13/08/2026
TOAMASINA | Ravan’ny Polisimpirenena (Police Judiciaire) Toamasina, akaikin’ny Lycée Technique, ny tambazotra fikambanan-jiolahy iray voalaza fa tompon’antoka tamin’ny vaky trano sy fanendahana mahery vaika teny Ankirihiry sy Ambohijafy.
Tsiahivina fa ny alin’ny 03 hifoha 04 Aogositra 2026, teo anelanelan’ny 01:00 sy 02:45, dia nisy trano telo novakian’izy ireo, ka iray teny Ankirihiry ary roa teny Ambohijafy.
Voasambotra ireo ahiahiana ho tompon’antoka:
* MOSA Jean Fredy
* RANDRIANARISON Vololoniaina Fernand
* RAKODRABEHAJAINA Charly
Nampiasain’izy ireo tamin’ireo asa ratsy ireo ny antsibe, hety, zava-maranitra ary jiro (torche).
Tratra tao amin’ny fonenan’izy ireo ihany koa ny ampahany amin’ireo entana halatra, ahitana: kapa Aigle d’Or 2, ordinateur Acer misy chargeur 1, finday Android 3, finday touche 3, power bank 1 ary speaker 1.
Marihina fa 22 taona eo ho eo ny salan-taonan’ireto voasambotra ireto, ary efa mpamerin-keloka ny roa amin’izy ireo. Hatolotra ny Fampanoavana anio izy ireo, raha mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’izy ireo sy izay rehetra voarohirohy amin’ity tambazotra ity.
👉 Manentana hatrany ny olom-pirenena ny Polisimpirenena mba hanome vaovao ara-potoana sy hiara-hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy