Commune Rurale Sabotsy-Namehana - CRSN Ofisialy

Commune Rurale Sabotsy-Namehana - CRSN Ofisialy Ity pejy ity no ifampizaràna ny vaovao sy ny tsara ho fantatra mahakasika ny asa fampandrosoana eto anivon'ny Kaominina Ambanivohitra Sabotsy-Namehana.

😊 FENOY TSIKITSIKY NY TONTOLO ANDRO! 🌿☀️Efa miverina an-tsekoly indray ny mpianatra. 🎒📚Aoka hatrany isika hanohy ity her...
07/09/2026

😊 FENOY TSIKITSIKY NY TONTOLO ANDRO! 🌿☀️

Efa miverina an-tsekoly indray ny mpianatra. 🎒📚
Aoka hatrany isika hanohy ity herinandro ity am-pahavitrihana, fahavononana ary toe-tsaina tsara. 💪😊

❤️ Tsiky iray, fahavononana iray, dingana iray manakaiky ny fahombiazana!

Mirary tontolo andro milamina sy mahafinaritra ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny rehetra! 🌿✨

🚨 FANENTANANA HO AMIN'NY FANDRIM-PAHALEMANA 👮‍♂️🤝Nanao fanentanana sy nanome toromarika ho an’ny ray aman-dreny ireo mpi...
06/09/2026

🚨 FANENTANANA HO AMIN'NY FANDRIM-PAHALEMANA 👮‍♂️🤝

Nanao fanentanana sy nanome toromarika ho an’ny ray aman-dreny ireo mpitandro filaminana, mba hanamafisana ny fanaraha-maso ny ankizy sy ny tanora, ary hisorohana azy ireo tsy ho voasariky ny zava-mahadomelina.

📢 Nampahatsiahivina ihany koa ny rehetra fa, raha misy mahita na mahatsikaritra olona, na vahiny, mivarotra na manaparitaka zava-mahadomelina eny amin’ny fiaraha-monina, dia tokony hampandre sy hitory izany avy hatrany amin’ireo tompon’andraikitra.

🤝 Ny fiaraha-mientan’ny ray aman-dreny, ny olom-pirenena ary ny mpitandro filaminana dia zava-dehibe amin’ny fiarovana ny ankizy sy ny tanora.

⚽🔥 MITOHY HATRANY NY LALAO HO AN’NY GRAND OPEN TOP 20! 🔥⚽  Mitohy hatrany ny fifaninanana Grand Open Top 20 – Division S...
05/09/2026

⚽🔥 MITOHY HATRANY NY LALAO HO AN’NY GRAND OPEN TOP 20! 🔥⚽
Mitohy hatrany ny fifaninanana Grand Open Top 20 – Division Sport, ka hisy indray ny lalao mampientanentana hotanterahina ao amin’ny Kianja HERISETRA RAFANODINA. 🏆⚽
📅 Alahady 06 Septambra 2026
⏰ Manomboka amin’ny 08H30 ny lalao voalohany.
🔥 Ireo ekipa hifanandrina dia efa vonona ny haneho ny fahaizany sy hiady ho amin’ny fandresena!
💰 Vidim-pidirana:
👨 Lehibe : 500 Ar
👧 Ankizy : 200 Ar
👉 Tongava maro hanohana ny ekipa tianao! 🤝⚽
Ka araho hatrany ary ny pejy mba anarahanao hatrany ny fandaharam-potoanan'ny baolina kitra.

🏋️‍♂️⚽ FANAMAFISANA NY FANATANJAHANTENA AO SABOTSY-NAMEHANA 🤝❤️Ao anatin’ny vina sy ezaka entiny mampandroso ny sehatry ...
04/09/2026

🏋️‍♂️⚽ FANAMAFISANA NY FANATANJAHANTENA AO SABOTSY-NAMEHANA 🤝❤️

Ao anatin’ny vina sy ezaka entiny mampandroso ny sehatry ny fanatanjahantena ary manohana ny tanora, dia nahazo fitaovana ara-panatanjahantena vaovao ny Kaominina Ambanivohitra Sabotsy-Namehana . 🙏

Ireto avy ireo fitaovana azo : 🚴 Vélo
🏋️ Banc sportif
💪 Rack à haltères – Haltères (7 séries)
🧘 Tapis Yoga
🏃 Stepper

Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fanazarantena sy hanomezana fahafahana bebe kokoa ireo mpanao fanatanjahantena eto anivon’ny Kaominina. 🌱

Ny Ben’ny Tànana RANDRIANARIVELO Njakanavalona dia manamafy hatrany ny fahavononan’ny CRSN hanohana sy hampiroborobo ny fanatanjahantena ho an’ny tanora sy ny mponina rehetra.

Mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka tamin’izao fanohanana izao ny Kaominina Ambanivohitra Sabotsy-Namehana, izay mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny fanatanjahantena eto an-toerana. 🙏

📚✨ EFA MISOKATRA NY TSENA FIVAROTANA FITAOVAM-PIANARANA MORA! ✏️🎒Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny tsena fivarotan...
04/09/2026

📚✨ EFA MISOKATRA NY TSENA FIVAROTANA FITAOVAM-PIANARANA MORA! ✏️🎒

Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny tsena fivarotana fitaovam-pianarana mora sy mirary. 🛍️📚

Aza taraiky fa efa maro ireo Ray aman-dreny no tonga milahatra sy misafidy ireo fitaovam-pianarana ilain’ny zanany. 👨‍👩‍👧‍👦❤️

👉 Mora sy mirary hatrany ny vidiny, ho fitsinjovana ireo Ray aman-dreny amin’izao fotoanan’ny fidiran’ny mpianatra izao. 🎒📖

Koa tongava mitsidika sy misafidy izay ilainareo, satria ny fianaran’ny ankizy no lova tsara indrindra! 🌱📚

📍 Toerana : Ampitan’ny Commune
📅 4 – 5 – 6 Septambra





❤️🌿 NY TANÀNANTSIKA, ANDRAIKITSIKA REHETRANy fampandrosoana ny tanàna dia ezaka iombonana. 🤝Samy manana ny anjara toeran...
03/09/2026

❤️🌿 NY TANÀNANTSIKA, ANDRAIKITSIKA REHETRA
Ny fampandrosoana ny tanàna dia ezaka iombonana. 🤝
Samy manana ny anjara toerany ny tsirairay: Ray aman-dreny, tanora, tantsaha, mpivarotra, mpianatra ary isika rehetra.
🌱 Zavatra kely ataon’ny tsirairay, rehefa mitambatra, dia mitondra fiovana lehibe.
Andao samy handray andraikitra amin’ny fahadiovana, ny fifanampiana ary ny fikarakarana ny tontolo iainantsika. ❤️🌿
Tanàna tsara, vokatry ny ezaka iombonana! 🤝

📚🎒 FIVAROTANA FITAOVAM-PIANARANA MIRARY ✏️📒  Manomàna sahady ny fidirana an-tsekoly! 🏫✨Hisy fivarotana fitaovam-pianaran...
02/09/2026

📚🎒 FIVAROTANA FITAOVAM-PIANARANA MIRARY ✏️📒
Manomàna sahady ny fidirana an-tsekoly! 🏫✨
Hisy fivarotana fitaovam-pianarana mirary ho an’ireo rehetra miomana amin’ny taom-pianarana vaovao.
📍 Toerana: Ampitan’ny Commune
📅 Daty: 4, 5 ary 6 Septembre 2026
Aza adino ary ny manatona sy misafidy ireo fitaovam-pianarana ilainao amin’ny vidiny mirary! 🛍️🎒
💙💛 Miara Manohana ny fampianarana sy ny ho avy ny taranaka. 🌱📚



🌿✨ HELLO SEPTEMBER ! ✨🌿Tonga indray ny volana Septambra, volana vaovao mitondra fanantenana sy fiandohana vaovao. 💫🌬️❄️ ...
01/09/2026

🌿✨ HELLO SEPTEMBER ! ✨🌿
Tonga indray ny volana Septambra, volana vaovao mitondra fanantenana sy fiandohana vaovao. 💫
🌬️❄️ Somary mandrivotra sy mangatsiaka ny andro .
Aleo manao akanjo mafana raha toa ka ivoaka ny trano anio🧥🧣, mba hiarovana amin’ny hatsiaka.
🌞 Andro vaovao, fanantenana vaovao ary fahombiazana vaovao!
Mirary volana Septambra sambatra, milamina ary feno zava-tsoa ho antsika rehetra. 💚✨


☀️ ALATSINAINY 31 AOGOSITRAAndro vaovao, herinandro vaovao, ary fotoana vaovao hanombohana zavatra tsara. 🌿✨🤍 Hafatra ho...
31/08/2026

☀️ ALATSINAINY 31 AOGOSITRA
Andro vaovao, herinandro vaovao, ary fotoana vaovao hanombohana zavatra tsara. 🌿✨
🤍 Hafatra ho antsika anio :
“Tezaho amin’ny fahamarinana ny ankizy.” 👧👦🌱
Ny fahamarinana ampianarina ny ankizy dieny mbola kely dia fototra lehibe hanorenana olona mendrika, tompon’andraikitra ary mahatoky amin’ny ho avy. ✨
🤝 Mirary herinandro mahafinaritra sy feno fahombiazana ho antsika rehetra!

📜 FIZARANA KOPIA FAOBENisy ny fizarana kopia faobe ho an’ireo zaza mbola tsy nanana Kopia nahaterahana androany, teto an...
28/08/2026

📜 FIZARANA KOPIA FAOBE

Nisy ny fizarana kopia faobe ho an’ireo zaza mbola tsy nanana Kopia nahaterahana androany, teto anivon’ny Kaominina.

👧👦 Zaza miisa 90 no notoloran'ny Ben’ny Tanàna Kopia nahaterahana androany, ho fanamorana ny fahazoan’ireo ankizy ny antontan-taratasy ara-dalàna.

🤝 Dingana iray lehibe ho fiarovana ny zon’ny ankizy sy hanamorana ny fahafahan’izy ireo misitraka ireo tolotra sy zo maha-olom-pirenena azy izany.

🙏 Misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao.


Address

Sabotsy-Namehana
103

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Sabotsy-Namehana - CRSN Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share