Ministeran'ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana

Ministeran'ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana Asa sy ny Asam-Panjakana

TOLOTR'ASA HO ANAO fans
14/06/2026

TOLOTR'ASA HO ANAO
fans

๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—›๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—˜๐—™๐—” ๐—›๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก-๐—ž๐—”๐—ฅ๐—”๐— ๐—” : ๐—ฉ๐—ผ๐—ฎ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ฎฬ€๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ผ ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎNy andininy faha-115 ao aminโ€™ny...
14/06/2026

๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—›๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—˜๐—™๐—” ๐—›๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก-๐—ž๐—”๐—ฅ๐—”๐— ๐—” : ๐—ฉ๐—ผ๐—ฎ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ฎฬ€๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ผ ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ

Ny andininy faha-115 ao aminโ€™ny Lalร na laharana faha-2024-014 tamin'ny 14 Aogositra 2024 momba ny Fehezan-dalร na mifehy ny Asa no mamaritra ny andro tsy hiasana nefa handraisan-karama.

Taminโ€™ny 8 janoary 2026 dia efa navoaka taminโ€™ny alalanโ€™ny Didim-panjakana laharana faha-2026-006 ny lisitry ny andro fety ara-dalร na manan-kery eto Madagasikara ho anโ€™ny taona 2026.

Maro ny andinin-dalร na mamaritra ny fepetra manan-kery ho anโ€™ny mpiasa sy ny mpampiasa mikasika ny fanarahana ny andro tsy hiasana nefa andraisan-karama.

Sazianโ€™ny lalร na ny tsy fanajana ny zonโ€™ny mpiasa araka ny voalazanโ€™ny lalร na manan-kery.

๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐„๐‹๐€๐Š๐˜ :  ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐๐ˆ๐“๐€๐ˆ๐-๐ƒ๐€๐•๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐“๐„๐…๐Ž๐  ๐‡๐Ž๐€๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐Ÿ“Œ Dingana lehibe ho an'ny tanora ao Mai...
13/06/2026

๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐„๐‹๐€๐Š๐˜ : ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐Ž๐…๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐๐ˆ๐“๐€๐ˆ๐-๐ƒ๐€๐•๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐€๐“๐€๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐Œ๐“๐„๐…๐Ž๐ ๐‡๐Ž๐€๐โ€™๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€

๐Ÿ“Œ Dingana lehibe ho an'ny tanora ao Maintirano izao fampiofanana niompana manokana amin'ny Ilontsaina Artifisialy izao.

๐Ÿ‘ซ Olona manodidina ny telopolo eo no nisitraka atrikasa fampahafantarana sy fanofanana anio sabotsy 13 jona 2026.

โœ… Hetsika nifanomezan-tanana teo amin'ny Ministeranโ€™ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana, ireo ratsamangaika ary ny Kaominina Maintirano izy ity, mikendry indrindra ny hanamora ny fidirana amin'ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana.

โœจ "Hampitombo ny fahafahanโ€™ny tanora sy ny tsy anโ€™asa miditra aminโ€™ny sehatry ny asa ary hampiroborobo ny fandraharahana aminโ€™ny alalanโ€™ny fanomezana vaovao sy fahaiza-manao mifanaraka aminโ€™ny filร nโ€™ny tsena no tanjona," araka ny fanazavana azo.

โœ… Teknika maoderina sy fampiasana IA:

โžก๏ธ Ny nampiavaka ity atrikasa ity dia ny fampiasana ny teknolojia avo lenta. Na dia tany Maintirano aza ny fiofanana, dia taminโ€™ny alalanโ€™ny fifandraisana an-tserasera no nampitain'ireo mpampiofana avy amin'ny ONEF(Office Nationale de l'Emploi et de la Formation) sy ny DAIPJSE (Direction de l'Appui ร  l'Insertion Professionnelle des Jeunes Sans Emploi / Fitaleavana misahana ny Tantsoroka hoan'ny Tanora sy ny tsy an'asa) ny fahalalany.

๐Ÿ“Œ Ankoatra ny fampahafantarana ireo sehatra ahitana asa sy ny dingana amin'ny fananganana orinasa ao Melaky, nampidirina voalohany tao anatin'ny fandaharana ny fampiasana ny Ilontsaina Artifisialy (IA) aminโ€™ny fandrafetana CV sy ireo teknika maoderina hiatrehana ny dinidinika eo anatrehan'ny mpampiasa.
Fitaovana vaovao ary hita fa mahomby ho an'ireo tanora vonona hiatrika ny tsenan'ny asa ankehitriny izany.

"๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐’๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€: ๐๐ข๐ณ๐š๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š ๐ก๐จ ๐Ÿ๐š๐ง๐ญ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ฒ ๐Œ๐“๐„๐…๐จ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐Œ๐ฉ๐ข๐š๐ซ๐š-๐ฆ๐ข๐จ๐ฆ๐›๐จ๐งโ€™๐š๐ง๐ญ๐จ๐ค๐š" โœจ Nosokafana omaly 12...
13/06/2026

"๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐’๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€:
๐๐ข๐ณ๐š๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š ๐ก๐จ ๐Ÿ๐š๐ง๐ญ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ง๐ฒ ๐Œ๐“๐„๐…๐จ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐Œ๐ฉ๐ข๐š๐ซ๐š-๐ฆ๐ข๐จ๐ฆ๐›๐จ๐งโ€™๐š๐ง๐ญ๐จ๐ค๐š"

โœจ Nosokafana omaly 12 Jiona teo aminโ€™ny Gare Soarano ny "Forum de lโ€™Orientation et de lโ€™Employabilitรฉ" sehatra iray natokana hampifandraisana ny tanora, ny sehatry ny fanofanana ary ny tontolonโ€™ny asa.

๐Ÿญ Nampivondrona ireo mpisehatra samihafa aminโ€™ny fanabeazana, ny fampiofanana arakasa ary ny fampananana asa ny hetsika, izay mikendry ny hanamafy ny fahafahanโ€™ny tanora miditra aminโ€™ny tsenanโ€™asa sy hampiroborobo ny fampifanarahana ny fahaiza-manao amin'ny filร n'ny Orinasa.

๐Ÿ“Œ Nisolo tena ny Ministeranโ€™ny Asa, ny Fampananana asa ary ny Asam-panjakana nandritra izany ny Directeur de lโ€™Appui ร  lโ€™Insertion Professionnelle des Jeunes Sans Emploi, Ramatoa ๐‘๐€๐๐„๐‡๐€๐‘๐ˆ๐’๐Ž๐€ ๐•๐ž๐ซ๐จ๐ก๐š๐ง๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐‹๐š๐ฅ๐š๐ข๐ง๐š, izay nanasongadina ny anjara toerana lehibe sahaninโ€™ny fitarihana sy ny fanofanana aminโ€™ny fanatsarana ny fahafahanโ€™ny tanora mahazo asa maharitra.

๐Ÿ“Nohamafisiny fa isanโ€™ireo laharam-pahamehanโ€™ny ministera ny fanohanana ny fampidirana ireo tanora tsy anโ€™asa eo aminโ€™ny sehatry ny asa, aminโ€™ny alalanโ€™ny fanamafisana ny fifandraisana eo aminโ€™ny tontolonโ€™ny fampiofanana sy ny sehatra mpamokatra.

๐Ÿ‘ซ Maro ireo tanora no liana ary nanatona ireo tranoheva mba handray ny torolalana sy fampahafantarana nentinโ€™ireo mpandray anjara taminโ€™ity hetsika ity.

๐Ÿ“ Ankoatra ny fanomezana torolalana momba ny lalam-piofanana sy ny asa mantsy, dia sehatra iray ahafahanโ€™ny tanora mifandray mivantana aminโ€™ireo mpandraharaha, mpampiasa ary ivon-toeram-piofanana ihany koa ny forum.

๐Ÿ“‹ Manamafy ny ezaka amin'ny Politika Nasionaly Fampiroboroboana ny Fampananana asa sy ny fampivelarana ny loharanon-karena mifototra amin'ny maha olona ity hetsika ity, izay heverina ho andry aminโ€™ireo fototra iankinanโ€™ny Fampandrosoana maharitra sy mampiaty.

๐Ÿ“ข ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—ก๐—š๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ก๐—ž๐—œ๐—ญ๐—ฌ๐—ก๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—™๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐— ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ-p๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑ-๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฐ๐Ÿฌ๐Ÿ‘ง๐Ÿฝ๐Ÿ‘ฆ๐Ÿฝ Andro iraisa...
12/06/2026

๐Ÿ“ข ๐—™๐—”๐— ๐—ข๐—ก๐—š๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ก๐—ž๐—œ๐—ญ๐—ฌ

๐—ก๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—™๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐— ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ-p๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑ-๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฐ๐Ÿฌ

๐Ÿ‘ง๐Ÿฝ๐Ÿ‘ฆ๐Ÿฝ Andro iraisam-pirenena natokana hiadiana amin'ny fampiasana ankizy ny datin'ny 12 Jona. Ho an'i Madagasikara dia mipetraka ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny ankizy.

๐ŸŒ Nitatitra izany teo amin'ny Firenena Mikambana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, DENIS Franconio Mac, tamin'ny kabary nentiny nandritra ny Fivoriana Iraisam-pirenena momba ny Asa andiany faha-114, notanterahina tao amin'ny Lapan'ny Firenena Mikambana Genรจve Suisse, ny volana Jona 2026.

๐Ÿ“Œ ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป-๐—ธ๐—ฒ๐—ฟ๐˜† ๐Ÿญ๐Ÿฑ ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ

๐Ÿ“„ Efa natolotra teo amin'ny Komity Nasionaly miady aminโ€™ny Fampiasana Ankizy (CNLTE) ny volana Mey 2026 ny Drafitrasa Nasionaly andiany faharoa (PNA LTE II), hifehy ny famongorana ny fampiasana ankizy ho an'ny vanim-potoana 2025-2040.

๐Ÿค Vokatry ny fakan-kevitra natao teny aminโ€™ny Faritra nanomboka ny volana Oktobra 2024 ny PNA LTE II, ary nasiana fanavaozana hatrany mba hifanaraka amin'ny teo-javatra misy eto Madagasikara.

๐ŸŒ ๐—”๐—ฑ๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป-๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜†

๐Ÿ“Š Mahatratra 138 tapitrisa ireo ankizy voatery miasa maneran-tany, raha ny antotanisa navoakan'ny UNICEF ny 11 Jona 2025.

๐Ÿ“ˆ Etsy ankilany, ny fanadihadiana MICS 2018 dia namoaka fa 47 isanjaton'ireo Malagasy, 5 ka hatramin'ny 17 taona, dia voakasiky ny fampiasana ankizy.

๐Ÿ‘ฆ๐Ÿฝ๐Ÿšจ ๐—”๐—ฑ๐˜† ๐—ถ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ป๐—ด๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ธ๐—ถ๐˜‡๐˜† ! ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ๐Ÿ‘ง๐Ÿฝ

Ho anao manan-draharaha eto aminโ€™ny Minisiteranโ€™ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana!Ireto ny ๐—น๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ahafa...
12/06/2026

Ho anao manan-draharaha eto aminโ€™ny Minisiteranโ€™ny Asa, ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana!

Ireto ny ๐—น๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ahafahanao mandefa ๐—ฆ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐— ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ ๐—ฆ๐—ผ๐˜€๐—ผ๐—ป๐—ฎ raha misy ๐—™๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—”๐—›๐—”๐—ก๐—”, ๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ก๐—”๐—ก๐—”, ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—›๐—”๐—ก๐—” avy aminao mikasika ny tolotra eto amin'ny Minisitera :

๐Ÿ“ž 033 67 23 837
๐Ÿ“ž 037 39 56 392
๐Ÿ“ž 038 57 93 392

๐Ÿ“ฒ ๐—ฆ๐— ๐—ฆ ihany no andefasana ny hafatra
๐Ÿ“ฒ ๐—ฆ๐— ๐—ฆ no alefa fa TSY ANTSO

๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰๐Ÿ‘‰๐—ง๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐—ฟ๐—ถ๐˜‡๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฒ๐—น๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฒ๐—ณ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ.

12/06/2026

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministeran'ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministeran'ny Asa, ny Fampananana Asa, sy ny Asam-Panjakana:

Share