Office Régional de Nutrition Atsimo Andrefana

Office Régional de Nutrition  Atsimo Andrefana " La Nutrition, garant d'un capital humain pour un développement social et économique durable "

17/07/2026
🌍🤝 FIARAHA-MIASA HO AN’NY FAHASALAMANA SY NY TONTOLO IAINANAAo anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONN, UNICEF Madagascar...
26/05/2026

🌍🤝 FIARAHA-MIASA HO AN’NY FAHASALAMANA SY NY TONTOLO IAINANA

Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONN, UNICEF Madagascar ary ADES, dia nisy ny fizarana foyers améliorés( Fatana Mitsitsy ) miisa 1000 ho an’ireo tokantrano manana zaza 6 hatramin’ny 23 volana ao amin’ny distrika Toliara II sy Ampanihy Ouest.

📍 Fokontany 5 no nisitraka izany:
▪️ Efoetse Centre
▪️ Ambola
▪️ Ankilimivony Est
▪️ Ankilibory
▪️ Anja Belitsaka

👨‍👩‍👧‍👦 Tokantrano 1000 no voakasika mivantana, mba hanatsarana ny fomba fandrahoan-tsakafo, hiarovana ny fahasalaman’ny ankizy sy ny reny, ary hampihenana ny fahasimban’ny ala.

🌿 Taorian’izay dia nisy ny sensibilisation communautaire "fanentanana faobe teny ifotony " notanterahin’ny Comité Technique Multisectoriel (CTM) ahitany ny sehatra rehetra marolafy mandrafitra azy (DREN, DRSP, DRPS, DRPEB, DREED,DRJS, DRCC, Météo, Plateforme HINA, BNGRC, DRAE et DREAH )

🤝 Ity hetsika ity dia natao hanamafisana:
✅ ny fifandraisana eo amin’ny sakafo sy ny fiovan’ny toetr’andro
✅ ny fahalalan’ny olona momba ny sakafo sy ny fahasalamana
✅ ny fiarovana ny tontolo iainana
✅ ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro

🌱 Hetsika iombonana hanamafisana ny faharetan’ny fiarahamonina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

20/01/2026
17/12/2025
👉 Tahaka ny isan-taona, nandray anjara mavitrika amin’ny Andro Nasionalin’ny Fanjariantsakafo (JNN 2025) ny ORN Atsimo A...
13/12/2025

👉 Tahaka ny isan-taona, nandray anjara mavitrika amin’ny Andro Nasionalin’ny Fanjariantsakafo (JNN 2025) ny ORN Atsimo Andrefana, nanamafy indray ny fandraisany andraikitra mitohy amin’ny ady amin’ny tsifanjarian-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny sakafo ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina.

🌾 amin’ny alalan'ny fampiratiana sy fizarazarana dia manamafy ny fahavononany ny ORN hiara-hiasa amin’ny vahoaka ho amin’ny fanatsarana maharitra ny toe-pahasalamana ara-tsakafo.

🎂 Marihina ihany koa fa manamarika ny faha-20 taonan’ny Birao Nasionalin’ny Office
Office National de Nutrition Madagascar (ONN) ity.

🙏 Misaotra ireo mpiara-miombon’antoka, tompon’andraikitra ary ny vahoaka rehetra tamin’ny fandraisana anjara.

💪🌾

👉 Comme chaque année, l’ORN Atsimo Andrefana a participé activement aux activités de la Journée Nationale de la Nutrition (JNN 2025), réaffirmant son engagement continu dans la lutte contre la malnutrition et la promotion de la nutrition au niveau communautaire.
🌾 À travers les actions de sensibilisation et les échanges avec les acteurs locaux, l’ORN confirme sa volonté d’agir durablement aux côtés des communautes
🎂 Cette édition marque également les 20 ans de l’Office National de la Nutrition (ONN), 20 années d’engagement au service de la population.
🙏 Merci aux partenaires, autorités locales et communautés pour leur mobilisation.
💪🌾

FR : 🇫🇷🌱 FORMATION ET MISE EN PLACE DES SITES FARNE – ATSIMO ANDREFANADisttict de Betioky Sud  & District d'Ampanihy Oue...
28/11/2025

FR : 🇫🇷
🌱 FORMATION ET MISE EN PLACE DES SITES FARNE – ATSIMO ANDREFANA
Disttict de Betioky Sud & District d'Ampanihy Ouest – Oct.-Nov. 2025

📍 Communes de Montifeno et Commune de Vohitany

🎯 Objectif

Renforcer l’autonomisation des communautés à travers les activités du FARNE (Foyer d’Apprentissage et de Réhabilitation Nutritionnelle et d'Eveil ) :
✔Prise en Chrage des enfants souffrant de la malnutrition Aiue dans le Site FARNE
✔ Démonstrations culinaires nutritives basées sur les produits locaux,

✔ mise en place de jardins potagers communautaires,
✔ amélioration durable de l’alimentation des enfants.

✅ Activités réalisées

Formation des mères leaders et agents communautaires sur la gestion des FARNE

Installation des jardins potagers et des séchoirs solaires

Démonstrations culinaires et transformation de produits locaux

Mise en route des activités de réhabilitation nutritionnelle

Dépistage communautaire avec appui des CSB

Nous remercions chaleureusement notre partenaire PAM pour son soutien constant et sa confiance dans la mise en œuvre des activités FARNE.
Nos sincères remerciements vont également aux CSB et au CIRAE pour leur appui technique et leur engagement actif auprès des communautés.
Grâce à cette collaboration, les FARNE contribuent efficacement à améliorer de la nutrition des enfants dans la région Atsimo Andrefana.

MG : 🇲🇬
🌱 FANOFANANA SY FAMETRAHANA NY TOBY FARNE – ATSIMO ANDREFANA
Betioky & Ampanihy – Oktobra–Novambra 2025

📍 Kaominina Montifeno sy Vohitany

🎯 Tanjona

Manamafy ny fahaleovantena ara-tsakafon'ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny asa ao amin’ny FARNE (Foyer d’Apprentissage et de Réhabilitation Nutritionnelle et d'Eveil ) :
✔ Fandraisana an-tanana an'ireo zaza tratry ny tsifanjariantsakafo mahery vaika antonony ao anaty Toby FARNE amin'ny alalan'ny fampisakafoanana zaza ao anaty Toby .
✔ fanaovana démonstration culinaire avy amin’ny vokatra an-toerana,
✔ fametrahana zaridaina iombonana,
✔ fanatsarana maharitra ny fahaveloman’ny ankizy.

✅ Asa vita

Fanofanana ny Reny Mpitarika sy ny Mpanentana ara-pahasalamana ary ireo Manam-pahefana eo an'toerana momba ny fitantanana ny FARNE

Fametrahana ny zaridaina iombonana sy ny Fanamainana vokatra amin'ny masoandro "séchoir solaire"

Démonstration culinaire sy fanovana endrika ary fanamainana ny vokatra mba hoatao tahiry

Fanombohana ny fomba fanarenana ara-tsakafo ho an’ny ankizy

Fandrefesana sy fitiliana ny ankizy miaraka amin’ny CSB

🙏🙏Misaotra manokana ny mpiara-miombon’antoka PAM noho ny fanohanany sy ny fitokisana hatrany amin’ny fampiharana ny asa eny amin'ny Toby FARNE.
Mankasitraka ihany koa ny CSB sy ny CIRAE noho ny fanampiana ara-teknika sy ny fandraisana anjara mavitrika miaraka amin’ny fiarahamonina.
Amin’ny fiaraha-miasa toy izao, afaka manatsara ny sakafo sy ny fahasalamana ho an’ny ankizy ao Atsimo Andrefana ny Toby FARNE.

Office National de Nutrition Madagascar
AtsimoAndrefana Office Régional de Nutrition Atsimo Andrefana


: Programme Alimentaire Mondial

FR 🇫🇷✅ Renforcement de la surveillance nutritionnelle  des enfants moins de 5 ans  à AnkilizatoDu 25 au 29 août 2025, 38...
31/08/2025

FR 🇫🇷
✅ Renforcement de la surveillance nutritionnelle des enfants moins de 5 ans à Ankilizato
Du 25 au 29 août 2025, 38 Agents Communautaires issus des 19 sites de la commune d’Ankilizato (Ampanihy Ouest, Atsimo Andrefana) ont été formés à l’utilisation de CommCare, intégré au Registre Social Unique (RSU).
💻 Chaque site a été doté d’une tablette pour améliorer la collecte et la transmission en temps réel des données.
Ce projet, pilote au niveau national, marque une étape importante pour renforcer la fiabilité et l’harmonisation des informations nutritionnelles.
🙏 Un grand merci à UNICEF,aux organismes de l’État et ministères concernés (ONN, MSANP, MPS), et surtout aux acteurs communautaires au niveau des Fokontany, dont l’engagement est essentiel pour la réussite de ce projet pilote.
🔑Points forts de la formation :
• Accompagnement rapproché par les intervenants sociaux du MPS
• Participation active des acteurs communautaires,
Descente sur les sites pour mettre directement en pratique les acquis
➡️ Ensemble, avançons vers une meilleure prise en charge de la nutrition des enfants à Madagascar 🇲🇬

MG: 🇲🇬
✅ Fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny fanjariantsakafo ny zaza latsaky ny 5 taona eny ifotony ao Ankilizato
Tamin’ny 25 ka hatramin’ny 29 Aogositra 2025 dia 38 Mpanentana ara-pahasalamana eny amin'ny Fokontany avy amin’ny toerana 19 ao amin’ny Kaominina Ankilizato (Ampanihy Andrefana, Atsimo Andrefana) no nandray fiofanana momba ny fampiasana ny rindranasa CommCare, tafiditra ao amin’ny Registre Social Unique (RSU).
💻 Isaky ny fokontany dia voatokana tablette iray hanamorana ny fanangonana sy fandefasana avy hatrany ny angon-drakitra.
Ity dia tetikasa andrana (projet pilote) manerana ny firenena, natao hanatsarana ny fahamendrehan’ny angon-drakitra sy ny fitohizan’ny rafitra fanaraha-maso.
🙏 Mankasitraka ny mpamatsy vola UNICEF, ny Rafitra sy Ministera an’ny Fanjakana voakasika (ONN, MSANP, MPS), ary indrindra ireo Mpanentana ara_pahasalamana eny anivon’ny Fokontany, izay tena fototry ny fahombiazan’ity tetikasa andrana ity.
🔑 Zava-dehibe tamin’ny fiofanana :
• Fandraisana anjara mavitrika nataon’ireo mpandraharaha eny anivon’ny Fokontany,
• Fanohanana akaiky avy amin’ny Mpisehatra sosialy an’ny MPS
• Fidina ifotony teny amin'ny Toby natao mba hampiharana avy hatrany ny fianarana.
➡️ Miara-misalahy isika ho amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny ankiOffice National de Nutrition Madagascar Madagascarion Madagascar
MinisiterService de la Nutrition - SNut Mada -UNICEF Madagascar MadagascarCEF Madagascar

09/06/2025
FR : 🇫🇷Atelier du Conseil Régional de Nutrition et du Groupe Regional de suivi-evaluation – 22 mai 2025 à ToliaraLe jeud...
26/05/2025

FR : 🇫🇷
Atelier du Conseil Régional de Nutrition et du Groupe Regional de suivi-evaluation – 22 mai 2025 à Toliara

Le jeudi 22 mai 2025, la grande salle du Jardin de la Mer à Toliara a accueilli l’atelier du Groupe Régional de Suivi-Évaluation et du Conseil Régional de Nutrition (CRN) de la région Atsimo Andrefana.

Cet événement a été honoré par la présence du Secrétaire Général de la Région Atsimo Andrefana qui a présenté l’arrêté régional officialisant le CRN, un pas majeur vers une meilleure coordination des interventions en nutrition dans le Sud-Ouest. Cet arrêté marque une avancée significative dans la lutte contre la malnutrition à travers une approche multisectorielle renforcée.

L’ORN Atsimo Andrefana adresse ses sincères remerciements à tous les participants pour leur engagement, notamment les directions sectorielles œuvrant dans le domaine de la nutrition ou y étant sensibles, ainsi que les ONG présentes.

Un remerciement tout particulier à notre Partenaire Technique et Financier UNICEF , pour son soutien dans le financement de cette importante activité.

Ensemble, œuvrons pour un avenir sans malnutrition dans le Sud-Ouest de Madagascar.

MG : 🇲🇬
Atrikasa momba ny Filankevi-paritra misahana ny Fanjariantsakafo (CRN) sy ny Vondrona Regionale misahana ny Fanaraha-maso sy Fanombanana (GRSE) – 22 Mey 2025 tao Toliara

Ny alakamisy 22 mey 2025, tao amin’ny efitrano malalaky ny Jardin de la Mer tao Toliara no nanatanterahana ny atrikasa natokana ho an’ny CRN sy ny GRSE eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

Nomen-danja manokana ity hetsika ity noho ny fanatrehana sy fandraisana anjaran’ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsimo Andrefana, izay nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny didim-paritra mametraka amin’ny fomba ofisialy ny CRN. Dingana lehibe izany ho amin’ny fanatsarana ny fandrindrana ireo asa sy hetsika ifandraisan’ny sehatra maro amin’ny resaka ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto amin’ny faritra.

Manolotra fisaorana feno fankasitrahana ho an’ireo rehetra tonga sy nandray anjara amin’ny fomba mavitrika ny ORN Atsimo Andrefana, indrindra ireo sampandraharaha sy fitaleavam-panjakana miasa mivantana na ankolaka amin’ny sehatry ny sakafo ara-pahasalamana, ary koa ireo ONG rehetra tonga nanatrika.

Fisaorana manokana no atolotra ho an’ny UNICEF , mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, noho ny fanohanany amin’ny fanatontosana ity hetsika lehibe ity.

Andao hiara-hientana ho an’ny ho avy tsy misy tsy fanjarian-tsakafo eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana!

Office National de Nutrition Madagascar

.

Address

Ex Plan Et Économie Tsien
Tulear
601

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Tuesday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Wednesday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Thursday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00
Friday 07:30 - 12:00
14:30 - 18:00

Telephone

+261321111453

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Office Régional de Nutrition Atsimo Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Office Régional de Nutrition Atsimo Andrefana:

Shortcuts

Share