ONaPASCOMA

ONaPASCOMA Office National de la Prévention des Accidents Scolaires de Madagascar.

'' Miasa tsara sy miasa haingana mba ho tombontsoan’ny zaza Malagasy rehetra. '' Notontosaina anio tao amin’ny Minisiter...
12/05/2022

'' Miasa tsara sy miasa haingana mba ho tombontsoan’ny zaza Malagasy rehetra. ''
Notontosaina anio tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fampisehona amin'ny fomba ofisialy ny rindram-baiko na "logiciel'' SIGASCO.
Io vokatra ara-teknolojia io dia natao mba hanamorana sy ampirindra ny fanaraha-maso rehetra momban'ny fiantohana ara-pahasalamana ny zaza an-tsekoly izay sahanin'ny ONaPASCOMA.
Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny orinasa Capsule.IO, ny Ofisy nasionaly misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), ary ny UNICEF. Natolotra ny komity hisahana ny fankatoavana izany tetikasa izany nandritra ny atrikasa natao anio alakamisy faha 12 may 2022. Izany no natao mba samy hitondra ny fanatsaràna sy ny sosokevitra avokoa ireo mpandray anjara miisa 17 anatin’ny komity, mialohan’ny handrafetana tanteraka ny tetikasa ka entina ampiasaina eny anivon’ny toeram-pitsaboana eny an-tsekoly. Ny fitsirihana ara-pahasalamana ho an’ny mpianatra moa dia efa nisy hatramin’izay fa manamora kokoa ny fanaraha-maso izany ny fampiasàna ny logiciel vaovao ity. Fanampin’izany ihany koa dia misy ny fanaraha-maso ny fisakafoanan’ny ka ahafahana manolotra ny vahaolana ara-pahasalamana ara-potoana.

Ny 05 may 2022 lasa teo dia nantsoina hiofana teto anivon’ny Ministera’ny Fanabeazam-Pirenena ireo talen-tsekoly maromar...
12/05/2022

Ny 05 may 2022 lasa teo dia nantsoina hiofana teto anivon’ny Ministera’ny Fanabeazam-Pirenena ireo talen-tsekoly maromaro (enimpolo eo ho eo) miankina sy tsy miankina @ Fanjakana izay misehatra ao anatin’ny faripiadidiam-pampianarana (CISCO) Antananarivo renivohitra.
Mizara telo miavaka tsara ny lahadinika mahakasika ny fampiofanana natolotry ny ekipan’ny ONaPASCOMA ireo tompon’anndraikitry ny sekoly ireo:

1- Fanehoana hetsika vonjy taitra vitsivitsy mifandraika loza tampoka mpitranga matetika eny anivon’ny sekoly (Gestes de Premiers Secours). Ireo no natao dia mba hahafahan’ireo tompon’andraikitra misoroka ny fihitaran’ny vokatry ny loza nahazo ilay mpianatra mandra-pahatonga eny @ tobim-pahasalamana. Marihina moa fa tsy maintsy entina zahàna eny ireo marary na niharam-boina mba hahafantarana raha misy fikarakarana manokana na fitsaboana tokony hotohizana na tsia.
2- Fampahafantarana misimisy kokoa mahakasika ny tranom-piantohana ONaPASCOMA @ ankapobenyeo antsoina hoe voina an-tsekoly na “accidents scolaires”
3- Fampahafantarana ny fanatsarana fomba fiasa eo anivon’ny ONaPASCOMA mahakasika indrindra ny fomba fandrotsahana ireo latsakemboky ny mpianatra :
• Fandefasana mivantana ny vola eny @ foibe PASCOMA @ alalan’ny “mobile money” izay tanterahin’ny tompon’andraikitra PASCOMA CISCO na SAF PASCOMA
• Fahafahan’ny talen-tsekoly manatanteraka izany ihany koa raha ilaina, saingy misy ny toro-marika tsy maintsy arahina
• Ireo tombontsoa azo avy @ io fampiasana “mobile money” io. Ohatra: fanafainganana fanonerana ny vola lany t@ fitsaboana mpianatra niharam-boina (tsy voatery hivezivezy intsony na ny mpiasan’ny ONaPASCOMA na ny ray aman-dreny hifanolotra ny vola)

Ho entina hanatsarana hatrany ny kalitao ao amin’ny  Tsinjo fahasalama  an-tsekoly izay atolotry ONaPASCOMA na ny Ofisy ...
12/04/2022

Ho entina hanatsarana hatrany ny kalitao ao amin’ny Tsinjo fahasalama an-tsekoly izay atolotry ONaPASCOMA na ny Ofisy nasionaly misahana ny Fisorohana ny voina an-tsekoly dia notontosaina ny alakamisy sy zoma 07 sy ny 08 aprily 2022, lasa teo, ny fanamafisana traikefa efa nananan’ ireo tompon’andraikitra misahana ny “infirmerie scolaire”.
Nisitraka izany ireo mpitsabo sy ireo mpitsabo mpanampy miasa ao amin’ny “infirmerie” EPP, CEG Soamandrakizay niaraka tamin’ny “SAF PASCOMA” Antananarivo Renivohitra. Nampitaina sy nohamafisina tamin’izany :
• Ny andraikitra sahanin’ny mpitsabo araka ny filàn’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena
• Ny asa miandry ireo mpitsabo mandritra ny fitsirihana sy fanarahana ny fahasalaman’ny ankizy, ny fihainoana sy ny fanjohiana/fanaraha-maso akaiky ireo mpianatra manana olana ara-piarahamonina, ary ny fitsaboana ireo tranga tampoka sy maika mahazo ny ankizy eny an-tsekoly
• Ny fintantanana ny fitaovana sy ny fanafody
• Ny fahaizana manao tatitra ny asa rehetra nosahanina
Ny fisitrahana ny tolotra omen’ny Tsinjo fahasalamana an-tsekoly dia natokana ho an’ny mpianatra misoratra sy manana fiantohana amin’ny ONaPASCOMA. Ny fanentanana ny sekoly tsy mbola tafiditra mpikambana ato amin’ny ONaPASCOMA no namaranana ny fifanakalozana tamin’izany.

Fitantanam-bola tsara rindra, antoky ny ho avy mamiratra. Izany ny lohahevitra novohizina nandritra ity hetsika manerant...
24/03/2022

Fitantanam-bola tsara rindra, antoky ny ho avy mamiratra.
Izany ny lohahevitra novohizina nandritra ity hetsika manerantany "Global Money week" 2022 ity. Raha ny eto Madagasikara dia amin’ny alalan’ny hetsika samihafa mahakasika ny fampianarana ara-pitantanambola ireo tanora no entina manamarika izany, izay tontosaina eny amin’ny NextA Andranomena.
Ho fandraisana anjara amin’ny hetsika, ny ONaPASCOMA dia nanome lanja ny "fiantohana an-tsekoly" ho fanohanana ny ray aman-drenin’ny mpianatra, manoloana ireo lany ateraky ny voina an-tsekoly.
Fandraisana anjara mitentina 200 ariary monja isan-taona, dia ahafahan’ireo mpianatra mpikambana amin’ny ONaPASCOMA misitraka ireto tombontsoa telo manaraka ireto:
Famerenana 100% ny saran’ny fitsaboana
Fisitrahana ny "infirmerie scolaire" : fitsaboana, fanaraha-maso, visite médicale, …
Fiantohana mitentina 1 000 000 Ariary raha sanatria tojo fahafatesana
Mba ahafahan’ireo mpianatra manerana ny nosy misitraka izany, ny ONaPASCOMA dia nametraka ny tetikasa "Tsinjo fahasalamana an-tsekoly", izay hiompana amin’ny fametrahana "infirmerie scolaire" eny anivon’ny sekolim-panjakana. Mpiasa matihanina nahazo fiofanana no hitantana azy ireny ary anisan’ny hanampy amin’ny fandrindrana ny fampiasana ny logiciel SIGASCO. Tanjona amin’ity taona ity ny hananganana "infirmerie scolaire" miisa 23 ary miisa 80 kosa amin’ny taona 2023. Andraikitry ny rehetra ny hoavin’ireo tanora.
Ny ONaPASCOMA dia misokatra ho an’ireo izay rehetra te hanolo-tanana ho an’izany fampandrosoana izany, na olon-tsotra na fikambanana.

Mandray anjara amin'izao fankalazana ny herinandro manera-tany ny fitantanam-bola na ''Global Money Week'' izao ny ONaPA...
21/03/2022

Mandray anjara amin'izao fankalazana ny herinandro manera-tany ny fitantanam-bola na ''Global Money Week'' izao ny ONaPASCOMA. Arak'izany dia anao fizarana momban'ny maha saro-pady ny fisian'ny fiantohana an-tsekoly ho an'ny mpianatra izahay.
Izany dia atao ao amin'ny NextA Andranomena ny alarobia 23 martsa ho avy izao, amin'ny 9 ora sasany maraina.

Efa misokatra sy miasa ny toeram-pitsaboana any an-tsekoly na "Infirmerie scolaire" ao amin'ny EPP Mahamanina Fianarants...
18/03/2022

Efa misokatra sy miasa ny toeram-pitsaboana any an-tsekoly na "Infirmerie scolaire" ao amin'ny EPP Mahamanina Fianarantsoa, fitaleavam-paritra Matsiatra Ambony. Io "infirmerie" io dia natokana handray an-tànana ireo ankizy mpianatra izay sendra voina na tsy fahasalamana tampoka, mandritra ny ora fianarana.
Ny Ofisy nasionaly misahana ny voina any an-tsekoly na ny ONaPASCOMA dia mamatsy fanafody sy fitaovam-pitsaboana tsy tapaka izany toeram-pitsaboana izany afahany mandray an-tànana ny fitsaboana vonjy maika rehetra.
Ampatsiahivina fa maimaimpoana avokoa ny fitsaboana atao amin'ny ankizy mpianatra. Ny latsakemboka Ar 200 aloan'ny ray aman-dreny indray mandeha isan-taona no loharano-mbola hamatsiana ny tetikasa rehetra. Manentana ny ray aman-dreny araka izany mba hanefa izany latsa-kemboka izany ahafahan'ny zaza hisitraka ny tsinjo fahasalamana an-tsekoly mandavan-taona.
Marihana fa tetikasa "pilote" ity "infirmerie scolaire" ity fa efa eo am-pamolavolàna ny hampiely an'io tetikasa io manerana ny Faritra 23 ny ONaPASCOMA amin'ity taona ity.

Miroso amin'ny fiofanana amin'ny fomba fampiasana ny SIGASCO ireo mpiantsehatra eto anivon'ny ONaPASCOMA.  Aorian'izao d...
22/02/2022

Miroso amin'ny fiofanana amin'ny fomba fampiasana ny SIGASCO ireo mpiantsehatra eto anivon'ny ONaPASCOMA. Aorian'izao dia amparitaka eny anivon'ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ny Nosy ity haitao ara-kajy mirindra ity.
Izany rehetra izany no atao mba hampisy ny fangarahana hatrany eo anivon'ny fitantanana ny latsak'emboka izay ataon'ny ray amandren'ny mpianatra.

Ny SIGASCO na Système Intégré de Gestion d'Assurance Scolaire dia haitao ara-kajy mirindra novolavolain'ny ONaPASCOMA mb...
14/02/2022

Ny SIGASCO na Système Intégré de Gestion d'Assurance Scolaire dia haitao ara-kajy mirindra novolavolain'ny ONaPASCOMA mba handrindràna ny fitantanana ny fiantohana an-tsekoly ny mpianatra. Entina hanafainganana sy hanatsarana hatrany ny raharaha rehetra manodidina izany toy ny fitantanana ny fandoavana ny latsakemboka, ny trangana voina, fandrindrana ireo sekoly mpikambana manerana ny nosy, sns, ...

Mpitantana sekoly ve ianao? Ireto ny dingana arahina raha te ho mpikambana ao amin'ny ONaPASCOMA.• Dingana 1 :Manantona ...
20/01/2022

Mpitantana sekoly ve ianao? Ireto ny dingana arahina raha te ho mpikambana ao amin'ny ONaPASCOMA.
• Dingana 1 :
Manantona ny CISCO tandrify ny toerana misy ny sekoly ka maka ny laharan'ny kaonty androtsahana ny latsakemboka ny mpianatra.
• Dingana 2 :
Mandrotsaka an'ilay latsakemboka ny mpianatra mila ny fiantohana ao amin'ilay kaonty. Mahazo tapakila manamarina ny vola narotsaka rehefa avy manao izany
• Dingana 3 :
Manao ny lisitry ny mpianatra hiantohana dia ampiarahina amin'ny tapakila nandoavana ny latsakemboka ka aterina ao amin'ny tompon'andraikitra ny ONaPASCOMA eny anivon'ny CISCO

Rehefa avy manao ireo dingana ireo dia mahazo ny fanamarinana (attestation) ny sekoly fa mpikambana ao amin'ny ONaPASCOMA

Ireo anton'asa sahanin'ny tsinjo fahasalamana an-tsekoly izay atolotry ny ONaPASCOMA:• Mihaino sy manaramaso • Manome ny...
12/01/2022

Ireo anton'asa sahanin'ny tsinjo fahasalamana an-tsekoly izay atolotry ny ONaPASCOMA:
• Mihaino sy manaramaso
• Manome ny fitsaboana vonjy maika
• Manaraka ny fizotran'ny fahasalamana
• Manatanteraka fitsidihana ara-pahasalamana
Ankehitriny, mba hanafainganana sy hanatsarana hatrany an'ireo anton'asa ireo dia natao ny famolavolana ny haitao ara-kajy mirindra na "Système Intégré de Gestion Assurances Scolaires".

Tamin'ny zoma lasa teo, niaraka tamin'ny 'ny Fanabeazam-pirenena, no natao ny fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny...
10/01/2022

Tamin'ny zoma lasa teo, niaraka tamin'ny 'ny Fanabeazam-pirenena, no natao ny fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny haitao ara-kajy mirindra na ny "Logiciels du Système Intégré de Gestion Assurances Scolaires" : SIG ASCO. Tetikasa novolavolaina miarakamin'ny agence Capsule.IO ary miompana amin'ny fandrindrana ny fitantanana ny fiantohana an-tsekoly. Entina hanafainganana sy hanatsarana hatrany ny raharaha rehetra manodidina izany toy ny fitantanana ny fandoavana ny latsakemboka, ny trangana voina, sns, ...
Aorian'izao dia hisy ny fanapariahana ny SIG ASCO eny anivon'ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ny Nosy, tsy latsa-danja amin'izany ihany koa ny fampiofanana sy ny fampitaovana solosaina an'ireo ratsa-mangaikan'ny Onapascoma manerana an'i Madagasikara.

Antoka tsara rindra. Ho taratry ny fampandrosoana.
06/01/2022

Antoka tsara rindra. Ho taratry ny fampandrosoana.

Address

Bâtiment C/Ministère De L’Education Nationale/Anosy
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 16:00
Tuesday 09:00 - 16:00
Wednesday 09:00 - 16:00
Thursday 09:00 - 16:00
Friday 09:00 - 16:00

Telephone

+261341490057

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ONaPASCOMA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to ONaPASCOMA:

Share

Category