Prefektioran'i Toamasina

Prefektioran'i Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Prefektioran'i Toamasina, Political organisation, Ambodimanga, Toamasina.

Vavaka ho an'ny Tanindrazana tao amin'ny Misquée Bazary-kelyTompon'andraikitra ara-panjakana maro no niatrika izany izay...
19/06/2026

Vavaka ho an'ny Tanindrazana tao amin'ny Misquée Bazary-kely
Tompon'andraikitra ara-panjakana maro no niatrika izany izay notarihin'ny leben'ny fileovan'i Toamasina

Izay tsara Fiomanana tsy ho tampohin'ny lozaSamia mivonona amin'ny fiatrehana ny rivo-doza isika
09/02/2026

Izay tsara Fiomanana tsy ho tampohin'ny loza
Samia mivonona amin'ny fiatrehana ny rivo-doza isika

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo Pre...
16/01/2026

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo Prefe, solotenam-panjakana any amin’ny Fileovana manerana ny Nosy, notarihin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray, androany, teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo.

📌Nambaran’ny Praiminisitra nandritra ity fotoana ity fa miroso amin’ny famahana ireo fitakiana fototra ataon’ny vahoaka ny fitondram-panjakana, ary nantintranteriny fa ny fitantanana mahomby ahazoana vokatra eny ifotony no sori-dalana entina manamafy sy mamerina amin’ny laoniny ny fahefam-panjakana. Ao anatin’izany no hanaovana tombana ny asan'ireo Prefe manerana ny Faritra.

Vita androany fifamindram-pahefana teo amin'ny talem-paritra teo aloha sy ny talem-paritra misahana ny Tanora sy ny fana...
14/01/2026

Vita androany fifamindram-pahefana teo amin'ny talem-paritra teo aloha sy ny talem-paritra misahana ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao aty atsinanana Andriamatoa RAMAROZATOVO Mickaël

Vita anio teto Toamasina ny fifamindram-pitantanana Miarahaba ny  Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOARIJAONA Fal...
13/01/2026

Vita anio teto Toamasina ny fifamindram-pitantanana

Miarahaba ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOARIJAONA Faly izay voatendry ho talem-paritra misahana ny filaminam-bahoaka aty atsinanana
Ary mitso-drano ny Commissaire Principal de Police RAKOTOVAO Jean Christian Talem-paritra teo aloha izay voatendry ho Talem-paritry ny filaminam-bahoaka any Alaotra Mangoro

Taorian'ny famoriana ireo Lehiben'ny fokontany rehetra eto Toamasina dia anjaran'ireo mpitantana orinasa lehibe sy mampi...
07/01/2026

Taorian'ny famoriana ireo Lehiben'ny fokontany rehetra eto Toamasina dia anjaran'ireo mpitantana orinasa lehibe sy mampiasa olona maro eto Toamasina indray no navorin'ny Tompon'andraikimpanjakana eto amin''ny faritra atsinanana izay notarihin'ny Préfet sy Lehiben'ny faritra vonjimaika ary nahitana ireo tompon'Andraikitra ara-pahasalamana aty atsinanana androany
Nifantoka tamin'ny fanentanana ny orinasa tsirairay hampiatra ireo fepetra sakana ho an'ireo mpiasa sy ny olona rehetra mivezivezy ao amin''ny orinasa no anton'izao fivoriana niarahana izao

Lafiny fahasalamana Androany zoma 2 janoary 2026 Namory ny lehiben'ny fokontany rehetra sy ny lefiny tao amin'ny lapan'n...
02/01/2026

Lafiny fahasalamana
Androany zoma 2 janoary 2026
Namory ny lehiben'ny fokontany rehetra sy ny lefiny tao amin'ny lapan'ny faritra atsinanana ny Préfet an'i Toamasina ANDRIAMANANTSOA Philbert Hervé sy ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana izay notarihin'ny talem-paritra misahana ny fahasalamana atsinana mpisolo toerana
Fivoriana nitondrana fanentanana enti-miady amin'ny tsy hidiran'ny variole du singe (Nendran-dRajako ) aty amintsika
Mbola tsy tafiditra eto Toamasina ny Mpox na ny nendran-dRajako saingy mila mailo isika eo amin'ny fiarovana mba tsy hidiran'ity valan'areti-mandoza ity eto amintsika

Famaranana ny taona 2025 Fandraisana ny taona vaovao 2026Mirary fety sambatra ho an'ny vahoakan'ny faritra atsinanana ma...
30/12/2025

Famaranana ny taona 2025
Fandraisana ny taona vaovao 2026
Mirary fety sambatra ho an'ny vahoakan'ny faritra atsinanana manontolo ny Préfet an'i Toamasina .
Misy koa ny lamina manokana hapetraka hoy izy mahakasika ny fitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian'ny fety

Préfet ANDRIAMANANTSOA Philbert Herve Namory ireo Lehiben'ny fokontany rehetra sy ny lefiny androany tolakandro tao amin...
29/12/2025

Préfet ANDRIAMANANTSOA Philbert Herve
Namory ireo Lehiben'ny fokontany rehetra sy ny lefiny androany tolakandro tao amin''ny lapan'ny Prefektiora Mangarano
Fihaonana voalohany nanomezany toromarika sy fampahafantarana ny asa sy andraikitra sahanin'ny Lehiben'ny fokontany tsirairay

Address

Ambodimanga
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Prefektioran'i Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share