03/06/2026
🇲🇬🤝🇩🇪 𝗡𝗶𝗮𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘃𝗼 𝗿𝗼𝗮 𝗵𝗲𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗲𝗺𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗶𝘁𝘀𝗶𝗱𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻'𝗶𝘀𝗮
𝐍𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐎𝐥𝐢𝐯𝐢𝐞𝐫 𝐊𝐧𝐨𝐞𝐫𝐢𝐜𝐡, 𝐌𝐚𝐬𝐨𝐢𝐯𝐨𝐡𝐨𝐧’𝐢 𝐀𝐥𝐞𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚, 𝐭𝐚𝐨 𝐓𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐳𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐬𝐚-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐋𝐢𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐋𝐀𝐇𝐘, 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐀𝐥𝐞𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚, 𝐢𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐳𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚.
Nandritra ny fihaonana dia noresahina
🟢 ny tokony hanaovana hetsika tahaky ny Gasy K’Art Manja ho fampahafantarana bebe kokoa an’i Madagasikara any Alemaina,
🔵 ny fanatsarana ny fifandraisana an’habakabaka eo amin’ny firenena roa tonta mba hisarihana mpizahatany alemanina betsaka,
🟡 ary ny fanokafana tsena vaovao ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy.
➡️➡️ Anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fiofanana manokana.
👤 Nambaran’Andriamatoa Knoerich fa manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐝𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐬𝐨𝐢𝐯𝐨𝐡𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐞𝐦𝐚𝐢𝐧𝐚, 𝐭𝐚𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝟏𝟓 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐧𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.
🇩🇪 🙏 𝗡𝗮𝗻𝗲𝗵𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝘀𝗮𝗼𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗶𝘇𝘆 𝗻𝗼𝗵𝗼 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗵𝗲𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗱𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.