13/05/2026
Fivorian’ny Kaomity Nasionalin’ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe sy ny Toeram-ponenana (CNUH) amin’ny fandaniana ny Drafim-panajariana Laniera (PUDi) ho an’ny Nosy Sainte Marie, sy ny Drafim-panajariana Antsipiriany hoan’ ny Faritra Manamorina ny Rocade Iarivo (PADARNE).
Nanatanteraka fivoriana mba handaniana ny Drafi-panajariana Antsipiriany ny Faritra Manamorona ny Rocade Iarivo na PUDé-PADARNE sy ny Drafi-panajariana Laniera (PUDi) ho an’ny Nosy Sainte Marie ny Kaomity Nasionalin’ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe sy ny Toeram-ponenana, androany teny Anosy.
Nanokatra ny fivoriana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, ary nanatrika izany ny Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny Tany, ny Filoha Lefitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Ben’ny Tanànan’ny Nosy Sainte Marie, ireo tale isan-tsokajiny, ireo mpikambana ao anatin’ny CNUH : ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Kaominina sy Distrika voakasiky ny tetikasa ary ireo andrim-panjakana samihafa sy Minisitera.
Zava-dehibe ny fandinihana sy fankatoavana ireto Drafi-panajariana roa lehibe entina hampandrosoana ny firenena sy ny faritra izay tantanina ireto, hoy ny Sekretera Jeneraly ary nanentana izy ny mba handraisan’ireo mpikambana rehetra anjara.
Dingana lehibe ny fandaniana ny drafim-panajariana izay entina handaminana ny tanàna satria raha ho an’ny Nosy Sainte Marie dia hatramin’ny taona 2040 ny vina izay ezahina hampetraka.
Raha ho an’ny Rocade Iarivo kosa dia tsy ho amin’ny fivezivezena ihany fa indrindra mahakasika ny fandaminana ny tanàna an-drenivohitra ihany koa.
Mahakasika ny : fanajariana ny tany, ny tontolo iainana, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanadiovana, ny angovo, ny lalana, ny fitanterana, ny fampitaovana, ny fambolena, ny serasera, ny fiarovana, ny asa, ny indostria, ary ny jono ny sehatra fampandrosoana ao anatin’ny PUDi ho an’ny Nosy Sainte Marie.
Ny fiarovana manoloana ny tondra-drano, ny foto-drafitrasa ho an’ny daholobe, fanatsarana ny toeram-ponenana, fampifandraisana ny faritra amin’ny làlana, fitantanana ny fako, fanadiovana ary famatsiana rano madio ny sehatra fampandrosoana ho an’ny PUDé PADARNE.
-----------------------------------------------
Réunion du Comité National de l’Aménagement Urbain et de l’Habitat (CNUH) pour l’adoption du Plan d’Urbanisme Directeur (PUDi) de l’île Sainte-Marie et du Plan d’Aménagement de Détail des Abords de la Rocade d’Antananarivo (PADARNE)
Le Comité National de l’Aménagement Urbain et de l’Habitat a tenu ce jour une réunion à Anosy afin d’approuver le Plan d’Aménagement Détaillé des Abords de la Rocade d’Antananarivo (PUDé-PADARNE) ainsi que le Plan d’Urbanisme Directeur (PUDi) de l’île Sainte-Marie.
La réunion a été ouverte par le Secrétaire Général du Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers. Y ont également participé le Directeur Général de l’Aménagement du Territoire, le Premier Adjoint au Maire de la Commune Urbaine d’Antananarivo, le Maire de l’île Sainte-Marie, les différents directeurs sectoriels, les membres du CNUH : les partenaires techniques et financiers, les responsables des communes et districts concernés par le projet, ainsi que diverses institutions et ministères.
Le Secrétaire Général a souligné l’importance de l’examen et de l’approbation de ces deux grands plans d’aménagement destinés à favoriser le développement du pays et des régions concernées. Il a également encouragé tous les membres à prendre une part active aux discussions.
L’adoption de ces plans d'urbanisme constitue une étape majeure dans l’organisation et la planification urbaine. Pour l’île Sainte-Marie, la vision de développement s’étend jusqu’à l’année 2040. Quant à la Rocade Iarivo, le projet ne concerne pas uniquement la mobilité, mais également l’organisation et la structuration de la capitale.
Le PUDi de l’île Sainte-Marie couvre plusieurs secteurs de développement, notamment l’aménagement du territoire , l’environnement , l’éducation, la santé, l’assainissement, l’énergie, les routes, les transports, les équipements, l’agriculture ; la communication, la sécurité, l’emploi, l’industrie, et la pêche.
Pour le PUDé-PADARNE, les axes de développement portent principalement sur : la protection contre les inondations, les équipements publics, desserte viaire de territoire, la gestion des déchets, de l’assainissement, ainsi que l’approvisionnement en eau potable.