10/02/2026
FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA| 10 Febroary 2026 โ 04 ora maraina
โ๏ธTaminโny 03 ora maraina teo dia tany aminโny manodidina ny 290 km atsinananโ i Toamasina no nisy ny foibenโi GEZANI. ๐Lasa rivodoza mahery izy. Niakatra ho 150 km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 210 km/ora. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 17 km/ora.
โ๏ธ Vinavinaina hiditra an-tanety ao aminโny distrikanโi Toamasina II i GEZANI anio tolakandro na ny alina, aminโny tanjaka rivodoza mahery vaika (tafiotra manodidina ny 250 km/ora).
๐จMba ho fiomanana manoloana izany dia miova toy izao ny filazana loza mikasika ny rivodoza
๐๐ Loza manambana miloko mavo : Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Antalaha, Andapa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra ;
๐๐ Fanairana miloko maintso : Melaky ary Menabe.
๐ง Ankoatra ny rivotra mafy ho entiny eo am-pidirana an-tanety, dia hitondra rotsakorana betsaka aminโireo faritra ho lalovany izy (100 hatraminโny 150 mm/24 ora). Ahiana araka izany ny tondradrano, ny fiakaranโny renirano sy ny fihotsahanโny tany.
โ๏ธโ๏ธEfa manomboka hita taratra aminโny morontsiraka afovoany atsinanana iny ny fanantonanโi GEZANI.
โโIangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelanโny Vohemar sy Mahanoro mba tsy hiandriaka satria miharatsy ny toetry ny andro. Toy izany koa ny eo anelanelanโny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina. โโ
๐ Entanina ny rehetra mba haraka ny toro-marika omenโny manam-pahefana isan-tokony.
๐ Mรฉtรฉo Madagascar
Ministรจre des Transports et de la Mรฉtรฉorologie de Madagascar