Malagasy Miara Miainga Ankadinandriana

Malagasy Miara Miainga  Ankadinandriana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Malagasy Miara Miainga Ankadinandriana, Political organisation, Ankadinandriana, Antananarivo.

14/05/2025
Hajo AndrianainariveloNisedra olana lehibe teo amin'ny sehatry ny rano fisotro madio ny Kaominina Ankadinandriana nandri...
09/05/2025

Hajo Andrianainarivelo
Nisedra olana lehibe teo amin'ny sehatry ny rano fisotro madio ny Kaominina Ankadinandriana nandritra ny taona maro. Nisy ny fanamboarana natao tamin’ny taona 2010 fony aho nitantana ny Ministera ny Fitsinjaram-pahefana.
Tsy voahaja ny bokin'andraikitra nifanarahana koa tsy nisy fanatsarana sy fikojakojana intsony, vokany tsy nisitraka rano intsony ny mponina nandritra ny fotoana maharitra.

Ankehitriny, mahafaly sy mahavelombolo ny mahita ekipa miasa am-pahamatorana sy am-piniavana, tarihin’ny Ben’ny Tanàna vaovao. Tsy nisalasala ny tenako niara-nisalahy sy nifanome tanana tamin’izy ireo. Niantoka manontolo ny fanamboarana sy fanavaozana tanteraka ity fotodrafitrasa iombonana ity.

Ho fampiharana ny fitantanana miiabo sy mitodika amin’ny tena fampandrosoana ary ho fanamafisana ny fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra, dia nasian'ny Kaominina "compteur" amin’ny fitsinjarana ny rano isan- tokantrano mba hahafahan'ny mponina misitraka rano fisotro madio sy hisian'ny hoenti-manana amin'ny fikojakojana.

Tanindrazana tsy ho Tany Ngazana

Miarahaba sy mirary soa ho an’Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo  Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, izay mankala...
22/04/2025

Miarahaba sy mirary soa ho an’Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, izay mankalaza ny tsingeritaona nahaterahany anio.

Mirary fahasalamana sy fahombiazana ho azy amin’ny adidy entina hanasoavana ny Taninjanaka.

27/02/2025
Mirary soa ny Ben'ny tanàna vaovaon'ny commune rurale Ankadinandriana Andriamatoa Razafindratsima Rijanarindra amin'izao...
05/02/2025

Mirary soa ny Ben'ny tanàna vaovaon'ny commune rurale Ankadinandriana Andriamatoa Razafindratsima Rijanarindra amin'izao nahavoafidy azy izao. Lany tamin'ny anaran'ny antoko Malagasy Miara-Miainga - MMM ny tenany ary nampanantena fa hiaraka hiainga amin'ny vahoaka tsy an-kanavaka hanasoa an' .

25/01/2025
Salanitra eee..Vaovao ny taona an!!.Ankafaliana no andraisana ny taona ,dia ankafaliana ihany koa no ifampirariana soa ....
18/01/2025

Salanitra eee..

Vaovao ny taona an!!.

Ankafaliana no andraisana ny taona ,dia ankafaliana ihany koa no ifampirariana soa .

Zanaka sy ray amandreny tsy mifanadino. Reharehan'ny kaominina ankadinandriana sy ny Malagasy miara miainga ankadinandriana ny fananana ny filoha nasionaly Hajo Andrianainarivelo mianakavy ,koa rehefa tonga ny tonontaona dia tsy adino ny mifampirary soa ,mifanolotra ny mamy ary mifampizara hafaliana .

Ho taona feno fifaliana,ho taona feno fahombiazana ary indrindra ho taona hanjakan'ny fifankatiavana ny 2025 . Izany rehetra izany no antoky ny fandrosoana.

Malagasy miara miainga Ankadinandriana hampiavana,hampifandray,hampandroso.

Mirary soa sy fahombiazana oooo.

"Izay manoro lalana mahitsy,mamindra aina"

FIFIDIANANA KAOMINALY 11Desambra 2024 .Araka ny vokam-pifidianana ofisialy navoakan'ny "Tribunal administratif " Antanan...
17/01/2025

FIFIDIANANA KAOMINALY

11Desambra 2024 .

Araka ny vokam-pifidianana ofisialy navoakan'ny "Tribunal administratif " Antananarivo ,dia lany Ben'ny Tanana Kaominina Ambanivohitra Ankadinandriana ny kandida natolotrin'ny antoko Malagasy Mara Miainga ,Rija Razafindratsima ,
Entoana izahay ato amin'ny Malagasy miara miainga Ankadinandriana dia misaotra ireo rehetra nifidy na koa tsy nifidy ny ben'ny tanana "Rija" ,ary misaotra ihany koa ireo kandida rehetra nifaninana tamin'iny fifidianana iny,ny fifidianana no vita fa ny fampandrosoana ny Tanana kosa dia mitohy hatrany ary hanamafy ny firaisan-kina isika hampiavana sy hampanjaka ny fifankatiavana . Mba ho soa hoan'ny taninjanaka.

Address

Ankadinandriana
Antananarivo
103

Telephone

+261347420913

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy Miara Miainga Ankadinandriana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share