Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa

Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa Page officielle du Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique.

Pejy ofisialin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa

31/05/2026
31/05/2026
31/05/2026
30/05/2026

📍"𝐂𝐨𝐦𝐦𝐢𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐇𝐚𝐛𝐢𝐥𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧" (𝐂𝐍𝐇) 𝐬𝐲 𝐧𝐲 "𝐂𝐨𝐦𝐦𝐢𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝'𝐀𝐜𝐜𝐫𝐞́𝐝𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧" (𝐂𝐍𝐀)

🫴 Hanantanteraka fivoriana ny "Commission Nationale d'Habilitation (CNH)" sy ny "Commission Nationale d'Accréditation" (CNA) ny faran'ny volana Jona 2026 ho avy izao. Ao anatin'ny fanomanana tanteraka ny eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa amin'izao. Entanina arak'izany ireo toeram-pampianarana ambony manana fangatahana (nouvelle demande) na fanavaozana (renouvellement) ny fahazahoan-dalana hisotraka (habilitation) na fankatoavana ny kalitaon'ny tolotra fanofanana (accréditation) hametraka ny atontan-taratasy mahakasika izany raha mbola tsy voapetraka eny amin'ny tompon'andraikitra. Entanina ireo tompon'andraikitra tsy hiandry fotoana farany fa voafetra ihany ny isan'ireo fangatahana azo dinihina mandritra ny fotoam-pivoriana.

🫴 Mampahatsiahy an'ireo mpianatra sy ny Ray aman-dReny ihany koa hanamarina fa antoka lehibe ho an'ny kalitaon'ny fanofanana sy ny lanjan'ny diplaoma ny fananan'ny toeram-pampianarana ny fahazoan-dalana hisokatra (Habilitation) sy ny fankatoavana ny kalitao (Accréditation).

www.mesupres.gov.mg

📍𝐏𝐡𝐨𝐭𝐨𝐦𝐞̀𝐭𝐫𝐞 𝐬𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐂𝐈𝐌𝐄𝐋 𝐂𝐄𝟑𝟏𝟖 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 : 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧...
29/05/2026

📍𝐏𝐡𝐨𝐭𝐨𝐦𝐞̀𝐭𝐫𝐞 𝐬𝐨𝐥𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐂𝐈𝐌𝐄𝐋 𝐂𝐄𝟑𝟏𝟖 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 : 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐭𝐫𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨

👉 Notanterahina teny amin’ny ESPA Vontovorona, ny 29 Mey 2026, ny fanokanana ny “Photomètre solaire CIMEL CE318 voalohany eto Madagasikara”. Fitaovana ampiasaina ao amin’ny lalam-piofanana Météorologie sy Hydrologie , manampy amin’ny fikarohana momba ny atmosfera, ny faminavinana ny toetrandro, ny fitaterana an’habakabaka ary ny fanaraha-maso ny tontolo iainana.

👉 Nanotrona izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

👉 Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Oniversiten’i Lille any Frantsa no nahazoana ny fitaovana, izay tafiditra ao anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena PHOTONS/AERONET. Nisy ny fampisehoana nataon’ireo mpianatra momba ireo angon-drakitra voalohany azo teto Madagasikara tamin’ity fitaovana ity. Nanentana ny mpianatra kosa ny Minisitra hikajy sy hitandro tsara izany ho an’ny taranaka manaraka.

www.mesupres.gov.mg

29/05/2026

🟥🟥 FANDAHARANA MANOKANA 🟥🟥

Fandaharana manokana iarahana amin'ny Kôlônely 𝗥𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗮𝗲𝗹, filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Alahady 31 Mey 2026 izao manomboka amin'ny 8 ora Alina.

Harahinao eto amin'ny TVM 📺 sy RNM 📻 ary ireo haino aman-jery tsy miankina hafa.

📍𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐦𝐛𝐚-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐢 𝐏𝐫 𝐏𝐚𝐭𝐫𝐢𝐜𝐢𝐚 𝐖𝐫𝐢𝐠𝐡𝐭 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐄𝐒𝐔𝐏𝐑𝐄𝐒🫴 Nitsidika ar...
29/05/2026

📍𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐦𝐛𝐚-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐥𝐚𝐫𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐢 𝐏𝐫 𝐏𝐚𝐭𝐫𝐢𝐜𝐢𝐚 𝐖𝐫𝐢𝐠𝐡𝐭 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐄𝐒𝐔𝐏𝐑𝐄𝐒

🫴 Nitsidika ara-pomba-panajana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 28 Mey 2026, Pr Patricia Wright manam-pahaizana manokana amin'ny sehatry ny primatologie sy anthropologie.

🫴 Taorian'izany dia nisy ny famelabelaran-kevitra sy fifampizarana traikefa nataony, niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny ivotoeram-pikarohana, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène. Nifantoka tamin’ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiarovana ny lémuriens ary ny biodiversité ny lohahevitra noresahina.

🫴 Zava-dehibe ho an’ny MESUPRES izao fihaonana izao noho izy manamafy ny fiaraha-miasa sy ny fampiroboroboana ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara. Marihina fa isan’ireo nanangana ny Centre ValBio sy ny Valan-javaboarin’i Ranomafana ny Pr Patricia Wright, efa nanofana mpikaroka Malagasy maro tamin’ny alalan’ny Stony Brook University ary vonona hiara-hiasa hatrany amin'ny fampandrosoana ny ivotoeram-pikarohana sy valan-javaboahary eo ambany fiahian’ny Minisitera.

www.mesupres.gov.mg

📌 𝐔𝐧𝐢𝐏𝐨𝐝 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 : 𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚𝑁𝑜𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑜𝑓𝑖𝑠𝑖𝑎...
28/05/2026

📌 𝐔𝐧𝐢𝐏𝐨𝐝 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐜𝐚𝐫 : 𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐯𝐚𝐡𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚

𝑁𝑜𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑜𝑓𝑖𝑠𝑖𝑎𝑙𝑦 𝑛𝑦 𝑈𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑦 𝐼𝑛𝑛𝑜𝑣𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑃𝑜𝑑 (𝑈𝑛𝑖𝑃𝑜𝑑) 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦 𝑒𝑡𝑜 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.

✅ Notokanan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, teny Tsimbazaza ny 28 mey 2026, ny UniPod Madagascar, sehatra iray hanohanana ny tanora sy ny fandraharahana ary hanovana ny fikarohana ho vokatra azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro.

🫴 Nambaran’ny Filoha tamin’izany fa fototra iorenan’ny fanavaozana sy laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana ny tetikasa fampandrosoana ny fampianarana ambaratonga ambony. Nomarihiny ihany koa fa efa eo am-pitadiavana fomba hanitarana izao tetikasa izao manerana an’i Madagasikara ny Fitondrana.

🫴 Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, fa tsy tokony hijanona amin’ny diplaoma sy teoria intsony ny fampianarana ambaratonga ambony fa hitondra vahaolana mivaingana ho an’ny firenena. “Sahia mamorona, sahia manavao, sahia miroso amin’ny fandraharahana”, hoy hatrany ny Minisitra raha nanao antso ho an’ireo tanora.

👉👉 Ahitana laboratoara momba ny robotika, ny faharanitan-tsaina artifisialy, ny Agrifood, ny GreenTech ary ny famindrana teknolojia ao amin’ny UniPod. Ity ivon-toerana ity dia eo ambany fiahian’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Haivao (DRI) eto amin’ny MESUPRES ary tohanan’ny PNUD amin’ny alalan’ny tetikasa panafrikanina “Timbuktoo”, miaraka amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Misy fifantenana ny tanora afaka miditra ao amin’ny UniPod.

🫴 Tanjon’ny PNUD ny hanome hery ny tanora mba hahafahan'ny tanora mandray andraikitra amin’ny alalan’ny fampivelarana ny fahaizany sy ny tetikasany, hitondra vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony ary handray anjara amin’ny fananganana toekarena misokatra kokoa, matanjaka ary miomana amin’ny ho avy, araka ny nambaran’i Dr Edward A. Christow, Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara.

✅ Nanatrika ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, mpikambana ao amin’ny Governemanta, olo-manankaja maro, solontenan’ny Oniversite, mpikaroka, mpianatra ary ireo mpandraharaha eto an-toerana sy avy any ivelany.

www.mesupres.gov.mg

Address

Rue Andriamanantena Georges Fiadanana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa:

Share