01/09/2026
📌 FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA NITONDRANA AM-BAVAKA NY FIRENENA MALAGASY TETO PARIS
Ho tohin’ny fihaonana teo amin’Andriamatoa Michel RABEMAHEFA, Ambasadaoron’i Madagasikara any Frantsa, sy ireo solontenan’ny FFKM-Frantsa, dia notanterahina ny zoma 28 aogositra 2026 tao amin’ny Église de la Rédemption, Paris, ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana natokana hitondrana am-bavaka an’i Madagasikara, Tanindrazana sy Taninjanaka iombonan’ireo zanaka am-pielezana ety ivelany.
Nandray anjara tamin’izany ny Ambasadaoro, ireo tompon’andraikitry ny Fiangonana mivondrona ao amin’ny FFKM-Frantsa ary ireo Malagasy tonga nanatrika. Tao anatin’ny firaisam-po sy firaisam-panahy amin’ny Malagasy any an-tanindrazana no nanatanterahana izany fotoam-bavaka sy fiombonana izany, manoloana ireo sedra lalovan’ny firenena, sady nahatsiarovana ireo namoy ny ainy sy ireo fianakaviana tra-pahoriana.
Nentina am-bavaka manokana ny vahoaka malagasy sy ny Tanindrazana, mba hanjakan’ny fiadanana sy ny filaminana ary ho fitahiana hatrany i Madagasikara. Nentina am-bavaka ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Michaël RANDRIANIRINA, ny Fitondrampanjakana izay tarihiny, sy ireo mpiara-miasa aminy iray manontolo.
Tao anatin’ny finoana, ny firaisankina ary ny fanantenana no nanankinan’ireo mpandray anjara tamin’Andriamanitra ny hoavin’ny firenena, sady niraisan’izy ireo vavaka ho amin’ny fihavanana sy ny firaisan-kinan’ny Malagasy.
« Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay. »
📌 CULTE ŒCUMÉNIQUE DE PRIÈRE POUR MADAGASCAR À PARIS
Dans le prolongement de la rencontre entre Son Excellence Monsieur Michel RABEMAHEFA, Ambassadeur de Madagascar en France, et les représentants du FFKM-Frantsa, un culte œcuménique spécialement consacré à Madagascar s’est tenu le vendredi 28 août 2026 à l’Église de la Rédemption à Paris.
Réunissant l’Ambassadeur, les responsables des Églises membres du FFKM-Frantsa ainsi que des membres de la communauté malagasy, ce temps de recueillement et de prière a été vécu en communion de cœur et d’esprit avec la Nation malagasy, dans le contexte des épreuves traversées par le pays et en mémoire des victimes et des familles endeuillées.
Les prières ont été élevées pour le peuple malagasy, pour la paix, la protection et la bénédiction divine de Madagascar, ainsi que pour les autorités de l’État, sous la conduite du Président de la Refondation de la République de Madagascar, Son Excellence Monsieur Michaël RANDRIANIRINA.
Dans un même élan de foi, de solidarité et d’espérance, les participants ont confié à Dieu l’avenir de la Nation et appelé à l’unité de tous les Malagasy.
« Zanahary ô, tahio ny Tanindrazanay. »