DGSF Tany, lovan'ny taranaka, tsy laroina kolikoly

17/08/2026
Le 13 août 2026, la Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) a reçu des représentants de l'Université Paysanne de...
15/08/2026

Le 13 août 2026, la Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) a reçu des représentants de l'Université Paysanne de Formagri d'Antsirabe, à Anosy, Antananarivo.
L'objectif était de faire des échanges sur les problèmes actuels concernant le foncier à Madagascar.

Les participants ont pu parler directement avec le Directeur Général, de plusieurs sujets importants pour eux. Ils ont soulevé des questions sur les boky rovitra, la manière dont les indemnisations sont gérées et payées lors des expropriations, les terrains coloniaux avec le nouveau texte, les cadastres inachevés, la gestion foncière décentralisée et les problématiques liées au fonctionnement des Guichets Fonciers et des Certificats Fonciers, et le besoin de mieux expliquer les lois et les procédures foncières à la population et aux usagers.

Ils ont aussi abordé le problème d’accès à la terre, particulièrement près des zones et aires protégées, et comment cela affecte les riverains . Ils ont parlé du coût des services fonciers et de l'urgence d'accélérer la délivrance de certificats fonciers à grande échelle ou l'opération de Certification Foncière Massive (OCFM).

Maintenir les Guichets Fonciers fonctionnels sur le long terme constitue un point important car ils manquent souvent de financement une fois que les partenaires financiers se retirent.

La DGSF a aussi expliqué la politique de l'Etat et du Ministère de l'Aménagement du Territoire et des Services Fonciers (MATSF) y compris l'Opération Domaniale Concertée (ODOC) ou TITRA FAOBE, qui simplifie et accélère l'obtention massive de titre foncier.

Ces échanges ont permis à la DGSF de partager sa vision et les actions de l'Etat concernant la politique foncière, tout en écoutant les préoccupations des représentants paysans.

Une meilleure compréhension des questions foncières, un accès plus facile aux services et une proximité avec les citoyens sont considérés comme essentiels pour le développement rural et agricole à Madagascar.

FANAMAFISANA NY FIAROVANA NY ZO FANANANTANY AO MENABE SY MELAKY Atrikasa fanangonana angon-drakitra sy famitana ireo asa...
15/08/2026

FANAMAFISANA NY FIAROVANA NY ZO FANANANTANY AO MENABE SY MELAKY
Atrikasa fanangonana angon-drakitra sy famitana ireo asa Karatany
Morondava | 29 Jolay – 12 Aogositra 2026
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy tao Morondava ny 12 Aogositra 2026 ny atrikasa fanangonana angon-drakitra fanampiny sy fanamarinana ireo antontan-taratasy, ary famitana ireo asa Karatany tao amin’ireo Kaominina miisa 16 ao Menabe sy Melaky, ka ny ny Prefe ao amin’ny Faritra Menabe no nitarika izany, ary notronon’ny Lehiben’ny Faripiadidian’ny Fananantany sy ny Fizakantany Morondava

Notanterahina tao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany sy ny Tetikasa AD2M-II izao hetsika izao, niaraka tamin’ireo teknisiana avy amin’ny Foibe (DSFD), ny Faritra Menabe sy Melaky.
Tanjona lehibe: hanana angon-drakitra momba ny tany feno sy voamarina, ho fototry ny fitantanana mahomby sy ny fanamafisana ny fiarovana ny zo fananan-tany.
Nifantoka tamin’ny:
✅Fanangonana ireo angon-drakitra mbola tsy tafiditra ao amin’ny Banky Angona ;
✅ Fanatsarana sy fampifanarahana ny kalitaon’ny angon-drakitra avy amin’ireo Birao Ifoton’ny Fananantany sy Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany ;
✅ Fanadiovana (apurement) sy fanamarinana ireo antontan-taratasy, ilaina @ famoahana ireo Karatany ; indrindra ireo kaominina tohanan’ny AD2M-II.
Nisy:
✅ Fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo angon-drakitra amin’ny endrika SQL ho an’ny Birao Manokanan’ny Fandrefesantany Melaky (Bureau Spécialisé Topographique) sy ny Lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Fandrefesantany Morondava ; Nomena milina fanontam-pirinty (imprimante) ihany koa ny Birao Manokana misahana ny Fandrefesantany ao Melaky, ho fanamafisana ny fitaovana ampiasaina amin’ny asa.

✅Misy ihany koa fanaterana ireo antontan-taratasy momba ny tany ho an’ireo Kaominina miisa 16 dia: Ankilizato, Miandrivazo, Manja, Beharona, Ankiliabo, Ankotrofotsy, Isalo, Beronono, Ambatolahy, Manambina, Andranomainty, Malaimbandy, Antsalova, Marohazo, Bemarivo Ankirirondro ary Betanatanana.
Tsy fanangonana angon-drakitra fotsiny izao asa izao, fa dingana lehibe amin’ny fananganana tahirin-kevitra azo antoka sy voalamina, hanatsarana ny fitantanana ny tany sy hanamora ny tolotra omena ny olom-pirenena.

13/08/2026
MItohy ny fanatsarana ny fomba fiasa mikasika ny Fananantany sy ny Fandrefesantany eo anivony MATSF Fampiofanana mikasik...
12/08/2026

MItohy ny fanatsarana ny fomba fiasa mikasika ny Fananantany sy ny Fandrefesantany eo anivony MATSF

Fampiofanana mikasika ny FANOVANA NY KARATANY HO TITRA- 11Aogositra 2026

Fandrindrana sy ny fampitoviana ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahina ireo Paik'ady famadihana ny Karatany (Certificat Foncier) ho Titra (Titre Foncier) eny anivony Birao Ifotony Fananantany sy ireo Sampandraharahan'ny Fandrefesantany, ireo Géomètres Experts ary ny Sampandraharahan'ny Fananantany dia novokariny DGSF ny « Manuel de procédure » mikasika ny famadihana ny Karatany ho Titra.

Tanteraka anio 11 Aogositra 2026, ny fiofanana natokana ho an’ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny Fananantany.
Ity fiofanana ity dia mikendry indrindra ny :
✅ Hampitovy ny fomba fiasa sy ny dingana arahina amin’ny fanovana Karatany ho Titra, araka ny lalàna sy didy aman-dalàna manan-kery ;
✅ Hampahafantatra sy hampiharana amin’ny fomba mirindra ny Torolalana ara-teknika sy ny Boky torolalana azo ampiharina momba izany ;
✅ Hanamafy ny fahaiza-manao sy ny fahatakarana iombonana eo amin’ireo mpisehatra ;
✅ Hanohana ny fanatanterahana ireo asa fanamarinana sy fanomezana antontan-taratasy amin’ny ambaratonga maro (hetsika faobe) izay efa mandeha amin’izao fotoana izao.

Fampitoviana ny fomba fiasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao. Fiarovana ny zo fananan-tany.
Fifamenoan'ny fiaraha miasan'ny BIF sy ny Sampandraharahan'ny Fananantany sy ny Fandrefesantany

"Azo hatao ny mamadika ny Karatany Ho Titra araky ny Didy aman-dalana manakery"

MATSF
DGSF
DSFD
DST
DDPF
DOE
OGEM
BIF

TOPOMANAGER : DINGANA VAOVAO HO AMIN’NY FANANANTANY NOMERIKA!Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fanajar...
11/08/2026

TOPOMANAGER : DINGANA VAOVAO HO AMIN’NY FANANANTANY NOMERIKA!
Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany, sy ny Projet Régional de Résilience Climatique (PRRC), izay mikendry ny fiarovana sy fanamafisana ny zo amin’ny fananan-tany amin’ireo toerana iasan’ny tetikasa HAVELO MANDRARE, dia notanterahina ny Alatsinainy 10 Aogositra 2026 ny fampahafantarana ara-teknika ny rindranasa TOPOMANAGER.
TOPOMANAGER : fitaovana nomerika natao hanamorana sy hanatsarana ny asa Fananantany sy Fandrefesantany.
Vita tanteraka ankehitriny ny famolavolana ity rindranasa ity, izay tsy natao hanohanana ny tetikasa HAVELO MANDRARE ihany, fa natao ihany koa ho fitaovana maharitra sy stratejika hanohanana ireo asa goavana amin’ny fiarovana sy fanamarinana ny zo amin’ny fananan-tany izay hotanterahina eo anivon’ny DGSF amin’ny ho avy.
Anisan’ny mampiavaka ny TOPOMANAGER ny fahafahany mifandray amin’ireo rindranasa efa ampiasain’ny DGSF, toy ny :
📌 FIPLOF – ampiasaina amin’ny Hetsika Karatany Faobe (OCFM);
📌 GéODOC – ampiasaina amin’ny Hetsika Titra Faobe (ODOC) ;
📌 LISOM – fitantanana ny tahiry momba ireo fananana efa vita immatriculation.
Izany fifandraisan’ireo rafitra izany dia ahafahana mampiditra sy mampifandray amin’ny fomba milamina sy azo antoka ireo angon-drakitra Fananantany sy Fandrefesantany angonina eny ifotony, ka manampy amin’ny :
✅ fanatsarana ny kalitaon’ny angon-drakitra ;
✅ fanamafisana ny fahatokisana sy ny fahamarinan’ny vaovao ;
✅ fanangonana sy fametrahana ireo angon-drakitra amin’ny toerana iray ;
✅ fitahirizana maharitra ny angon-drakitra fananantany ;
✅ ary indrindra, fanomanana ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny Système d’Information Foncière (SIF) amin’ny ho avy.
Nandritra ity fampahafantarana ara-teknika ity dia nojerena ihany koa ireo asa vitan’ilay rindranasa TOPOMANAGER, ny “architecture d’interconnexion”-ny amin’ireo fitaovana hafa, ireo fanatsarana mbola azo atao, ary ireo vinavina amin’ny fampielezana sy fampiasana azy eny anivon’ireo Sampan-draharahan’ny Fananantany.
TOPOMANAGER dia tsy rindranasa fotsiny.
Izy dia fampiasam-bola stratejika ho amin’ny fanavaozana, ny nomerizasiona ary ny fanamafisana ny fahombiazan’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany.
Anisan’ny fanavaozana eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy nyraharahan-tany ity hetsika ity.
Angon-drakitra azo antoka - Teknolojia ho an’ny hoavin’ny Raharahan-tany

FIFANAKALOZAN-KEVITRA : NY VEHIVAVY AMBANIVOHITRA SY NY ZO AMIN'NY FANANAN-TANYAnisan'ny tanjona ny hanamafisana ny fiar...
07/08/2026

FIFANAKALOZAN-KEVITRA : NY VEHIVAVY AMBANIVOHITRA SY NY ZO AMIN'NY FANANAN-TANY
Anisan'ny tanjona ny hanamafisana ny fiarovana ny zon'ny vehivavy amin'ny fananan-tany, satria izany no fototra ahafahany mampiasa sy mitantana ny tany am-paharetana, mampitombo ny famokarana ary mandray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana maharitra.
Mandritra ity fihaonambe ity dia handray anjara amin'ny adihevitra (panel) ny Direction Générale des Services Fonciers (DGSF), hizara ny traikefa sy ny politika ary ny ezaka ataon'ny sehatry ny Raharahan-tany amin'ny fanamafisana ny fahazoan'ny vehivavy ny zo amin'ny tany sy ny fanatsarana ny fitantanana ny Fananantany eto Madagasikara.

📌 𝐂𝐎𝐍𝐅𝐄𝐑𝐄𝐍𝐂𝐄 – 𝐄𝐂𝐇𝐀𝐍𝐆𝐄𝐒 : Femmes rurales sur l’accès aux droits fonciers, gestion durable des terres, accès aux ressources et à la représentation.

🔸 Dans le cadre de la lutte contre la désertification, une 𝐜𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞-𝐞́𝐜𝐡𝐚𝐧𝐠𝐞 sera organisée, portant sur l'accès des femmes rurales aux droits fonciers, à la gestion durable des terres, à l'accès aux ressources et à la représentation dans les instances de décision.

🔸 À travers son 𝐏𝐥𝐚𝐧 𝐝'𝐀𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐆𝐞𝐧𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟏𝟕, la 𝐂𝐨𝐧𝐯𝐞𝐧𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐞𝐬 sur la 𝐥𝐮𝐭𝐭𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐚 𝐝𝐞́𝐬𝐞𝐫𝐭𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐔𝐍𝐂𝐂𝐃 place l'égalité des genres au cœur de deux priorités majeures : renforcer la résilience à la sécheresse et atteindre la neutralité en matière de dégradation des terres. Ce plan vise notamment à élargir l'accès des femmes rurales aux ressources, en leur ouvrant des opportunités qui leur faisaient jusque-là défaut.

🔸 Cette 𝐜𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞-𝐞́𝐜𝐡𝐚𝐧𝐠𝐞 sera appuyée par le 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐖𝐨𝐦𝐞𝐧'𝐬 𝐄𝐦𝐩𝐨𝐰𝐞𝐫𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐟𝐨𝐫 𝐑𝐞𝐬𝐢𝐥𝐢𝐞𝐧𝐭 𝐑𝐮𝐫𝐚𝐥 𝐀𝐫𝐞𝐚𝐬 (𝐖𝐄𝟒𝐑) , porté par la GIZ Madagaskar dans le cadre du 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐏𝐀𝐃𝐃𝐈, en collaboration avec :

• le Ministère de l'Environnement et du Développement Durable et MSIS Multi-Sector Information Service

🔷 Et avec la participation des organisations suivantes : 𝐒𝐈𝐅, 𝐅𝐀𝐑𝐌, TAFO MIHAAVO, 𝐅𝐄𝐊𝐑𝐈𝐓𝐀𝐌𝐀, 𝐅𝐕𝐓𝐌, 𝐃𝐑𝐕, 𝐓𝐑𝐀𝐍𝐎𝐁𝐄𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀, 𝐒𝐈𝐌𝐈𝐑𝐀𝐋𝐄𝐍𝐓𝐀, 𝐅𝐓𝐌/𝐂𝐏𝐌 et 𝐑𝐄𝐒𝐄𝐀𝐔𝐗 𝐒𝐎𝐀.

📆 𝐌𝐚𝐫𝐝𝐢 𝟏𝟏 𝐚𝐨𝐮𝐭 𝟐𝟎𝟐𝟔
⏱️ Heure : 𝟗𝐇 𝟑𝟎
⚠️ Inscription : avant 𝟏𝟎 𝐀𝐨𝐮̂𝐭 https://forms.gle/rLHv89vcMzwyg4Jx6

05/08/2026

𝐅𝐀𝐌𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐎𝐇𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐄𝐒𝐀𝐍𝐀

Rehefa maty ny tompona tany dia miditra amin’ny antsoina hoe fandovana na (mutation par décès) ireo taranany mpandova.

𝙄𝒓𝙚𝒐 𝒊𝙡𝒂𝙞𝒏𝙖 𝙧𝒆𝙝𝒆𝙛𝒂 𝒉𝙖𝒏𝙖𝒐 𝒇𝙖𝒏𝙙𝒐𝙫𝒂𝙣𝒂 :

👉🏻Taratasy fanamarinana ny fahafatesana (acte de décès) izay alaina any amin’ny Kaominina.

👉🏻Taratasy maha-mpandova (acte de notoriété) : manana endrika araky ny lalàna, atao any amin’ny notaire na délégué d’arrondissement.

👉🏻 Rehefa azo ireo taratasy 𝒓𝒐𝒂 ireo dia manao ny « 𝑑𝑒́𝑐𝑙𝑎𝑟𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑒 𝑠𝑢𝑐𝑐𝑒𝑠𝑠𝑖𝑜𝑛 » any amin’ny ivon-ketra (centre fiscal). Ireo no manao ny kajy miohatra amin'ny vidin’ny tany ary misy vola haloa any, ka mahazo ny « 𝑐𝑒𝑟𝑡𝑖𝑓𝑖𝑐𝑎𝑡 𝑑𝑒 𝑝𝑎𝑦𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡 ». Entina any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany io antontan-taratasy io avy eo.

👉🏻 Manao ny taratasy fangatahana (réquisition) any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

👉🏻 Mameno ny taratasy fanekena (lettre d’engagement) izay manamarina fa manaraka ny lalàna ny dingana rehetra natao ary tsy misy hosoka.
☝🏻 Efa misy modely omen’ny Sampandraharaha, fenoina, soniavina ary hamarinina izany (légalisation des signatures).

👉🏻 Dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena.
☝🏻 Mety misy taratasy hafa angatahin’ny « 𝑐𝑜𝑛𝑠𝑒𝑟𝑣𝑎𝑡𝑒𝑢𝑟», arakarakin’ny zava-misy.

👉🏻 Entina hatrany ny bokitany titre (duplicata du titre) izay hanaovana ny famindrana.

𝙍𝒆𝙝𝒆𝙛𝒂 𝒗𝙤𝒏𝙤𝒏𝙖 𝙞𝒓𝙚𝒐 𝒂𝙣𝒕𝙤𝒏𝙩𝒂-𝒕𝙖𝒓𝙖𝒕𝙖𝒔𝙮 𝙞𝒓𝙚𝒐 𝒅𝙞𝒂 𝒊𝙣𝒐𝙣𝒂 𝒏𝙮 𝙙𝒊𝙣𝒈𝙖𝒏𝙖 𝙢𝒂𝙣𝒂𝙧𝒂𝙠𝒂 ?

👉🏻 Miroso amin’ny famindrana ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

☝🏻 Marihina fa ny famindrana dia tsy voatery ho olona iray fa mety ho maromaro, ary azo atao miaraka izany. Satria indraindray betsaka ny tompon’ny tany izay efa maty, izay vao tapa-kevitra hiroso amin’ny famindrana ny mpandova.

🅵🅰🅽🅰🅼🅰🆁🅸🅷🅰🅽🅰

*️⃣ Ny famindrana noho ny lova dia tsy maintsy atao anatin’ny 𝒆𝒏𝒊𝒎-𝒃𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 aorian’ny fahavitan'ny taratasy fanamarinana ny fahafatesana.

*️⃣ Raha mihoatra io fe-potoana io dia iharan’ny sazy noho ny fahatarana ny voakasik’izany (pénalité de re**rd d’inscription).

*️⃣10% 𝘪𝑠𝘢𝑚-𝑏𝘰𝑙𝘢𝑛𝘢, 𝑘𝘢𝑗𝘪𝑎𝘯𝑎 𝑎𝘮𝑖𝘯’𝘯𝑦 𝑣𝘰𝑙𝘢 𝘵𝑜𝘬𝑜𝘯𝑦 ℎ𝘢𝑙𝘰𝑎 𝑛𝘺 𝘴𝑎𝘻𝑦.

☝🏻 Na izany aza, ny fitambaran’ny sazy dia tsy mihoatra ny 100%, izany hoe rehefa mahatratra 10 volana ny fahatarana dia mijanona eo amin’ny 100% ny sazy.

👉🏻 𝘕𝑜𝘩𝑜 𝑖𝘻𝑎𝘯𝑦 𝑟𝘦ℎ𝘦𝑓𝘢 𝘮𝑖𝘩𝑜𝘢𝑡𝘳𝑎 𝑛𝘺 10 𝑣𝘰𝑙𝘢𝑛𝘢 𝘪𝑧𝘢𝑛𝘺 𝘯𝑦 𝑓𝘢𝑛𝘢𝑡𝘢𝑛𝘵𝑒𝘳𝑎𝘩𝑎𝘯𝑎 𝑛𝘺 𝘧𝑎𝘮𝑖𝘯𝑑𝘳𝑎𝘯𝑎 𝘥𝑖𝘢 𝘢𝑚𝘱𝑖𝘵𝑜𝘮𝑏𝘰𝑖𝘯𝑎 𝑟𝘰𝑎 ℎ𝘦𝑛𝘺 𝘯𝑦 𝑣𝘰𝑙𝘢 𝘧𝑜𝘵𝑜𝘵𝑟𝘢 𝘵𝑜𝘬𝑜𝘯𝑦 ℎ𝘢𝑙𝘰𝑎.

𝟎𝟒 𝐚𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 - 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚
04/08/2026

𝟎𝟒 𝐚𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 - 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚
𝐓𝐚𝐭𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚

Faritra Menabe | Fanomanana ny HETSIKA KARATANY FAOBE (OCFM)Mitohy hatrany ny fanomanana ny OCFM any amin'ny Faritra Men...
04/08/2026

Faritra Menabe | Fanomanana ny HETSIKA KARATANY FAOBE (OCFM)
Mitohy hatrany ny fanomanana ny OCFM any amin'ny Faritra Menabe.
🔹 Tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Befasy, dia nihaona sy nifampidinika tamin’ny Ben'ny Tanàn’ny BEFASY, ny Lehiben'ny Boriboritany, ary ny Talen’ny Sampandraharahan’ny Fananantany Ifotony (DSFD) sy ireo teknisianina ireo Sefo Fokontany sy ireo Komity mpitsirika ary ireo mponina tao Befasy
🔹 Tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Analaiva kosa, dia niara-niasa ny Ben'ny Tanàn’ny Analaiva, ny DSFD sy ireo teknisianina, ary ny Talem-paritry Menabe.
Ireo kaominina roa ireo dia mbola vao hanomboka hanao ny hetsika Karatany Faobe, ka izay indrindra no antony nisafidianan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany hidina ifotony, hanomana ny hetsika.
Tanjon'ny fihaonana: fanomanana ny fanatanterahana ny hetsika Karatany Faobe, indrindra ny fampiofanana ireo Kaomity Mpitsirika, izay manana andraikitra lehibe amin'ny fanamarinana sy fanohanana ny fizotry ny famoahana ireo Karatany.
Ny fiaraha-mientan'ny tompon'andraikitra eny ifotony sy ny sampandraharaham-panjakana dia antoky ny fahombiazan'ny asa sy ny fanamafisana ny fiarovana ny fananan-tany ho an'ny vahoaka

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261340555102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DGSF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DGSF:

Shortcuts

Share