22/05/2026
๐๐๐ง๐ญ๐ฌ๐จ๐ซ๐ข๐ค๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐๐
๐ : ๐๐จ๐ง๐จ๐ง๐ ๐ก๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐ญ๐จ๐ฆ๐๐จ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ก๐จ๐ฆ๐๐ข๐๐ณ๐๐ง๐ ๐ข๐ซ๐๐จ ๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ง๐ญ๐ฌ๐๐ก๐๐ญ๐ซ๐ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐ญ๐ข๐๐จ๐ฅ๐.
๐ป๐๐๐๐๐๐ ๐๐ 19 ๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ 21 ๐๐๐ 2026, ๐๐๐๐ ๐จ๐๐
๐๐๐๐๐๐, ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐
๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐ฐ๐ท๐ญ๐ท ๐๐ ๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐
๐๐๐๐
๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐.
Imasoanโny Foibem-pitondrana Ankapobe misahana ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola (DGBF) ny fanamafisana hatrany ny fahaiza-manaonโireo mpiara-miombonโantoka aminy rehetra eo aminโny fitantanana ny volam-panjakana. Tontosa soa aman-tsara ny fampiofanana izay nataonโny Ivotoeram-Piofanana ho anโny Fitantanam-bolam-Panjakana (IPFP) teny aminโny ยซ Garage Administratif ยป - Andraharo, ny 19 hatraminโny 21 mey teo. Niompana taminโny ยซ Fandrindrana ny Tetibola ยป ny lohahevitra taminโity fampiofanana andiany faharoa, izay natokana ho anโireo STD & EPN eny anivonโny Minisitera sy Andrim-panjakana isan-tokony ity.
Ankoatra ny fanamafisana ny fahaiza-manao, dia hanatsarana ny kalitaonโny fomba fandrindrana ny volam-panjakana araka ny tokony ho izy no tanjona. Nizara traikefa, nanazava ireo teboka lehibe tsara voafehy, narahana adihevitra sy fanazaran-tena mba hahatonga ny lohehevitra ho mora takarina na azo ampiharina avy hatrany no nitondranโireo mpampiofana matianina ny tantsoroka. Ankehitriny, vonona hiatrika ny asa mba hisianโny vokatra mahomby kokoa ireo nofanina rehetra. Tonga nisolontena ny Tale Jeneralinโny DGBF, nandritra ny famaranana omaly, i Randriambolanirina Guy Patrick, Tale misahana ny Vakoka sy ny Fananam-panjakana. Ity farany izay nanolotra mari-piofanana ho anโireo mpisitraka rehetra.
๐๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ณ๐ฐ ๐ง๐ข ๐ฉ๐ช๐ด๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ 23 ๐ซ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ 07 ๐ซ๐ฐ๐ญ๐ข๐บ ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ด๐ฐ๐ณ๐ข๐ต๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฐ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ช๐ข๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ฆ๐ญ๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ฉ๐ช๐ฐ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ยซ ๐๐น๐ฆ๐ค๐ถ๐ต๐ช๐ฐ๐ฏ ๐๐ถ๐ฅ๐จ๐ฆฬ๐ต๐ข๐ช๐ณ๐ฆ ๐ฅ๐ฆ ๐ ๐ขฬ ๐ก ยป ๐ฏ๐บ 13 ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ 17 ๐ซ๐ฐ๐ญ๐ข๐บ 2026.