Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga

Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga

đŸ« EPP SOANAVELA : hiampy roa ny efitrano fianarana📍 Tafapetraka ny vato fototra hanitarana ny EPP Soanavela, ao amin’ny ...
15/09/2026

đŸ« EPP SOANAVELA : hiampy roa ny efitrano fianarana

📍 Tafapetraka ny vato fototra hanitarana ny EPP Soanavela, ao amin’ny Kaominina Ambohijanaka, distrikan'Atsimondrano. Efitrano fianarana telo ihany no nananan’ity sekoly ity hatramin’izay. Ho fanatsarana ny tontolo sy ny fepetra ianaran’ny mpianatra dia hisy efitrano roa vaovao hatsangana, ka hampitombo ho dimy ny fitambaran’ny efitrano fianarana.

▶Ny volan’ny Kaominina Ambohijanaka madiodio no hamatsiana ny fananganana ity fotodrafitrasa ity. Nanatrika ny lanonana fametrahana ny vato fototra ny Ben’ny TanĂ nan’Ambohijanaka, ny Chef ZAP, ny Talen’ny Sekoly ary ny Chef Fokontany, niaraka tamin’ireo fokonolona teo an-toerana.

✍ Lalatiana JERCO – DLCC Tana Sud

📌MITOHY NY FIDINANA IFOTONY ATAON’NY OMC AO ANKAZOBE▶Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana ao amin’n...
14/09/2026

📌MITOHY NY FIDINANA IFOTONY ATAON’NY OMC AO ANKAZOBE

▶Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao Ankazobe. Tamin’ny 11 Septambra 2026 lasa teo, dia tao amin’ny Fokontany Amparihikambana, Kaominina Fiadanana, indray no nanatanterahana izany.

▶Lohahevitra lehibe noresahina tamin’izany toy ny PGE-R, ny fandriampahalemana, ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, ny fanatanterahana ny ENBIO, ary ny fanentanana momba ny "Ă©tat civil" sy ny fanamorana ny fahazoana kopia nahaterahana.
Voaresaka ihany koa ny fanamafisana ny Andrimasom-pokonolona sy ny ady amin’ny doro tanety.

▶Mbola hitohy any amin’ireo kaominina hafa ao Ankazobe ihany koa izao fidinana ifotony izao, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandriampahalemana eny ifotony.

đŸ“·Vola Rasolohaga – DLCC Ankazobe

14/09/2026

𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐋𝐄𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐄𝐋𝐄𝐒𝐓𝐀𝐙𝐘

Ao anatin’ny 𝐚𝐬𝐚 đŸđšđ§đšđ«đžđ§đšđ§đš 𝐧đČ đ­đšđŠđ›đšđłđšđ­đ«đš đąđ«đšđąđŹđšđ§'đ€đ§đ­đšđ§đšđ§đšđ«đąđŻđš ny orinasa 𝐉𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 ankehitriny araka ny nambaran’ny Tale jeneraly lefitra misahana ny famokarana herinaratra MANDA Ny Aina Nomena. Izany dia ho famahana ny olan’ny fahatapatapahan’ny herinaratra ao Antananarivo.
Tonga ireo piesy nafarana ho an’ny milina manana tanjaka 15MW hatramin'ny 18MW, entina hampihenana ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin'ny tambazotra iraisan’Antananarivo.

© JIRAMA

📌FANAMAFISANA NY FILAMINANA AO ANKAZOBE : FITOKANANA NY "POSTE FIXE" AN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA TAO TSARAHONENANA▶Tao...
09/09/2026

📌FANAMAFISANA NY FILAMINANA AO ANKAZOBE : FITOKANANA NY "POSTE FIXE" AN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA TAO TSARAHONENANA

▶Tao anatin’ny fitsidihana nataon'ireo mpikambana ao amin'ny OMC tany amin’ireo Kaominina ambanivohitra ao amin’ny faritra avaratra-atsinanan’ny Distrikan’Ankazobe ny 03 septambra 2026 teo, ny fitokanana ny "Poste fixe" ny Zandarimariam-pirenena ao amin’ny Fokontany Tsarahonenana, Kaominina Ambanivohitra Kiangara. Vokatry ny ezaka sy fandraisan’anjaran’ny Fokonolona any an-toerana ity fotodrafitrasa ity, ka ahitana efitra dimy, anisan’izany ny birao sy ny toerana hipetrahan’ireo Zandary.

▶Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny filaminana eny ifotony izao fotodrafitrasa izao, indrindra amin’ny fanamorana ny fandraisana andraikitra ny fisian’ny mpitandro filaminana akaiky kokoa ny vahoaka. Nandritra ny hetsika ihany koa dia nisy ny fanentanana momba ny fanamafisana ny Andrimasom-pokonolona, izay singa iray lehibe amin’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ny fandriampahalemana. Nohazavaina sy nampahafantarina ihany koa ny fampiharana ny Didim-pitondrana laharana faha-003 tamin’ny 29 Aprily 2026, izay mahakasika ny fandrindrana ny fandriampahalemana ao amin’ny Distrikan’Ankazobe.

▶Amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny Fokonolona, ny manampahefana ary ireo mpitandro filaminana, dia kendrena ny hanamafisana hatrany ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra ho tombontsoan’ny mponina ao amin’ny Distrikan’Ankazobe.

đŸ“·Vola Rasolohaga
DLCC Ankazobe

🚜ANJOZOROBE – Manomboka ny asa fanamboaran-dalana amin’ireo Kaominina 19📌Anatin’ny asa fanamboaran-dalana ireo fitaovana...
03/09/2026

🚜ANJOZOROBE – Manomboka ny asa fanamboaran-dalana amin’ireo Kaominina 19

📌Anatin’ny asa fanamboaran-dalana ireo fitaovana lehibe avy amin’ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Faritra Analamanaga any amin’ny Distrikan’Anjozorobe. Anisan’izany ireo milina lehibe toy ny ‘engins’, izay hanatanterahana ny asa amin’ireo fanamboaran-dalana ao amin’ireo kaominina 19 mandrafitra ny Distrika.

▶Mamaly ny hetahatan’ny mponina izao asa izao, izay anisan’ny olana lehibe sedrain’izy ireo ny fahasimban’ny lalana, ka misy fiantraikany mivantana amin’ny fivezivezena sy ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.

▶Ny Kaominina Andrenivohitra Anjozorobe no nisantatra ny fanatanterahana ny asa. Ity hetsika ity dia antenaina hanatsara ny fahafahan’ny mponina mivezivezy sy hampiroborobo ny fifandraisana eo amin’ireo Kaominina samihafa ao anatin’ny Distrika.

đŸ“·LOVASOA JosĂ© – DLCC Anjozorobe

02/09/2026
đŸ©žAnjozorobe: may tanteraka ny tsenan’Antanandava📌Nitrangana haintrano mahery vaika omaly Talata tao amin’ny tsenan’Antan...
02/09/2026

đŸ©žAnjozorobe: may tanteraka ny tsenan’Antanandava

📌Nitrangana haintrano mahery vaika omaly Talata tao amin’ny tsenan’Antanandava, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Marovazaha. Araka ny vaovao voaray dia may tanteraka ny tsena, ka entana maro no potika sy simba vokatry ny afo. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny antony na niandohan’ny firehetana.

▶Manoloana izao loza izao, maro amin’ireo mpivarotra sy mponina no very fananana sy fivelomana. Noho izany dia manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana sy ireo tompon’andraikitra mahefa izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy sy hanome fanampiana maika ho an’ireo traboina.

đŸ“·Lovasoa JosĂ© DLCC Anjozorobe

📌Kaominina 10 ao amin'ny Distrikan'Atsimondrano nisitraka  fampitaovana hanamboarana ireo sekoly ao aminy ,avy amin'ny f...
31/08/2026

📌Kaominina 10 ao amin'ny Distrikan'Atsimondrano nisitraka fampitaovana hanamboarana ireo sekoly ao aminy ,avy amin'ny faritra Analamanga. Niaraka tamin'izany ihany koa ny fampitaovana ny Andrimasompokonolona sy ny fanomezana ho an'ireo mpianatra mendrika tamin'ny fanadinam-panjakana farany teo.

đŸ“·Lalatiana JERCO
DLCC TanĂ  Sud

📌Totosa ny maraina teo ambany fitantanan' ny Talen' ny DRCC Analamanga  andriamatoa Andriamirija RAMANANTOANINA  ny fifa...
27/08/2026

📌Totosa ny maraina teo ambany fitantanan' ny Talen' ny DRCC Analamanga andriamatoa Andriamirija RAMANANTOANINA ny fifamindram- pahefana teo @ PRMP vaovao ho an' ny DRCC Analamanga ANDRIAMANOA Sergio Modestini sy ny PRMP teo aloha RABEJARISON Miarilala Sitraka.

📌Nitrangana doro tanety tao Andoharano, anelanelan'ny Fokontany Ambodifiakarana sy Ambohitsaratany CU ANJOZOROBE omaly f...
25/08/2026

📌Nitrangana doro tanety tao Andoharano, anelanelan'ny Fokontany Ambodifiakarana sy Ambohitsaratany CU ANJOZOROBE omaly faha 24/08/2026 atoandro ka manodidina ny 5 à 6h
ny ala may toa ny kininina sy kesika

📌Niara nisalahy namono ny afo ny fokonolona sy ny lehiben'ny Ala eto Anjozorobe ary ny ekipa Gendarmerie Anjozorobe ny Ben'ny Tanàna Anjozorobe niarahana chef Fokontany sy ny KASTI .Araka ny lalana manankery dia misy hatrany ny fanentanana ny mponina tsy handoro tanety ....ary efa eo ampanaovana fanadihadiana kosa ny manampahefana
Amin'izao fotoana izao

LOVASOA Jose

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share