19/07/2024
Rankizy ooo, kely sisa tsy hoe mampataotra akory annn
Fa izao, fotoana hialany saina sasatra izao ka maka aina daholo amizay, tsy mila stresse intsony ny saina 🫣🫣🫣. Tsy fotoana mbola hanaovana révision be intsony izao, omeo repos ny saina mba hafahany mitady izay rehetra nampidirinareo tao anatiny nandritra izay 10 volana nianarana izay 😌😌😌
Manarak'izay, ankino amin'Andriamanitra ny momba fanadinana manontolo: fahasalamana, fitadidiana, fifantohana, fahombiazana, ny embouteillages 😂 mba ho lavorary izay rehetra hatao 🙏🙏🙏
Esory koa ny tahotra fa tsy ilaina izany raha tena nianatra ianareo, mitovy examen ihany io, mahaiza manala fanadinana 🙂🙂🙂
Esory ao an-tsaina dieny izao ny hoe sao ity no hivoka na sao tsy hotadidiko fa minoa fa hainareo io raha nianatra tena nianatra ianareo 🙈 🙈 🙈 Esory ao andoha dieny izao ny "tentative de fraude" indrandra moa ny hanao izany tanteraka, tadidio ny teny fanevantsika , ary asandrato avo ny .
Tadidio ny fanazavana ary aza mamorona valimpanontaniana tsy notakiana taminareo, fa ataovy fohy, tsotra ary mazava 🙂🙂🙂
Farany ann, courage daholo nareo rankizy dia tahin'i Tompo, Izy hanoro sy hanome fitadidiana hoanareo rehetra fa tsy mba avelany hiady irery ny zanany. Araho finoana ny asa sy vavaka izay natao 😇😇😇