DREN Atsinanana

DREN Atsinanana OLO MAHAY RAHA TSY VERY MANDEHA

Tontosa ny zoma 29 may 2026 tao amin'ny efitrano fivorian'ny DREN Atsinanana ny fampiofanana nandritran'ny roa andro iza...
02/06/2026

Tontosa ny zoma 29 may 2026 tao amin'ny efitrano fivorian'ny DREN Atsinanana ny fampiofanana nandritran'ny roa andro izay nataon'ireo lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia (DIEP) sy ireo mpanolontsaina ara-pedagojia rehetra avy amin'ny CISCO miisa fito mandrafitra ny DREN Atsinanana mahakasika ny VAE/DE na "Validation des Acquis de l'expérience pour les Directeurs d'Ecole"

▶️ Ity fiofanana ity dia natao mba hampiakarana ny lentam-pahaizana sy ny fampitomboana traikefa ho an'ireo mpiofana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny pedagojia eny anivon'ireo sekoly tsirairay.

▶️ Ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena tamin'ny alalan'ny DESIP no nikarakara ny fiofanana.

UCOM MEN/Jona 2026

Tontosa ny zoma 29 may  2026 eto amin’ny EPP Saivaza, ZAP Saivaza, ny FTVFF ho an’ny CISCO Antanambao Manampontsy. ▶️Nan...
02/06/2026

Tontosa ny zoma 29 may 2026 eto amin’ny EPP Saivaza, ZAP Saivaza, ny FTVFF ho an’ny CISCO Antanambao Manampontsy.

▶️Nanatrika izany ny Ben’ny Tananan’i Saivaza sy ny lehiben'ny sampan-draharaha rehetra.

▶️Nisy ny fankatoavana iraisana momba ny fampidirana ny FASF eny amin’ny sekoly.

UCOM MEN/ Jona 2026

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alakamisy 28 may 2026 ny kerimesy ataon'ny Sekoly FJKM eto amin'ny CISCO Antanamba...
31/05/2026

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny alakamisy 28 may 2026 ny kerimesy ataon'ny Sekoly FJKM eto amin'ny CISCO Antanambao Manampontsy.

▶️Nanatrika an'izany ny ekipan'ny CISCO sy ireo olo-manan-kaja ato an-toerana.

▶️Tanjon'ity hetsika ity ny fanohanana ny fampandrosoana ny sekoly amin'ny lafiny maro.

▶️Haharitra 03 andro izao hetsika izao.

UCOM MEN/May 2026

Notanterahina ny alahady 24 may 2026 ny "finale danse inter-jeunes" tao an-tampon-tananan'ny Toamasina I, CISCO Toamasin...
27/05/2026

Notanterahina ny alahady 24 may 2026 ny "finale danse inter-jeunes" tao an-tampon-tananan'ny Toamasina I, CISCO Toamasina I, izay mitondra ny lohateny hoe "Back to school".

▶️ Toy izao ny vokatra:
🔳Laharana voalohany: Les Rebelles ( mpianatry ny SJC no ankamaroany )
🔳Laharana faharoa: RADAMA 2
🔳Laharana fahatelo: Blast'in Dance School ( BDS).

UCOM MEN/May 2026

Natao ny sabotsy 23 may 2026 tao amin’ny Paositra Malagasy ao Mahanoro ny fandoavana ny ampahany faharoa amin’ny famatsi...
27/05/2026

Natao ny sabotsy 23 may 2026 tao amin’ny Paositra Malagasy ao Mahanoro ny fandoavana ny ampahany faharoa amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny tetikasa EAGER.

▶️Ity famatsiam-bola ity dia natokana ho an’ireo FEFFI misitraka ny tetikasa EAGER, ho fanohanana ny fampandehanana sy fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana eny anivon’ireo sekoly voakasikin’ny tetikasa.

▶️Miisa 31 ireo CEG nahazo izany famatsiam-bola izany ao amin’ny CISCO Mahanoro.

UCOM MEN/May 2026

✳️Tontosa ny talata 19 may 2026 tao amin'ny efitrano fivorian'ny DREN Atsinanana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy i...
27/05/2026

✳️Tontosa ny talata 19 may 2026 tao amin'ny efitrano fivorian'ny DREN Atsinanana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ara-informatika ho an'ny DREN Atsinanana.

▶️ Ny Talen'ny kabinetran'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena no tonga nanolotra izany niaraka tamin’ny solontenan'ny UNESCO eto Madagasikara izay sady nitondra teny fisaorana ho an'ireo mpiara-miombon'antoka angady nanànana sy vy nahitana ka nahafahana nisitraka ireto fitaovana ireto ary nanafatrafatra ny tokony ampiasana ireo fitaovana ireo amin'ny asa araky ny tokony ho izy.

▶️Solosaina miisa 42, fitaovana fanontana na "imprimante" miisa 6, "onduleur" miisa 6 ary "toner d'ancre" miisa 12 no natolotra nandritra izany ka ny CISCO Brickaville, Toamasina II sy Toamasina I ary ny biraon'ny DREN Atsinanana no hisitraka izany noho izy ireo niharan'ny fahavoazana nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Gezani.

▶️ Ankoatra ireo ezaka fanarenana natao tamin'ireo efitranon-tsekoly ahitana ivon-toeram-panadinana dia ireto fitaovana ireto no natao mba oentina hanamorana ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana.

▶️ Izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny UNESCO sy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena.

▶️ Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny solontenan'ny Lehiben’ny faritra Atsinanana, ny solontena avy amin'ny Prefektioran'ny Toamasina, ny solontena avy amin’ny UNESCO sy ny UNICEF izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Fanabeazam-pirenena, ny DIDEC Atsinanana, ireo Lehiben’ny CISCO mpisitraka ireo fitaovana ireo.

UCOM MEN/May 2026

Notontosaina ny alarobia 20 may 2026 ny lanonana fitokanana ny  tranon-tsekoly ao amin'ny EPP Androrangavola Tsienta, ZA...
26/05/2026

Notontosaina ny alarobia 20 may 2026 ny lanonana fitokanana ny tranon-tsekoly ao amin'ny EPP Androrangavola Tsienta, ZAP Marolambo II, CISCO Marolambo, izay novatsin'ny tetikasa PAEB vola.

▶️Nitarika izany ny lehiben'ny CISCO Marolambo notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana.

UCOM MEN/May 2026

22/05/2026

𝟏𝟓 È𝑴𝑬 𝑪𝑶𝑵𝑪𝑶𝑼𝑹𝑺 𝑳𝒀𝑪É𝑬𝑵 𝑫𝑬 𝑷𝑳𝑨𝑰𝑫𝑶𝑰𝑹𝑰𝑬𝑺 𝑷𝑶𝑼𝑹 𝑳𝑬𝑺 𝑫𝑹𝑶𝑰𝑻𝑺 𝑫𝑬 𝑳'𝑯𝑶𝑴𝑴𝑬 2026
👏 FÉLICITATIONS👏 VATOMANDRY

Tonga ny 21 may 2026 teto amin’ny biraon’ny CISCO Mahanoro ireo fitaovana ao anatin’ny tetikasa EAGER (Kits EVH).▶️Ireo ...
21/05/2026

Tonga ny 21 may 2026 teto amin’ny biraon’ny CISCO Mahanoro ireo fitaovana ao anatin’ny tetikasa EAGER (Kits EVH).

▶️Ireo fitaovana ireo dia miisa 83 baoritra(andiany faharoa) natao hozaraina amin’ireo ankizivavy eny anivon’ny CEG izay misitraka ny tetikasa EAGER.

▶️Tonga nanatrika sy nandray ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo ny tompon'andrikitra misahana ny toeram-pampianarana sy ny Secrétaire DIIPFAJ.

UCOM MEN/May 2026

20/05/2026

✳️✳️ Fanazavana fanampiny mikasika ny "Appel à Manifestation d’Intérêt" (AMI) Chef CISCO.

Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena Ofisialy

Address

Toamasina
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 07:30 - 12:30
14:30 - 17:30
Tuesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Wednesday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Thursday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30
Friday 07:30 - 12:30
14:00 - 17:30

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREN Atsinanana:

Share