DREDD Atsinanana

DREDD Atsinanana Direction Régionale de l'Environnement et du Développement Durable dans la Région Atsinanana de Madagascar

21/08/2026
Mirary soa Tompoko
14/08/2026

Mirary soa Tompoko

FANENTANANA HIADIANA AMIN’NY DORO TANETY TAO SERANANDAVITRA – CR ILAKA ESTNotanterahina ny 04 Aogositra 2026 tao amin’ny...
10/08/2026

FANENTANANA HIADIANA AMIN’NY DORO TANETY TAO SERANANDAVITRA – CR ILAKA EST

Notanterahina ny 04 Aogositra 2026 tao amin’ny Fokontany Seranandavitra, Kaominina Ambanivohitra Ilaka Est, ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana mahakasika ny fisorohana sy ny ady amin’ny doro tanety.

Notsindriana manokana nandritra izany ny fifehezana sy fanaraha-maso ny asa fanaovana arina, izay mety hiteraka doro tanety raha tsy manaraka ny fepetra napetraka. Hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso hentitra eny an-kianja, amin’ny fanajana ireo fepetra momba ny fanaovana arina, izay iarahan’ny VNA, Quartier Mobile ary ireo fikambanan’ny mpanao arina.

Ankoatra izany, dia notanterahina ihany koa ny fanolorana fitaovana ho an’ny VNA, ahitana:

- 📢 Megaphone ;
- 🦺 Aron’akanjo famantarana ;
- 📣 Kiririoka.

Ireo fitaovana ireo dia fanomezana avy amin’ny Tetikasa GIZ, entina hanamafisana ny fahafahan’ireo mpisehatra eny ifotony mandray andraikitra amin’ny fisorohana sy ny fiatrehana ny doro tanety.

Ny DREDD Atsinanana dia manohy manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ifotony, VNA, Quartier Mobile ary fikambanan’ny mponina, ho fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana ary ho fampihenana ny loza ateraky ny doro tanety.

Sokatra arovana miisa 12 tratra tao amin'ny Fadin-tseranan'i ToamasinaNy 03 Aogositra 2026, dia sokatra (Astrochelys rad...
05/08/2026

Sokatra arovana miisa 12 tratra tao amin'ny Fadin-tseranan'i Toamasina

Ny 03 Aogositra 2026, dia sokatra (Astrochelys radiata) miisa 12 nentin'olona niondrana tamin'ny sambo avy any Fort Dauphin hihazo an'i Toamasina no tratra sy nogiazana, vokatry ny fiaraha-miasan'ny Zandarimaria eo anivon'ny Fadin-tseranan'i Toamasina sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) Atsinanana.

Efa voatazona ireo olona voarohirohy amin'ity raharaha ity, ary hatolotra ny Fitsarana rehefa vita ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraikitra mahefa.

Ampahatsiahivina fa voararan'ny lalàna ny fihazonana, ny fitaterana ary ny fivarotana sokatra, satria isan'ireo biby arovana izy ireo, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena CITES (Convention on International Trade in Endangered Species of Wild Fauna and Flora) sy ny lalàna manan-kery eto Madagasikara.

Manentana ny olom-pirenena ny DREDD Atsinanana mba hiara-hisalahy amin'ny fiarovana ny zavamananaina sy hampandre avy hatrany ny tompon'andraikitra raha mahita tranga ahiana ho fanondranana na fivarotana biby arovana.

Mitohy ny fiaraha-miasan'ny DREDD Atsinanana sy ny Federasioninan'ny Mpanjono FMTT TROZONA amin'ny fiarovana ny tontolo ...
01/08/2026

Mitohy ny fiaraha-miasan'ny DREDD Atsinanana sy ny Federasioninan'ny Mpanjono FMTT TROZONA amin'ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.

Ny Zoma 31 Jolay 2026, dia niara-nientana ny roa tonta nanao fanentanana teny amoron-dranomasina, nanomboka teo amin'ny Hopitaly Be ka hatrany ambanin'ny Auximad. Momba ny tsy tokony hanariana fako anaty ranomasina sy eny amorontsiraka ny lohahevitra ary tombanana ho 560 eo ho eo ny mpiala sasatra sy tompon-tany nahazo fanentanana.

Ity hetsika ity dia tohin'ny fiaraha-miasa efa natomboka tamin'ny fanofanana ireo mpanjono momba ny fiarovana ny vatohara. Tanjona amin'izany ny hanamafisana ny fanabeazana sy ny fanentanana ny mponina mba hiaro ny fahadiovan'ny morontsiraka sy ny harena an-dranomasina.

Hohamafisina sy hotohizana hatrany ity fiaraha-miasa ity, satria ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny rehetra.

Zava-dehibe ny fihetsika madinika ataon'ny tsirairay

🔥 ADY AMIN’NY DORO TANETY SY NY DORO ALA – KAOMININA ANTANAMBAO MANAMPONTSY 🔥28 Jolay 2026, dia nisy ny fampiofanana sy ...
30/07/2026

🔥 ADY AMIN’NY DORO TANETY SY NY DORO ALA – KAOMININA ANTANAMBAO MANAMPONTSY 🔥

28 Jolay 2026, dia nisy ny fampiofanana sy fanentanana ireo Sefo Fokontany sy ny Lefiny eto anivon’ny Kaominina Antanambao Manampontsy, izay niarahana tamin’ny Délégué d’Arrondissement sy ireo sampan-draharaha isan-karazany.

Nandritra izany fotoana izany, dia nampahafantarin’ny ekipan’ny CEF sy nohamafisina ny fanentanana momba ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala. Nohazavaina manokana tamin’ireo mpandray anjara ny andraikitra tokony horaisina alohan’ny hisian’ny afo, mandritra ny fiparitahany ary aorian’ny fahamaizana, raha sanatria ka misy tranga miseho.

Naneho ny fahavononany handray andraikitra ireo Sefo Fokontany sy ny Lefiny, ary nanome toky fa hiara-hientana amin’ny ezaka fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny harena voajanahary.

Marihina fa mbola hisy ny fidinana ifotony hatao eny anivon’ny Fokontany tsirairay, ho fanamafisana ny fanentanana sy ny ezaka iombonana amin’ny fisorohana sy ady amin’ny doro tanety sy doro ala.

Aoka isika rehetra hiara-hientana hiaro ny tontolo iainana!
“Ny fisorohana ny afo dia andraikitsika rehetra.”




27/07/2026
🔥Drafitra prefektoraly iatrehana ny afo  Vita ny 22 jolay 2026 ny atrikasa fankatoavana ny drafitra iatrehana ny amehana...
23/07/2026

🔥Drafitra prefektoraly iatrehana ny afo

Vita ny 22 jolay 2026 ny atrikasa fankatoavana ny drafitra iatrehana ny amehana momba ny doro ala sy doro tanety manerana ny faritra Atsinanana.

Ny lehiben'ny fileovan'i Toamasina, ny sampandraharaham-panjakana maro, ny mpiara-miombon'antoka sy mpitantana faritra arovana ary ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina no nanatanteraka izany tao amin'ny espace La Marmite.

Ity drafitra ity dia natao hanamafisana ny fisorohana, ny fiomanana, ny fandrindrana ary ny fandraisana andraikitra haingana manoloana ny doro tanety sy doro ala, mba hiarovana ny ala, ny harena voajanahary, ny zavamananaina ary ny vahoaka.

Ny fankatoavana ity drafitra ity dia dingana lehibe amin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fahavononan'ny mpisehatra rehetra hiady amin'ny afo, indrindra mandritra ny vanim-potoana mampitombo ny trangan'afo.

🌱 Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny loza. Andao hiaraka hiaro ny ala sy ny tontolo iainana isika, fadio ny doro-tanety sy doro ala.




afo

🌿  Fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa Darwin Initiative tao Ampasina Tamin'ny zoma 17 Jolay 2026, dia notant...
22/07/2026

🌿 Fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa Darwin Initiative tao Ampasina

Tamin'ny zoma 17 Jolay 2026, dia notanterahina tao Ampasina, Kaominina Antetezambaro, ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "Famerenana amin'ny laoniny ny toeram-ponenana voajanahary sy fampiroboroboana ny fivelomana maharitra any Atsinanan'i Madagasikara", izay vatsian'ny Darwin Initiative ary tanterahin'ny Madagascar Fauna & Flora Group (MFG).

🤝 Nanatrika ny lanonana ireo tompon'andraikitra sy mpiara-miombon'antoka maro, ka isan'izany:
👉 Ny talen'ny DREDD Atsinanana;
👉 Ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Antetezambaro;
👉 Ny solontenan'ny Solombavambahoaka (Député) ao Toamasina II;
👉 Ny solontenan'ny Madagascar Fauna & Flora Group (MFG);
👉Ary ireo vahiny sy olona manan-kaja maro.

Nandritra ny hetsika dia nampahafantarina ny tanjona sy ireo asa hotanterahin'ny tetikasa mandritra ny telo taona, izay mikendry ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary, ny fampandrosoana ny fiveloman'ny mponina ary ny fanamafisana ny ady amin'ny fihanaky ny Radakaboka (Asian Toad).

Ho fanohanana ny asa eny ifotony dia nomena fitaovana fikojakojana toeram-pamokarana zana-kazo sy tranon-tantely ny VOI Lôvasoa Hasigna Ampasina, ho fampiroboroboana ny fiompiana tantely sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Address

Tanambao II Plle 31/11-Batiment DREDD En Face GASTRO PIZZA Bazary Kely
Toamasina
416

Opening Hours

Saturday 00:00 - 00:00
Sunday 00:00 - 00:00

Telephone

+261345071622

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREDD Atsinanana:

Shortcuts

Share