14/05/2026
๐ด Rosia tsy tonga fotsiny hitondra โfiarovanaโ : misy paikady miafina ao ambadikโizany
Ankehitriny dia mihamafy hatrany ny fisianโi Rosia aty Afrika. Tsy aminโny alalanโny tafika ihany, fa aminโny alalanโny fitaomana ara-politika, diplomaty ary tambajotra miafina koa. Ny zava-mitranga any Mali dia mampiseho mazava fa tsy โfiaraha-miasa tsotraโ no tanjonโi Moskoa.
Ao ambadiky ny Africa Corps, izay nisolo toerana anโi Wagner, dia misy olona roa lehibe mitarika ny paikady rosiana ao Sahel. Ny voalohany dia Andrei Averyanov, jeneraly rosiana fantatra aminโny asa miafina sy ny tambajotra miaramila. Izy no lazaina fa mitantana mangingina ny hetsika eny an-kianja sy ny fanitarana ny herinโi Rosia any Afrika.
Ny faharoa kosa dia Aleksei Orekhov, izay miseho aminโny endrika โofisialyโ sy diplomaty. Mitsidika firenena afrikanina izy, manao sonia fifanarahana ary maneho aminโizao tontolo izao fa โnamana sy mpiara-miombonโantokaโ i Rosia.
Saingy rehefa jerena akaiky, miseho ny tena zava-misy : paikady roa sosona no ampiasainโi Moskoa. Eo aloha ny kabary momba ny fiarovana sy ny fiaraha-miasa. Any ambadika kosa, misy fanitarana hery ara-miaramila sy fitaomana politika.
Ny tena mampanahy dia ny vokatra hita any Mali. Na dia teo aza ny fisianโny hery rosiana sy ny fampanantenana maro, mbola mitohy ny fanafihanโny vondrona mitam-piadiana, mbola very faritra maro ny fanjakana, ary vao mainka miaina ao anatinโny tsy fandriampahalemana ny vahoaka. Ny fialanโny Africa Corps tao Kidal dia nanaitra olona maro : rehefa tonga ny krizy lehibe, tsy hita ilay โhery lehibeโ nampanantenaina.
Izany no antony tokony hitandremanโi Madagascar. Satria matetika ny fitaomana rosiana dia tsy mijanona aminโny fiarovana ihany. Miditra aminโny media, fanabeazana, politika ary sainโny tanora tsikelikely izy. Ary rehefa tafapetraka tsara izany fitaomana izany dia sarotra esorina.
Tsy tokony ho resinโny propagandy sy ny teny mamy i Madagasikara. Ny fiaraha-miasa rehetra dia tokony hitondra tombontsoa mazava ho anโny vahoaka, fa tsy hanokatra varavarana ho anโny hery vahiny hanamafy ny fahefany eto Afrika.