30/03/2026
🏀🎉 VITA SOA AMAN-TSARA NY LALAO 🎉🏀
Amin-kafaliana feno sy fireharehana no ilazana fa tanteraka soa aman-tsara ny finale tamin’ilay Mini-Tournoi Inter-Quartiers Basketball 🎯
🙏 Misaotra sy mankasitraka indrindra:
Ireo ekipa rehetra nandray anjara
Ireo mpilalao izay nanome ny heriny sy ny talentany 💪
Ireo mpikarakara sy ny EKAR Md Louis Mpanjaka Soavina miaraka amin'ny Sekoly Notre Dame de Lourdes.
Ary indrindra ianareo mpanohana sy mpijery tonga maro 🙌
👏 Nahafinaritra ny lalao, naneho firaisankina, fifanajana ary fitiavana fanatanjahantena 💙
🏉🎁 ZAVA-DEHIBE NATAO ANIO KOA
Notanterahina nandritra ity hetsika ity ihany koa ny fanolorana maillots complets ho an’ny ekipa mpilalao rugby “DRESS” 👕🔥
➡️ Vaovao mahafaly:
Ankehitriny dia efa samy nahazo maillots complets avokoa ireo ekipa mpilalao rugby eto amin’ny faritry ny Kaominina Soavina 🎉
🤝 Maneho ny fanohanana sy fampandrosoana ny fanatanjahantena isan-karazany eto an-toerana izany.
🔜 Tsy mijanona eto anefa isika!
Manome toky ny fitantanana ny Kaominina fa mbola hisy indray ny tournoi vaovao, izay hokarakaraina miandalana sy mbola ho tsara kokoa hatrany 🚀
📣 Araho hatrany ny pejy hahafantarana ny vaovao rehetra!