28/04/2026
FIOFANANA FANODINANA SY FITEHIRIZANA “KOBA“
FIARAHA-MIASA ORN SAVA sy HELVETAS
Natao ny 09 hatramin'ny 15 Avril 2026, ny fanaraha-maso ny asa ataony ACN eny anivon'ny Toby misy azy tsirairay sy narahina
🍅Fiofanana momba ny teknika fanamboarana “Koba“ sy fanodinana ary fitehirizana amin'izay akora misy any an-toerana; izany dia natao isaky ny :
* Kaominana Ambodiangezoka : (Fokontany : Belambo, Antanambe, Ambodivoara),
*Kaominina Ambalamanasy-II : (Fokontany : Manirirano, Antanimbaribe, Ambavala, Ambalamanasy II) ary
*Kaominina Doany : (Fokontany : Befamatra, Androfiabe, Doany) izay ahitana Toby 10 ;
🧑🍼 Ka nahitana mpahazo tombontsoa miisa : 236
🍅Akora nampiasaina🍠:
Mahogo, Fontsy, Saognambo, Saogno, Karaoty, Tomaty,
👉Dingana narahina :👈
👉 Fisafidianana akora tsara, fahadiovan'ny akora, tetehinina matify ny akora, ary ny fampiasana teknika ny blanchiment,
👉 Fitaovana ampiasana séchoir artisanal, ff azo atao koa ny mampiasa tsihy, tôle, sahafa fa tsy maintsy rakofana lamba manify, mba hiarovana amin’ny vovoka sy bibikely
👉 Avela ho maina amin’ny masoandro mandritra ny 3 - 5 andro raha tena maina ny andro, fa mety mihoatra an’io arakaraka ny toetr’andro
👉 Rehefa maina dia azo ahodina ho lasa koba sy tehirizina anaty bocal misarona, sachet mifody na bocal verre misarona,
ORN SAVA
HELVETAS
10 ACN