๐„๐‘๐€๐Œ-๐๐€๐๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐‘๐€๐๐Ž๐๐ˆ๐’๐ŽNotokanana ny 13 Jona 2026 ny CFP ao Ranopi...
14/06/2026

|14. 06. 2026|

๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜: ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐ˆ๐•๐Ž๐-๐“๐Ž๐„๐‘๐€๐Œ-๐๐€๐๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐‘๐€๐๐Ž๐๐ˆ๐’๐Ž

Notokanana ny 13 Jona 2026 ny CFP ao Ranopiso, izay fiaraha miasa taminโ€™ny KOIKA nomen'ny tetikasa BIOCOM/UNESCO. Tonga nitokana izany taminโ€™ny fomba ofisialy ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Andriamatoa Dr. ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy.

Ivon-toeram-panofanana momba ny "Maรงonnerie polyvalente" sy "Photovoltaรฏque" aminโ€™ny alalanโ€™ny FPQ sy ny AMB ity fotodrafitrasa vaovao ity ary misy toeram-ponenan'ny mpianatra ihany koa.

Tanjona aminโ€™izany ny hanamafisana ny fahaiza-manaonโ€™ny tanora sy hanamorร na ny fidirany aminโ€™ny sehatry ny asa ary handraisany anjara aminโ€™ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana.



ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026

|13.06.2026|๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜: ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‹๐˜๐‚๐„๐„ ๐“๐„๐‚๐‡๐๐ˆ๐๐”๐„ ๐„๐“ ๐๐‘๐Ž๐…๐„๐’๐’๐ˆ๐Ž๐๐๐„๐‹ ๐€๐†๐‘๐ˆ๐‚๐Ž๐‹๐„ (๐‹๐“๐๐€), ๐€๐Œ๐๐€๐’๐˜ ๐๐€๐‡๐€๐Œ๐๐Ž๐€๐๐€Notokanan' A...
13/06/2026

|13.06.2026|

๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜: ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‹๐˜๐‚๐„๐„ ๐“๐„๐‚๐‡๐๐ˆ๐๐”๐„ ๐„๐“ ๐๐‘๐Ž๐…๐„๐’๐’๐ˆ๐Ž๐๐๐„๐‹ ๐€๐†๐‘๐ˆ๐‚๐Ž๐‹๐„ (๐‹๐“๐๐€), ๐€๐Œ๐๐€๐’๐˜ ๐๐€๐‡๐€๐Œ๐๐Ž๐€๐๐€

Notokanan' Andriamatoa Filohanโ€™ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Mickael taminโ€™ny fomba ofisialy ny Lycรฉe Technique et Professionnel Agricole (LTPA) ao Ampasy Nahampoana, izay notronin'ny Mpanolotsaina avo eo anivonโ€™ny Fiadidianโ€™ny Fanavaozana, ny Praiminisitra lehibenโ€™ny Governemanta sy Andriamatoa Dr. ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ary ireo olo manan-kaja sivily sy miramila.

Anisanโ€™ny zava-bita ny fanarenana ireo fotodrafitrasa efa nisy sy ny fananganana vaovao izay ahitana :
- efitrano fianarana miisa efatra (4)
- biraonโ€™ny Talen-tsekoly
- toeram-piompiana
- toby famatsian-drano ho an'ity toerana ity
ary notsinjaraina ho anโ€™ny mpiofana ihany koa ireo fitaovana sy kojakoja enti-manatanteraka ny fiofanana, izay fiaraha miasa niaraka taminโ€™ny QIT Madagascar Minerals (QMM).

Tanora miisa 140 no hisitraka mivantana ireo fotodrafitrasa sy fitaovana maoderina ireo, izay hanamafy ny kalitaonโ€™ny fampiofanana eo aminโ€™ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ary handray anjara aminโ€™ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy maharitra ao aminโ€™ny Faritra Anosy.



ยฉ๏ธ METFP, Jona 2026

Address

Complexe Scolaire Ampefiloha, Antananarivo/
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share