13/08/2026
🔥🌿 ZOMBITSE-VOHIBASIA: MIARA-MISOROKA NY AFO, MIARA-MIARO NY HARENA VOAJANAHARY🔥
11 AOGOSITRA 2026 — IBOGNA
Nisy ny fivoriana sy fifampidinihana natao tao Ibogna ny 11 Aogositra 2026, izay nifantoka tamin’ny fanentanana sy ny fandraisana andraikitra iombonana amin’ny fisorohana ny afo manodidina sy ao amin’ny Parc National Zombitse-Vohibasia, ary koa ny fametrahana ireo fepetra ilaina hiarovana sy hitantanana am-paharetana ity harena voajanahary ity.
Nandray anjara tamin’izany ny tompon’andraikitra misahana ny Parc Zombitse-Vohibasia avy ao Sakaraha, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ankazoabo, ny Lefitry ny Distrika Ankazoabo, ny Lahiben’ny COSAP, ireo fokonolona monina manodidina ny parc, ary ireo mpanana omby monina ao anatin’ny faritry ny parc.
Nanatrika ihany koa ireo Lehiben’ny Fokontany avy any Ankaboka Bara, izay ao amin’ny Kaominina Ankilivalokely, Distrika Ankazoabo, ka nandray anjara mavitrika tamin’ny fifampidinihana sy ny fametrahana ireo vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.
👉 Nandritra ny fivoriana dia nodinihina sy nifanarahana ireo fepetra hiarovana ny Parc National Zombitse-Vohibasia, indrindra ny fisorohana sy ny ady amin’ny afo, ary ny fanamafisana ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra voakasika. Ireo fifanarahana ireo dia noraketina an-tsoratra tao anatin’ny cahier des charges ary niarahan’ireo mpandray anjara natao sonia, ho mariky ny fahavononana sy ny andraikitra iombonana amin’ny fiarovana ity valan-javaboahary ity.
🌿🤝 Ny fiarovana ny valan-javaboahary dia andraikitra iombonana. Amin’ny alalan’ny fifampidinihana, ny fifanarahana ary ny fiaraha-mientana eny ifotony no hanamafisana ny fiarovana ny Parc National Zombitse-Vohibasia.
🌿
🌍
🔥🚫
🌱
🤝