HVM Foibe Madagasikara

HVM Foibe Madagasikara N° - Tél : 034 17 129 66 Responsable Communication HVM Madagasikara. Miara mientana ho amin'ny fampandrosoana

💙 FIHAONAM-BEM-PARITANY HVM TOAMASINA 💙🟦 Efa migadona eto Toamasina ny Filoha Nasionaly, Atoa Rivo Rakotovao, sy ny Sekr...
28/08/2026

💙 FIHAONAM-BEM-PARITANY HVM TOAMASINA 💙

🟦 Efa migadona eto Toamasina ny Filoha Nasionaly, Atoa Rivo Rakotovao, sy ny Sekretera Jeneraly Nasionaly, Atoa Alain Rasambany, tonga hanatrika ny Fihaonam-bem-paritany HVM Antsinanana (Toamasina), izay hotanterahina rahampitso, Asabotsy 29 Aogositra 2026.

🔵 Nisy ny fihaonana niarahana tamin’ireo Birao HVM Faritany Toamasina sy ireo Komity mpikarakara, ho fandrindrana sy fandaminana ireo lafiny rehetra amin’ny fanatanterahana ny fotoana.

💙 HVM — Mifanome Tanana ho amin’ny Fampandrosoana.

💙 FITRAOFAGNA HVM TOAMASINA 💙Anaty fikarakarana tanteraka ny Komity mpikarakara sady efa vonona ny eto Tamatave amin’ny ...
28/08/2026

💙 FITRAOFAGNA HVM TOAMASINA 💙

Anaty fikarakarana tanteraka ny Komity mpikarakara sady efa vonona ny eto Tamatave amin’ny fandraisana ny Fihaonam-bem-paritany HVM TOAMASINA, izay hatao amaray, Asabotsy 29 Aogositra 2026.

Mitongava maro aby !

27/08/2026
26/08/2026

"FITRAOFAGNA HVM TOAMASINA"

Asaigna atsika jiaby, ao amin'ny efitragno malalaka "ST-LOUIS DE MONFORT Tanamakoa Toamasina" no fotoagnatsika, amin'ny Asabotsy faha 29 Aogositra ho avy izao. Mitongava maro !

Tamatave koa mitraotro 💙

🇲🇬 HVM — ANTSOHIHY, FARITRA SOFIAFANAVAOZANA NY BIRAO MPITARIKA NY HVMTaorian’ny Distrikan’i Mandritsara, dia nanatanter...
25/08/2026

🇲🇬 HVM — ANTSOHIHY, FARITRA SOFIA

FANAVAOZANA NY BIRAO MPITARIKA NY HVM

Taorian’ny Distrikan’i Mandritsara, dia nanatanteraka ny fivoriana fanavaozana ny birao mpitarika ny HVM ihany koa ny tao amin’ny Distrikan’i Antsohihy, ao amin'ny Faritra Sofia.

Tao anatin’izany dia Randrianirina Joseph Dieudonné no voafidy ho Filoha mpitantana ny Biraon’ny HVM ao Antsohihy.

Ny HVM Foibe sy ny Mpikambana HVM rehetra dia mirary soa sy fahombiazana ho an’ny birao vaovao ary mankahery azy ireo amin’ny fanatanterahana amim-pahavononana sy fahitsiana ireo andraikitra napetraka aminareo.

🤝 HVM — Mifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana.

FITRAOFAGNA HVM AO TOAMASINA 💙🤍Akory TAMATAVE ! 🇲🇬 Ny Birao Foiben’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) sy i...
23/08/2026

FITRAOFAGNA HVM AO TOAMASINA 💙🤍

Akory TAMATAVE ! 🇲🇬

Ny Birao Foiben’ny Antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) sy ireo mpikambana rehetra ato amin’ny Faritany Toamasina dia manasa antsika rehetra am-pitiavana sy am-panajana hanatrika ny:

“FITRAOFAGNA”

📅 ASABOTSY 29 AOGOSITRA 2026
🕘 MANOMBOKA AMIN’NY 9 ORA MARAINA
📍 AO AMIN’NY EFITRANO MALALAKA SAINT LOUIS DE MONTFORT
TANAMAKOA – TOAMASINA

🤝 Mitongava maro

HVM Antsinanana offisialy 501

HVM — MANDRITSARA, FARITRA SOFIATontosa ny fivoriana fanavaozana ny birao mpitarika ny HVM tao amin’ny Distrikan’i Mandr...
22/08/2026

HVM — MANDRITSARA, FARITRA SOFIA

Tontosa ny fivoriana fanavaozana ny birao mpitarika ny HVM tao amin’ny Distrikan’i Mandritsara, Faritra Sofia.

Nandritra izany no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo birao mpitarika vaovao, dia:

🔹 "Mananjara Joseph" — Filohan’ny HVM ao Mandritsara.
🔹 "Rasoanandrasana Marie Louisette" — Filohan’ny Sampana Vehivavy HVM ao Mandritsara.
🔹 "Mandray Haja Voninahitra" — Filohan’ny Tanora HVM ao Mandritsara.

Misokatra ho antsika rehetra ny Antoko HVM 💙💙💙

Mirary fahombiazana ho an’ireo birao vaovao amin’ny fanatanterahana ny andraikitra napetraka aminy, ho fanamafisana hatrany ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana.

HVM — Mifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana. 🇲🇬

Sampana Tanora sy Sampana Vehivavy HVM – FianarantsoaMihamafy hatrany ny fahalianan’ny Tanora sy ny Vehivavy ao Fianaran...
19/08/2026

Sampana Tanora sy Sampana Vehivavy HVM – Fianarantsoa

Mihamafy hatrany ny fahalianan’ny Tanora sy ny Vehivavy ao Fianarantsoa amin’ny foto-kevitra sy ny vina entin’ny antoko HVM, ka manokatra lalana vaovao ho amin’ny fandraisana mpikambana vaovao.

Tamin’ny fandalovan’ny Birao Politika Nasionalin’ny HVM tany Fianarantsoa, dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozana nahafahana nihaino, nizara hevitra ary niresaka momba ny andraikitra tokony horaisin’ny tsirairay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Marihina fa Tanora lahy sy vavy mavitrika ary mandray andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina izy ireo. Anisan’izany ny mpandraharaha, ireo mpitarika eny anivon’ny Fokontany sy toerana maro samihafa, ary ireo olom-pirenena mirotsaka amin’ny fampandrosoana eny ifotony.

Amin’ny alalan’ny firaisankina, ny fifampitokisana ary ny fandraisana andraikitra no hanorenana hoavy tsara kokoa ho an’ny Tanora, ny Vehivavy ary ny firenena.

📍 Espace Vahiné – Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro📅 Alarobia 05 Aogositra 2026🟦 Mini-congrès an'ny Antoko HVM tet...
06/08/2026

📍 Espace Vahiné – Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
📅 Alarobia 05 Aogositra 2026

🟦 Mini-congrès an'ny Antoko HVM teto Ambatondrazaka

🔵 Notanterahina teto amin'ny Espace Vahiné, Ambatondrazaka, ny Mini-congrès an'ny Antoko HVM, fotoana iray lehibe nampivondrona ireo mpikambana sy tompon'andraikitra ao amin'ny antoko mba hifampizarana, hanamafisana ny firaisankina ary handrafetana ireo tari-dalana ho an'ny dingana manaraka.

🔷 Anisan'ireo lohahevitra lehibe nodinihina nandritra izany ny:

🔹 Fanamafisana ny firafitry ny antoko sy ny fanetsiketsehana ireo mpikambana eny ifotony.
🔹 Fampahatsiahivana sy fanamafisana ny soatoavina, ny vina ary ny tanjon'ny Antoko HVM.
🔹 Fandinihana ireo tari-dalana stratejika sy ireo laharam-pahamehana ho fanamafisana ny asan'ny antoko amin'ny ho avy.
🔹 Fifanakalozan-kevitra momba ny Fikaonan-doham-pirenena sy ny anjara toeran'ny antoko ao anatin'izany.
🔹 Famakafakana ny raharaham-pirenena sy ny fijerin'ny antoko momba ny fitantanana ankehitriny.

🔵 Nandritra ity Mini-congrès ity ihany koa no nanamafisan'ny Antoko HVM ny fanohanany ny fitondrana fanavaozana ankehitriny, sady naneho ny fahavononany hanohy handray anjara amin'ny fanorenana sy ny fampandrosoana an'i Madagasikara.

HVM – Mifanome Tanana ho amin'ny Fampandrosoana.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261340720219

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HVM Foibe Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to HVM Foibe Madagasikara:

Shortcuts

Share