SMGD - Société Municipale de Gestion Digitale

SMGD - Société Municipale de Gestion Digitale Mitantana, Mandamina sy Mandrindra ireo toeram-piantsonana manerana an'Antananarivo.

Anisan’ny vahaolana napetraky ny SMGD hanamorana ny fandoavan-tsazy ny fahafahana mandoa izany amin’ny alalan’ny Mobile ...
03/09/2026

Anisan’ny vahaolana napetraky ny SMGD hanamorana ny fandoavan-tsazy ny fahafahana mandoa izany amin’ny alalan’ny Mobile Money.
Mampihena ny fivezivezena izany, fa indrindra indrindra mampihena ny fotoana hijanonan’ny fiara amin’ny toerana tsy tokony hijanonany. Mety handany ora maro ny tompon’ny fiara raha hanatona ny biraon’ny SMGD sy hiverina haka ny fiarany. Vita ao anaty minitra vitsy anefa izany amin’ny alalan’ny Mobile Money.
Ny fandoavam-bola rehetra eto amin’ny SMGD dia ahazoana rosia mazava tsara, ka raha ho an’ny sazy naloa tamin’ny Mobile Money dia azo alaina eny amin’ny biraon’ny SMGD amin’ny fotoana rehetra ny rosia an-taratasy.
📍 Toerana : Immeuble St Aupres, Tsaralalàna – Porte 400
🕗 Ora : Alatsinainy hatramin’ny Zoma, amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva
Ho an’izay haka ny rosia dia ilaina ny manome:
• ny laharan’ny fiara ;
• ny daty nametrahana ny geja.
Afaka maka izany avokoa na ny tompon’ny fiara, na olona nirahiny rehefa manonona ny laharan’ny fiara sy ny daty nametrahana ny geja.

Taorian’ ny fidinana ifotony natao teny Ambohitrakely ny faran’ny herinandro lasa teo, dia hita ankehitriny fa voahaja n...
01/09/2026

Taorian’ ny fidinana ifotony natao teny Ambohitrakely ny faran’ny herinandro lasa teo, dia hita ankehitriny fa voahaja ny fandaminana vaovao momba ny fiantsonan’ny fiara.
Efa lafiny iray amin’ny lalana ihany sisa no ampiasaina amin’ny fiantsonana ankehitriny. Taloha mantsy, ny andaniny roa dia samy niantsonana avokoa ka nampihena ny lalana azo nivezivezena ary niteraka fitohanana matetika rehefa nisy fiara nifanena.
Isaorana ireo mponina eny an-toerana noho ny fiaraha-miasa sy ny fanajana ny fandaminana. Entanina ihany koa ireo mpitondra fiara mandalo eny an-toerana mba hanohy ny fanajàna izany fandaminana izany satria tombontsoa ho an’ny rehetra ny lalana malalaka sy ny fifamoivoizana mikoriana.

Hajao hatrany ireo takelaby rehefa mitondra fiara.Na moto na fiarakodia no entinao, dia jereo tsara ireo takelaby alohan...
27/08/2026

Hajao hatrany ireo takelaby rehefa mitondra fiara.
Na moto na fiarakodia no entinao, dia jereo tsara ireo takelaby alohan’ny hijanonana.
Izy ireny dia manondro ny lamina misy amin’ny faritra iray.

IRAY NY LALÀNA, MITOVY NY FAMPIHARANA AZYNy lalàna mifehy ny fiantsonan’ny fiara dia tsy natao hanasazy fotsiny fa natao...
25/08/2026

IRAY NY LALÀNA, MITOVY NY FAMPIHARANA AZY
Ny lalàna mifehy ny fiantsonan’ny fiara dia tsy natao hanasazy fotsiny fa natao handaminana ny fampiasana ny lalana sy hiarovana ny zon’ny olon-drehetra.
Ny fandikan-dalàna rehetra dia tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny hafa. Ny fiara iray mijanona amin’ny toerana voarara dia mety hanakana mpandeha tongotra, hanelingelina ny fifamoivoizana, hanentsina vavahady, na hanaisotra toerana tokony ho azon’ny hafa ampiasaina. Misy olom-pirenena voakasika hatrany ao ambadik’izany.
Ka noho izany: na fiaram-panjakana, na fiaran’orinasa, na fiaran’olon-tsotra, dia iray ihany ny lalàna. Natao hiarovana ny rehetra izy, ka tsy maintsy mihatra amin’ny rehetra ihany koa.

Fantatray fa tsy mora ny mahita toerana iantsonana eto an-drenivohitra.Maro ny fiara, voafetra ny toerana, ary indraindr...
19/08/2026

Fantatray fa tsy mora ny mahita toerana iantsonana eto an-drenivohitra.
Maro ny fiara, voafetra ny toerana, ary indraindray dia tena mandany fotoana mihitsy ny mitady toerana malalaka.
Tsara ny mampatsiahy fa tsy ny fiara mandalo ihany no mila toerana fa eo koa ny mponina eny an-toerana, ny toeram-pivarotana, ny orinasa, ny taxi, ny mpitatitra entana, ny moto… Indraindray aza, toerana iray ihany no mety samy ilain’ireo rehetra ireo amin’ny fotoana iray, ka hiteraka disadisa eo amin’ny samy mpampiasa làlana.
Izany indrindra no antom-pisian’ireo lamina, ary maha zava-dehibe ny fanajana azy ireny:
misy ny toerana azon’ny rehetra ampiasaina, misy ny voafandrika, ary misy kosa ny natokana ho an’ny fampidinana sy fampakarana entana fotsiny.
Vitsy ny toeram-piantsonana eto Antananarivo raha oharina amin’ny isan’ny fiara mifamezivezy, saingy miezaka lalandava ny SMGD mampifandanja ny fampiasana azy ireo, ary mandroso tolotra samihafa mifanaraka amin’ireo filan’ny mpampiasa lalana tsirairay.
Ny angatahina amintsika izay mila toeram-piantsonana dia ny hanaja ireo lamina napetraka, ho tombontsoa iombonan’ny mpampiasa làlana rehetra.

Manoloana ny horonantsary niely teto amin’ny tambazotra sosialy, dia niroso avy hatrany tamin’ny fanamarinana sy fanadih...
13/08/2026

Manoloana ny horonantsary niely teto amin’ny tambazotra sosialy, dia niroso avy hatrany tamin’ny fanamarinana sy fanadihadiana ny SMGD.
Araka ny fanadihadiana natao hatreto, dia voamarina fa tamin’ny volana Febroary 2026, teny Tsaralalàna, no nitranga ny toe-javatra hita ao anatin’ilay horonantsary.

Ny sary hita ao dia mampiseho fifampiresahana teo amin’ireo ASVP roa sy ny mpamily iray. Tsy ahitana porofo mazava anefa ao anatin’ilay horonantsary ahafahana manamarina fa nisy fifanolorana vola teo amin’ny roa tonta.

Mbola mitohy noho izany ny fanadihadiana mba hamantarana amin’ny fomba mazava ny zava-nisy marina.
Sarotiny amin’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra ny SMGD. Anisan’ny antony nametrahana ny Service Réclamations indrindra ny ahafahan’ny olom-pirenena mampita fitarainana, vaovao, na porofo mikasika ny fihetsika tsy ara-dalàna na mampiahiahy. Azo atao izany amin’ny alalan’ireto laharana ireto:
034 67 638 73
034 30 388 87
034 43 623 11
Azo atao ihany koa ny manoratra amin’ny ré[email protected], na mametraka fitarainana ao amin’ny boatin’ny fitarainana (boite à doléances) ety amin’ny biraon’ny SMGD.
Hamafisinay hatrany fa, ankoatra ireo Agent Kiosque voatendry eny amin’ny Horodateur, dia tsy misy mpiasan’ny SMGD mahazo mandray vola mivantana amin’ny mpampiasa lalana eny an-kianja.
Ny fandoavam-bola ara-dalàna momba ny fiantsonana dia atao amin’ny alalan’ny Horodateur, Mobile Money, na ety amin’ny “caisse” ofisialin’ny SMGD.

Koa entanina ny rehetra tsy hanolotra vola amin’ny mpiasa eny an-kianja, ary hampandre avy hatrany ny SMGD raha misy fangatahana na fihetsika mampiahiahy.
Ny fiarahan’ny rehetra mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly no ahafahana mandresy izany.

Sahia manao TSIA.

Ireo mpiara-miasa manao fanamiana irery ihany no misolo tena ny SMGD eny an-kianja. Samy manana ny andraikiny izy ireo, ...
11/08/2026

Ireo mpiara-miasa manao fanamiana irery ihany no misolo tena ny SMGD eny an-kianja. Samy manana ny andraikiny izy ireo, araka ny sary hita etsy ambany.
Ankoatra ny « agent kiosque » miasa eny anivon'ny Horodateur, dia tsy misy mpiasan’ny SMGD hafa mahazo mandray vola eny an-kianja, na inona na inona antony.

Ireto misy fahazarana tsara hananana rehefa avy niantsona ka handao ny fiara :✔  Manamarina fa hita maso tsara ny ticket...
07/08/2026

Ireto misy fahazarana tsara hananana rehefa avy niantsona ka handao ny fiara :
✔ Manamarina fa hita maso tsara ny ticket
✔ Manamarina ny ora farany ahafahana miantsona.
✔ Manamarina fa tafiditra tsara ao anaty soritra ny fiara
Fahazarana tsotra, nefa manala ny ahiahy.

Ny geja (na taquet) dia fitaovana entina hampiharana ny lalàna manan-kery. Rehefa voahaja ny fitsipika mifehy ny fiantso...
05/08/2026

Ny geja (na taquet) dia fitaovana entina hampiharana ny lalàna manan-kery. Rehefa voahaja ny fitsipika mifehy ny fiantsonana, dia tsy misy antony hangiazana ny fiara

Mipetraka eto an-drenivohitra ve ianao?Manana fiara nefa tsy manana garage? Sahirana ve ianao mitady parking rehefa mody...
31/07/2026

Mipetraka eto an-drenivohitra ve ianao?
Manana fiara nefa tsy manana garage?
Sahirana ve ianao mitady parking rehefa mody?
Natao hanala fahasahiranana anao ny ABO-RIVERAIN eto amin'ny SMGD.
Ahafahanao mamandrika toerana manakaiky ny fonenanao mandritry ny erintaona.
Tolotra manankery manerana ireo boriborintany 6 eto Antananarivo.

Address

Immeuble Street Aupres Tsaralalàna
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261349878812

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SMGD - Société Municipale de Gestion Digitale posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to SMGD - Société Municipale de Gestion Digitale:

Shortcuts

Share

Category