18/07/2025
🇿🇦Today, on Nelson Mandela International Day, the Embassy of the Republic of South Africa, under the leadership of His Excellency Ambassador Khazamula CHABANE, visited the juvenile section of Antanimora Prison in commemoration of this auspicious occasion.
The Embassy was joined by Ms. BELALAHY Hanitriniaina, Secretary General of the Ministry of Justice of Madagascar 🇲🇬, as well as several senior officials from the Malagasy Penitentiary Administration, who graciously welcomed the initiative.
🕊️ This day serves as a powerful reminder of how Nelson Mandela’s compassion, humility, and unwavering courage continue to inspire the world to act with kindness, generosity, and a shared sense of humanity.
In the spirit of Ubuntu, let us strive to make every day a Mandela Day — by doing good for others and building a better world together.
__________
🇲🇬📍 Amin’ity Andro Iraisam-pirenena ho an’i Nelson Mandela ity, dia nitsidika ny sampana natokana ho an’ireo ankizy am-ponja ao amin’ny fonjan’Antanimora ny Masoivohon’i Repoblikan’i Afrika Atsimo eto Madagasikara, notarihin’ny Andriamatoa Masoivoho Khazamula Chabane, ho fanomezam-boninahitra ity fotoana manan-danja ity.
Tonga nanotrona ity hetsika ity ihany koa Ramatoa BELALAHY Hanitriniaina, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana 🇲🇬, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eto amin’ny fonja, izay nandray tamim-pahatsaram-po sy fankasitrahana izany fandraisana andraikitra izany.
🕊️ Ity andro ity dia manaitra ny fontsika hahay hanome sy hifampitsinjo, araka ny fomban’i Nelson Mandela izay feno fitiavana, fahendrena ary herim-po miavaka, ka mahatonga izao tontolo izao hifampizara hatsaram-panahy sy mahaolona.
Ao anatin’ny toe-panahin’ny Ubuntu, aoka isika hiezaka hanova ny andavanandro ho Andron’i Mandela isan’andro, amin’ny fanaovana asa tsara sy fanorenana fiarahamonina tsaratsara kokoa.