Antoko Revolisionera Malagasy AReMa

Antoko Revolisionera Malagasy AReMa Pejy ofisialy ny Antoko Revolisionera Malagasy. (AREMA)

31/05/2026
🗓️📍2 MAY 2026📍AnosyCEDS,ANDIANY FAHA-21 : nisalotra ny anaran’i Amiraly Didier RATSIRAKA 🔴Tontosa io takariva io ny lano...
03/05/2026

🗓️📍2 MAY 2026
📍Anosy
CEDS,ANDIANY FAHA-21 : nisalotra ny anaran’i Amiraly Didier RATSIRAKA

🔴Tontosa io takariva io ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy sy nizarana ny mari-pahaizana "Master of Public Administration" teo anivon’ny ivon-toeram-piofanana CEDS ho an’ny andiany faha-21 izay nitondra ny anaran’ny filoha teo aloha ny Amiraly Didier Ratsiraka.
🟢Ramatoa Shelly Oukabay , "consul honoraire" n’ny Repoblika Tchèque kosa no mpiahy azy ireo.

👥Nanome voninahitra ity fotoana ity ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Médecin général Marcellin Zafitasondry izay efa niofana tao amin’ny andiany faha-7 tao amin’ny CEDS rahateo. Nanatrika io fotoana io ihany koa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Atoa Siteny Andrianasoloniaiko, ny Minisitra Misahana ny fanavaozana ,Me Hanitra Razafimanantsoa, ny lehiben’ny CENI Atoa Thierry Rakotonarivo, ny taranaky ny filoha Didier Ratsiraka ary koa ny ambasadaoron’ny Alemana miasa sy monina eto amintsika,Atoa Oliver Knoerich.

👩‍🎓Ramatoa Andrianantenaina Mialitiana Kezia kosa no « major » tamin’ity andiany Amiraly Didier Ratsiraka ity. Izy moa dia lehiben’ny sampandraharaha eto anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.

🗣️Nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenana tamin’ity androany ity ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana, ny fahamatorana, ary ny tsy fivadiham-pitokisana. Tsy tokony hatahotra tsy fahombiazana ny rehetra fa mila mahay maka lesona amin’ny zavatra rehetra mitranga.

👩‍🎓🧑‍🎓Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarana ireo mpiofana ho an’ny andiany faha-22 ary nampitana ny fanilo tamin’izy ireo. Anisan’ireo mpiofana amin’ity andiany ity ihany koa ny Tale miandraikitra ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana,Andriamatoa Rajaobelina Landry.

✅22 taona izao no nitsanganan’ny CEDS ary efa tafiakatra arivo ny mpiofana. Ny stratéjia, ny diplomasia ary ny toekarena iraisam-pirenena no lohahevitra hitondrana ireo seminera tanterahana nandritra ny fianara

10/04/2026

« Un pays qui ne transforme pas ce qu’il produit reste dépendant, même s’il est riche en ressources. » Didier Ratsiraka - OUA 1978


Nous vous donnons rendez-vous demain, 29 mars à 14h30, pour rendre hommage à sa mémoire ainsi qu’à celle de nos martyrs.
28/03/2026

Nous vous donnons rendez-vous demain, 29 mars à 14h30, pour rendre hommage à sa mémoire ainsi qu’à celle de nos martyrs.

24/03/2026

50 taona ny antoko AREMA,
Mbola mijoro, ary Mbola vonona hiatrika ny raharam-pirenena.

24/03/2026

50 taona ny antoko AREMA;
Hiatrika ny 50 taona manaraka indray.
AREMA-VAHOAKA-TANINDRAZANA

Address

II J 18 MANGARIVOTRA, FARAVOHITRA, ANTANANARIVO
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antoko Revolisionera Malagasy AReMa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share