Commune Rurale Ambatomirahavavy Ofisialy

Commune Rurale Ambatomirahavavy Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Rurale Ambatomirahavavy Ofisialy, Town Hall, Ambatomirahavavy, Antananarivo.

πŸ“š 𝗔𝗗𝗬 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—–π—˜π—š 𝗩𝗔𝗒𝗩𝗔𝗒 π—˜π—‘π—¬ π—”π— π—•π—’π—›π—œπ—•π—”π—§ 𝗔𝗗𝗬 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—–π—˜π—š 𝗩𝗔𝗒𝗩𝗔𝗒 π—˜π—‘π—¬ π—”π— π—•π—’π—›π—œπ—•π—”π—§π—’πŸ“šHo fanatsarana ny sehatry ny fanabeaz...
01/06/2026

πŸ“š 𝗔𝗗𝗬 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—–π—˜π—š 𝗩𝗔𝗒𝗩𝗔𝗒 π—˜π—‘π—¬ π—”π— π—•π—’π—›π—œπ—•π—”π—§ 𝗔𝗗𝗬 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗧π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—–π—˜π—š 𝗩𝗔𝗒𝗩𝗔𝗒 π—˜π—‘π—¬ π—”π— π—•π—’π—›π—œπ—•π—”π—§π—’πŸ“š

Ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana dia notanterahina ny 30 Mey teo ny fiadiana fototry ny CEG vaovao Ambohibato.

Ity fotodrafitrasa ity dia natao indrindra hampihenana ny halaviran-toerana izay lalovan'ny mpianatra isan'andro, mba ahafahan'izy ireo mianatra am-pilaminana sy akaiky ny toeram-ponenany.

βœ… Ny fokonolona Ambohibato dia niara-nientana sy nisalahy amin'ny fanombohana izao asa izao.

βœ… Ny Kaominina ihany koa dia hanao tantsoroka mifanandrify azy amin'ny fanatontosana ity fotodrafitrasa ho an'ny taranaka mandimby ity.

πŸ™Mankasitraka sy manome dera ireo rehetra nandray anjara sy mbola hifanomezan-tanana amin'ny Fokontany amin'ny fanatanterahana ity fotodrafitrasa ity izahay.

"𝑁𝑦 π‘“π‘–π‘Žπ‘›π‘Žπ‘Ÿπ‘Žπ‘›π‘Ž π‘›π‘œ π‘™π‘œπ‘£π‘Ž π‘‘π‘ π‘Žπ‘Ÿπ‘Ž π‘–π‘›π‘‘π‘Ÿπ‘–π‘›π‘‘π‘Ÿπ‘Ž"

❀️TIAKO- MAMIKO- AMBATOMIRAHAVAVY ❀️

πŸ’§πŸ’¦ RANO FISOTRO MADIO HO AN'NY REHETRA πŸ’¦Vita soa aman-tsara ny fametrahana ny  fotodrafitrasa rano FISOTRO MADIO ho fana...
23/05/2026

πŸ’§πŸ’¦ RANO FISOTRO MADIO HO AN'NY REHETRA πŸ’¦

Vita soa aman-tsara ny fametrahana ny fotodrafitrasa rano FISOTRO MADIO ho fanatsarana ny fahazoan'ny mponina misitraka rano fisotro madio ao Antambohomena Ambohimanandray.

Ity tetikasa ity Dia notohanan'ny Fandaharan'asa PAGLI tamin'ny alalan'ny ny OPCI 3AI. Tao ihany koa ny anjara biriky izay noentin'ny Fokonlona eo an-toerana sy ny Kaominina Ambatomirahavavy.

Ny tanjona Dia ny hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hampandroso ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fahazoana rano madio sy maharitra ho an’ny rehetra.

πŸ‘‰ Entanina hatrany isika vahoaka mpisitraka mba hanaja sy hikojakoja ny fotodrafitrasa izay natolotra antsika.

πŸ™ Misaotra ireo rehetra nandray anjara sy niara-niasa tamin’ny fanatanterahana izao fotodrafitrasa izao.
❀️TIAKO-MAMIKO-AMBATOMIRAHAVAVY❀️

πŸ“’ β€œTonga indray ity ny fotoana fandoavana hetra, andao isika samy hanefa ny adidintsika.β€πŸ‘‰ Ireto ny fandaharam-potoana m...
08/05/2026

πŸ“’ β€œTonga indray ity ny fotoana fandoavana hetra, andao isika samy hanefa ny adidintsika.”

πŸ‘‰ Ireto ny fandaharam-potoana momba ny fitakiana hetra.

πŸ‘‰Raha mila fanazavana fanampiny dia:
🟒Mandefasa hafatra miafina.

🟒Manatonà ny Biraon'ny Kaominina Ambatomirahavavy.

πŸ…οΈŽπŸ…οΈŽπŸ…“οΈŽπŸ…οΈŽπŸ…žοΈŽ πŸ…οΈŽπŸ…‘οΈŽπŸ…¨οΈŽ πŸ…˜οΈŽπŸ…’οΈŽπŸ…˜οΈŽπŸ…šοΈŽπŸ…οΈŽ πŸ…—οΈŽπŸ…οΈŽπŸ…οΈŽπŸ…“οΈŽπŸ…žοΈŽπŸ…οΈŽ πŸ…—οΈŽπŸ…”οΈŽπŸ…£οΈŽπŸ…‘οΈŽπŸ…οΈŽ πŸ…”οΈŽ

π™π˜Όπ™‰π˜Όπ™Šπ™‘π˜Όπ™‰π˜Ό π™π™„π™π™π˜Ό π™π˜Όπ™Šπ˜½E πŸ“’ Ny Kaominina Ambanivohitra Ambatomirahavavy dia mampahafantatra antsika rehetra fa misy ny hetsi...
07/05/2026

π™π˜Όπ™‰π˜Όπ™Šπ™‘π˜Όπ™‰π˜Ό π™π™„π™π™π˜Ό π™π˜Όπ™Šπ˜½E
πŸ“’ Ny Kaominina Ambanivohitra Ambatomirahavavy dia mampahafantatra antsika rehetra fa misy ny hetsika fanovana kara-tany ho lasa TITRA izay hiarahan'ny Sampandraharahan'ny Fananan-tany Arivonimamo sy ny Kaominina Ambatomirahavavy atao.

πŸ‘‰ Koa manentana antsika rehetra izay manana kara-tany ka liana amin'ny fanovana izany ho TITRA mba hanatona ny Biraon'ny Kaominina haka ny andinindiny sy fanazavana mahakasika izany fikarakarana izany.

⚠️ Koa araraoty ary izao hetsika mandalo eto amin'ny Kaominintsika izao.

❀️ TIAKO - MAMIKO - AMBATOMIRAHAVAVY ❀️

FIADIANA FOTOTRY NY LAPAN'NY TANΓ€NA VAOVAO AMBATOMIRAHAVAVYNotanterahina androany 01 Mai ny fiadiana fototra ny lapan'ny...
01/05/2026

FIADIANA FOTOTRY NY LAPAN'NY TANΓ€NA VAOVAO AMBATOMIRAHAVAVY

Notanterahina androany 01 Mai ny fiadiana fototra ny lapan'ny TanΓ na vaovao Ary tontosa tamim-pilaminana sy tamim-pahombiazana izany.

πŸ™Nanamarika izany fotoana izany ny fotoam-bavaka notarihin'ny Mpitandrina, nangatahana fitahiana sy fiarovana ho an'ny asa rehetra hotanterahina.

🟑Tao ihany koa ny tsodrano nataon'ny Ben'ny Tanàna, ny Filohan'ny Filankevitra Kaominaly, ny déléguém-panjakana, ny solontenan'ny Chef Fokontany rehetra, ny solombavambahoaka teo aloha, ny solontenan'ny rafitra (Fahasalamana, fandriampahalemana, fampianarana, fandraharahana) misy eto amin'ny Kaominina ho amin'ny fahavitan'ny fotodrafitrasa izay natomboka.

πŸͺ”Tsy adino ihany koa ny fanaovana ny fomba Malagasy tamin'ny vakitany, ho fanamarihana ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny asa fanorenana.

🀝Tsara ny manamarika fa nandray anjara mavitrika tamin'ny fiadiana ny fototra ny vahoaka isam-pokontany, tao ihany koa ny solontenan'ny fikambanam-behivavy izay nikarakara ny sakafo, ka taratra tamin'izany ny firaisankina sy fiara-mientana izay antoky ny fahombiazana sy fahatanterahan'ny tetikasa.

🟑Ity dingana ity dia porofon'ny finiavana iombanana hanorina fotodrafitrasa lehibe, ho fanatsarana ny asa fanompoam-bahoaka sy fampandrosoana maharitra ny Kaominina.

πŸ™Œ Isaorana mitafotafo ireo izay rehetra nanome tanana sy nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ary nanotrona ity fotoana manan-danja ity.

πŸ’° Fanentanana: Ny vola avy amin'ny hetra aloantsika dia anisan'ny enti-manangana ity lapan'ny TanΓ na vaovao ity.
Koa manantena antsika rehetra handray anjara amin'ny fandoavan-ketra ara-dalΓ na.

β€œπ”Έπ•žπ•šπ•Ÿβ€™π•Ÿπ•ͺ π•—π•šπ•£π•’π•šπ•€π•’π•Ÿπ•œπ•šπ•Ÿπ•’ 𝕀π•ͺ π•—π•’π•™π•’π•§π• π•Ÿπ• π•Ÿπ•’π•Ÿπ•’ π•Ÿπ•  π•’π•Ÿπ• π•£π•–π•Ÿπ•’π•Ÿπ•’ π•Ÿπ•ͺ 𝕙𝕠 𝕒𝕧π•ͺ.”

❀️TIAKO - MAMIKO - AMBATOMIRAHAVAVY ❀️

FISORATANA ANARANA BIOMETRIKAπŸ”΅ Notanterahina androany teto anivon'ny Kaominina Ambatomirahavavy ny fanombohana amin'ny f...
03/04/2026

FISORATANA ANARANA BIOMETRIKA

πŸ”΅ Notanterahina androany teto anivon'ny Kaominina Ambatomirahavavy ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny fisoratana anarana biometrika.
Nisantatra izany fisoratana anarana biometrika izany ny Ben'ny TanΓ na sy ireo lehiben'ny rafitra misy eto anivon'ny Kaominina.

πŸ”΅Ity dingana fisoratana anarana biometrika ity dia fanangonana ireo singa mampiavaka sy maha-tokana (endrika, lavotondro, atimaso, sonia) ny olombelona tsirairay mba hananany fahiziana sy ho fanavaozana ny fiankohonana ary hitehirizana izany ao anaty angon-drakitry ny fanjakana.

πŸ”΅ Ao anatin'ny 3 volana ny fisoratana anarana biometrika ho an'ny Kaominina Ambatomirahavavy.

πŸ”΅Koa raha hisoratra anarana ianao dia ento ny CIN πŸͺͺ na ny kopia nahaterahana, ka manantonΓ  ny Lehiben'ny Fokontany misy anao hahafantarana ny fandaharam-potoana hananterahana ny fisoratana anarana isam-pokontany.

Izany no atao mba ho firosoantsika any amin'ny fampandrosoana sy ny fanavaozana.

"Tiako - Mamiko - Ambatomirahavavy" ❀️

Ao anatin'ny fanamarihana ny volana masina Ramadan dia tonga nanome fanampiana ho an'ny mpiara-belona ao amin'ny Fokonta...
16/03/2026

Ao anatin'ny fanamarihana ny volana masina Ramadan dia tonga nanome fanampiana ho an'ny mpiara-belona ao amin'ny Fokontany Manarintsoa ny Fikambanana Silamo tamin'ny alalan'ny AHAD-Association izay notanterahin'ny Filohan'ny Fikambanana Silamo eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa aminy ary natrehan'ny Ben'ny TanΓ na sy ny Chef Fokontany.
Ny Kaominina Ambatomirahavavy dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ny AHAD-Association sy ny Fikambanana Silamo eto Madagasikara tamin'ny hetsika izay nataon'izy ireo.
Hirariana hatrany ny hitohizan'ny fiaraha-miasa izay efa nisy hatrizay.

Fankalazana ny andron'ny vehivavy eto anivon'ny Kaominina Ambatomirahavavy. Mirary soa ny vehivavy Malagasy rehetra.❀️
08/03/2026

Fankalazana ny andron'ny vehivavy eto anivon'ny Kaominina Ambatomirahavavy.
Mirary soa ny vehivavy Malagasy rehetra.❀️

Fidinana ifotony Fokontany Manarintsoa_IveloTontosa androany ny fidinana ifotony nataon'ny Ben'ny tanΓ na niaraka t@reo t...
10/02/2023

Fidinana ifotony Fokontany Manarintsoa_Ivelo

Tontosa androany ny fidinana ifotony nataon'ny Ben'ny tanΓ na niaraka t@reo teknisianina sy ny mpiaramiasa aminy ny Fokontany MANARINTSOA_IVELO mikasika ny fanamboaran-dalana izay fiarahamiasa ho ataon'ny Kaominina sy Atoa Governoran'ny Faritra Itasy miaraka vahoaka ifotony sy ny zanaka ampielezana tsy anavahana.

πŸ‘‰Hanomboka tsy ho ela noho izany ny fanamboarana ny lalana koa etoana dia entanina sahady ny hanovana tsikelikely ho pneumatique ny kodiaran-tsarety rehetra izay mandalo sy mampiasa io lalana io mba ho fikojakojana ny fananana iombonantsika ary entanina sahady ihany koa isika rehetra hifanome tanana hanantotosana izany fotodrafitr'asa izany.

πŸ“· Commune Ambatomirahavavy

Tranompokonolona vaovaon'ny  Kaominina Rurale AmbatomirahavavyNosokafan'Atoa Ben'ny TanΓ na ary nampiasaina nanomboka ny ...
31/01/2023

Tranompokonolona vaovaon'ny Kaominina Rurale Ambatomirahavavy

Nosokafan'Atoa Ben'ny TanΓ na ary nampiasaina nanomboka ny zoma 27 janoary 2023 teo ny tranompokonolona vaovao ka nosantarina tamin'ny fisoratam_panambadiana ny fotoana.

Iarahamahalala ny haterin'ny efitrano (salle de mariage) sy ny tsy fahampian'ny parking teo amin'ny Biraon'ny kaominina ka izany ny antony tsy maintsy nandraisana izao fanapahan_kevitra izao.
Marihina fa mahazaka 200 olona eo ho eo ity efitrano vaovao ity.

Noho izany dia misokatra ho an'ny rehetra tsy ankanavaka ity tranompokonolona ity koa raha misy liana te hanofa sy hampiasa izany dia afaka manantona avy hatrany ny Biraon'ny Kaominina.

Address

Ambatomirahavavy
Antananarivo
112

Telephone

+261344442840

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Ambatomirahavavy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category