04/12/2025
Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny Midi Madagasikara ny Antoko MMM, ka nanasongadina indray ny laharam-pahamehana entiny ao anatin’izao Fanavaozana izao . Anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana sy ny kolikoly, ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana, ary ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra fa ny tanora.
Nampiseho ihany koa ny Antoko MMM ny fahavononany handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoham-pirenena, ka hitondra anjara biriky mazava amin’ny famolavolana tondrozotra iraisana, eken’ny rehetra, izay hahafahan’i Madagasikara miroso amin’ny fanovana.
Rohy :
Le MMM reste optimiste quant à la refondation du régime, visant une gouvernance améliorée et une décentralisation effective...