16/09/2026
MANAKARA: FOTODRAFITRASA VAOVAO, HO FANATSARANA NY FANABEAZANA ENY IFOTONY
📍Fokontany Tsarasaotra, ZAP Tataho, CISCO Manakara, DREN Fitovinany | 16 septambra 2026
✳️ Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Al Mahdi School II, fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana miisa 12 sy trano fonenana miisa 100, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny FCRA.
✅️Ireo efitrano fianarana vaovao ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fandraisana ireo mpianatra sy ny tontolo ianarany, mba hahafahan’ny ankizy misitraka fanabeazana ao anaty toerana mendrika.
✅️Nanome voninahitra ny lanonana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely ANDRIAMIHARITSOA Gervais sy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, notronin’ireo olomanankaja, manam-pahefana ary tomponandraikitra isan-tsokajiny teo an-toerana.
✅️Nisolo tena ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo Mpanolotsaina Teknika, TOVONDRAINY Ramananandro sy TOVONDRAZANE Camille, ho fanehoana ny fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana hatrany ny fanabeazana eny ifotony.
UCOM MEN/ Septambra 2026