Service de la Nutrition - SNut Mada

Service de la Nutrition - SNut Mada Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Service de la Nutrition - SNut Mada, Government Organization, En face SILOP Tsaralàlana, Antananarivo.

09/03/2026
08/03/2026
💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐Amin'izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy izao . Ny sampan-draharaha...
08/03/2026

💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐
Amin'izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy izao .
Ny sampan-draharaha misahana ny fanjariantsakafo SNut/DSfa/MSANP dia faly miarahaba sy mitoraka voninkazo ho an'ny vehivavy rehetra, indrindra ho an'ireo vehivavy miandraikitra amin'ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo izay singa iray mifanampy miantoka ny zo fototrin'ny vehivavy hisitraka fitsaboana sy fikarakarana ara-pahasalamana.
💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐💐

Tanteraka tao andrenivohitr'i Vakinankaratra ny 18-19 Febroary 2026 lasa teo ny Atrikasa fanombohana ny fikarohana amin'...
24/02/2026

Tanteraka tao andrenivohitr'i Vakinankaratra ny 18-19 Febroary 2026 lasa teo ny Atrikasa fanombohana ny fikarohana amin'ny fanatanterahana ny asa fanomezana Vitamine A ireo Zaza 6-59 volana. Tanjona ny hijerena ireo fomba fanao mahomby sy ny lesoka ho hatsaraina, hanatsarana ny tondro mahakasika ny fandaharanasa fanomezana Vitamina A ireo distrika sy ireo faritra manerana ny Nosy. Ny distrikan'i Mahabo ao amin'ny faritra Menabe no nosafidiana hanatanterahana ny fikarohana ary ny distrikan'Isandra ao amin'ny faritra Matsiatra Ambony no ho distrika vavolombelona.
Nanome voninahitra ny atrikasa ny tale-paritry ny fahasalamana avy ao Matsiatra Ambony sy Vakinankaratra. Nivoitra nandritra izany ny famoahana drafitrasa hoentina manatanteraka.
Niatrika ny Atrikasa ny Ekipa SNut izay notohanan'ny mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola Helen Keller Intl.

ADY AMIN'NY NENDRAN-DRAJAKO (MPOX)RY RAY AMAN-DRENY SY  MPIKARAKARA ZAZA:Anisan’ny marefo ireo zaza vao teraka sy ny zaz...
10/02/2026

ADY AMIN'NY NENDRAN-DRAJAKO (MPOX)
RY RAY AMAN-DRENY SY MPIKARAKARA ZAZA:
Anisan’ny marefo ireo zaza vao teraka sy ny zaza madinika noho izany:
✅Arovana amin’ny fifampikasohana ny zaza.
✅Tohizana hatrany ary atao matetika ny fampinonoana ny zaza vao teraka sy ireo mbola minono.
✅Ampanaovina arovava ny zaza.
✅Sasana matetika amin’ny rano madio sy savony ny tanan’ny zaza na gel désinfectant ny tànan'ny zaza
✅Omena ireo sakafo be otrikaina toy ny Vitamina A,C,Zinc,... izay mitondra hery fiarovana ireo zaza efa misakafo.

Raha misy mampiahiahy, manatona Tobimpahasalamana avy hatrany
“Miara mientana isika ho fitandroana ny fahasalaman’ny fianakaviana.”

ADY amin'ny NENDRAN-DRAJAKO -MPOX Reny Mampinono aho: ✅Fadiako ny fifampikasohana amin’ny olona marary na ahiahiana ho m...
09/02/2026

ADY amin'ny NENDRAN-DRAJAKO -MPOX
Reny Mampinono aho:

✅Fadiako ny fifampikasohana amin’ny olona marary na ahiahiana ho mitondra ny aretina.
✅Mampiasa arovava orona ho fiarovako ny tenako sy ny zanako
✅Manasà tanana amin’ny rano madio sy savony na gel désinfectant alohan’ny handraisako ny zanako.
✅Mihinana sakafo be otrikaina toy ny Vitamina A,C,Zinc,... izay mitondra hery fiarovana.

⚠😎Raha misy mampiahiahy, manatona Tobimpahasalamana avy hatrany
“Miara mientana isika ho fitandroana ny fahasalaman’ny fianakaviana.”

ADY amin'ny NENDRAN-DRAJAKO -MPOX 🤰🤰Reny Bevohoko aho 👍 Fadiako nymifampikasoka amin'ny olona marary na ahiahiana ho mit...
04/02/2026

ADY amin'ny NENDRAN-DRAJAKO -MPOX
🤰🤰Reny Bevohoko aho
👍 Fadiako nymifampikasoka amin'ny olona marary na ahiahiana ho mitondra ny aretina.
👍 Mampiasà arovava orona ho fiarovana
👍Mihinana sakafo be otrikaina toy ny Vitamina A,C,Zinc, ...izay mitondra hery fiarovana.
👍Manasa tananamatetika amin'ny rano madio sy savony na gel de désynfectant.

⁉ Raha misy mampiahiahy, manatona Tobimpahasalamana avy hatrany
"Miara mientana isika ho fitandroana ny fahasalaman'ny fianakaviana."

30/01/2026
01/01/2026

Address

En Face SILOP Tsaralàlana
Antananarivo
101

Opening Hours

Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Service de la Nutrition - SNut Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share