15/09/2020
Talata 15 septambra 2020 (fiainana tsara ho anao)
-
IZY DIA MIARAKA AMINAO SY AO ANATINAO
-
Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo (Jaona 14:16-17).
-
Ireo teny mampahery sy mampiakatra fanahy eto ambony ireto dia notenenin’i Jesosy alohan’ny fiakarany. Fantany fa halahelo Azy ireto mpianany, koa dia niteny Izy hoe “Aza taitaitra! Izaho ho any amin’ny Ray, ary hangataka Aminy Aho handefa ho anareo ny Fanahy Masina (mpampahery hafa). Rehefa tonga Izy, dia hitoetra ao anatin’ny fonareo ary tsy mila mitady Ahy intsony ianareo na hahatsapa fahabangana. Raha tokony hoe mandeha eny an-dalana miaraka aminareo Aho dia lasa handeha eny an-dalana avy ao anatinareo Aho”. Voninahitra ho an’Andriamanitra!
Nahatanteraka ny teny fikasany Jesosy ary nalefan’ny Ray ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta. Ny Asan’ny Apostoly 2:1-4 dia manambara: “Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy….” Izao ianao nateraka indray tsy mila mitady an’i Jesosy intsony; tsy mila mitaraina hoe: “Tompo o, aiza Ianao?”
Ao anatinao Izy izao! Ny dikan’izany, ny fanatrehan’Andriamanitra dia ao am-ponao!
Tsy fantatro ny fijerinao an’Andriamanitra sy ny kristianisma hatramin’izay ka hatramin’izao. Fa fantaro izao, raha nandray ny Fanahy Masina ianao dia manana an’Andriamanitra ao anatinao. Tsy mahagaga i Jaona niteny hoe: “Anaka, hianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy “ireo fahavalonareo” satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amain’izao tontolo izao” (1 Jaona 4:4). Haleloia!
Tsy miankina amin’izay mety atrehinao eo amin’ny fiainanao, fa misy zavatra voaboraka vaovao dia ilay famborahana ny fahamasinana ao anatinao! Paoly niantso an’izany hoe ilay zava-miafina izay nafenina tamin’ny taranaka taloha, fa izao kosa nasehon’Andriamanitra ho an’ireo olona masina dia “Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra” (Kolosiana 1:26-27).
Tsy nahafantatra an’izany I Adama. I Abrahama tsy nahafantatra an’izany. Isaka tsy nahafantatra an’izany. Tsy nisy tamin’ireo razana tany aloha nahafantatra io zava-miafina io. Mbola lehibe noho ny hoe “Imanoela” (Andriamanitra eto amintsika) izany; fa ity dia ny Lanitra ao anatinao! Ny fahafenoan’ny maha Andriamanitra dia mitoetra feno ao aminao ary miseho amin’ny alalanao! Deraina mandrakizay anie Andriamanitra!
-
VAVAKA (avereno amin'ny vavanao):
-
Ray Malala, misaotra ny amin’ny haja lehibe sy ny fitahiana amin’ny fananana an’i Kristy velona ato amiko amin’ny alalan’ny Fanahiny. Noho ny fahatsaran’ny fitoerany sy ny fanatrehany mitoetra, izaho dia vonto amin’ny angovo avy any an-danitra sy amin’ny fahendrena “supernaturel” hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hiaina am-pandresena ambonin’ireo fitaovana avy amin’ilay ratsy sy ireo fisintonana ratsy an’izao tontolo izao. Haleloia!