GASI Nasionaly

GASI Nasionaly Ny firaisankina no antoky ny fanovana...

23/07/2022

Mafy be izy ity!
TOKONY HIRAY HINA NY MALAGASY HITADY VAHAOLANA...
NDEHA HATOMBOKA AMIN' NY FIFANOMEZAN-TANANA...

06/06/2022

Maty novonoina tamin'ny fomba feno habibiana tamin'ny faha-2 ny volana Jona 2022 teo, Atoa Henri RAKOTOARISOA, monina ao Antsampandrano, Fkt Ankazondandy, Kaominina Ambanivohitra Mangarivotra (ex Beparasy).
Marihina moa fa izy ilay tsara sitra-po, nampandre ny manam-pahefana isan'ambaratongany tamin'ny asa famotehana : fitrandrahana hazo saro-bidy sy fanaovana teviala tao amin'ny faritry ny ala ao anatin'io Fokontany voalaza etsy ambony io, efa ho 2 taona mahery izay.
Efa notoroana sy nampiakarina fitsarana tany Ambatolampy sy tao Moramanga izy noho io antony fisintomana lakolosy io fa hoe manakorontana fiainam-bahoaka ao amin'io faritra io, ary dia izao niafara tamin'ny fandatsahana ny ainy izao mihintsy.

Filohan'ny Vondron'Olona Ifotony "MIALO", niorina tamin'ny taona lasa teo izy ary vao avy nampiantso Fivoriambe tsy ara-potoana tamin'ny Sabotsy, faha-28 May 2022 teo, noho ny fanomanana ny fidinan'ny Agents CirEDD Moramanga hanao ny famaritana ny faritra ala sisa tavela izay nangatahan'izy ireo ny fitantanana sy fiarovana azy io ary efa neken'ny teo anivon’ny CirEDD izany fangatahana izany.

Ny ekipan’ny 24h Mada dia mirary fiononana feno hoan’ny fianakaviany.

Loharano: Fokonolona Ankazodandy Beparasy

23/06/2021
10/06/2021

Address

FID 130 Ambohimahitsy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when GASI Nasionaly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share