Compagnie de gendarmerie Imerina centrale

Compagnie de gendarmerie Imerina centrale Sécurité dans les Districts d'Andramasina et de Manjakandriana

03/06/2025
JIOLAHY NANDROBA FIARA FOURGON. VOASAMBOTRA NY ATIDOHA NIKOTRIKA SY IREO MPIRAY TSIKOMBAKOMBA    # Compagnie_Imerina_Cen...
28/02/2025

JIOLAHY NANDROBA FIARA FOURGON. VOASAMBOTRA NY ATIDOHA NIKOTRIKA SY IREO MPIRAY TSIKOMBAKOMBA

# Compagnie_Imerina_Centrale

🚐 Fiara Sprinter iray an'ny orinasa mamongady iray no notafihin'ny jiolahy mitondra kodiaran-droa tao Moramanga
🚨 Lasan'izy ireo ny volabe ka nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faha-2 hiakatra Antananarivo ireo jiolahy. Raha navadik'izy ireo ny fiara.

14 Febroary 2025 - 11 ora alina
📱 Nahazo antso ny fa mety handalo eo amin'ny faritra iadidiany ireo olondratsy lasa nitsoaka.
❌ Natao ny paik'ady hisamborana ireo jiolahy. Moto iray namaky sakana novelarina no nitsoaka kanjo tsy lasa lavitra dia azo sambotra.

🚨 Nanomboka teo ny fikarohana ireo jiolahy izay niarahan'ny
sy ny

nisalahy.

⚠️ Voasambotra avokoa ireo nandray anjara tamin'ny fanafihana sy ireo mpiray tsikombakomba aminy.

🚨 Mbola nahatrarana vola 8.525.000 ar tany amin'ireo jiolahy.
⚠️ Moto miisa 3 izay nampiasaina tamin'ny fanafihana no voatazon'ny zandarimaria.
❌ Ankoatr'ireo telolahy nandray anjara mivantana tamin'ny fanafihana dia voarohirohy tao anatin'izao fanafihana izao moa ny mpamilin'ilay fiara, ny livreur sy ny agent de recouvrement an'ilay orinasa voaroba.

⚖️ Natolotra ny fitsarana ny raharaha taorian'ny famotorana ka notanana am-ponja vonjimaika avokoa izy enina mirahalahy.

Miaro ho antoky ny fampandrosoana ifotony
Compagnie Imerina Centrale
Section des recherches Criminelles Fiadanana.

👋MIARAHABA NY REHETRA OOO !Sady mamerina ny fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ihany koa.🤔 Efa misy any aminare...
08/01/2025

👋MIARAHABA NY REHETRA OOO !

Sady mamerina ny fiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2025 ihany koa.

🤔 Efa misy any aminareo ve ireto laharanay ireto ?

📱 Commandant de compagnie Imerina centrale :
034.05.700.75

Marihina moa fa ny COMPAGNIE IMERINA CENTRALE dia misahana distrika miisa ROA: ny distrikan'i MANJAKANDRIANA sy ANDRAMASINA.
Misy Brigade de police de la route (BPR) ihany koa izay misahana ny fandrindrana sy fitsirihana ny fifamoivozana an-dalambe eto Antananarivo, amin'ireo lalam-pirenena RN 2, RN 3, RN 4, RN 5 ary RN 7.

I- DISTRIKA MANJAKANDRIANA

✅BDE MANJAKANDRIANA : 034 05 700 74

PA Anjepy: 034.90.174.40

-PA Carion : 034 05 700 73

-PA Ambatolaona : 034 05 701.30

-BDE ANDRIAMPAMAKY : 034.06.680.23

-PA Ambohitseheno: 034.13.477.95

-BDE MANTASOA: 034 77 776 23

-PA Alarobia/Ambatomanga: 034.23376.21

-PA Ambohitrandriamanitra: 034.35687.67

-BDE SADABE: 034.06.450.48

-PA Ambohimanarivo: 034.14.087.55

-PA Ambohitrolomahitsy: 034.59.012.13

II- DISTRIKA ANDRAMASINA

-BDE ANDRAMASINA: 034.11.737.98

– PA Alatsinainy /Bakaro: 038.43.456.33

– PA Mandrosoa: 034.68.805.54

– PA Fitsinjovana/Bakaro: 038.69.641.16

-BDE AMBOHIMIADANA: 038.81.567.92

– PA Antovontany: 034.44.598.69

– PA Vohitsarahasina: 034.08.783.52

- PA Alarobia Vatosola: 034.40.509.23

III- BRIGADE DE POLICE DE LA ROUTE de gendarmerie Antananarivo (RN2, RN 3 , RN4, RN 7) : 034.14.013.87

Aza misalasala miantso anay na ny lehibe isan'ambaratongany

MPAMATSY RONGONY VOASAKAN'NY ZANDARIMARIA 🚭 Rongony milanja 30 kilao no saron'ny BPR Antananarivo ny 26 Oktobra 2024 tam...
30/10/2024

MPAMATSY RONGONY VOASAKAN'NY ZANDARIMARIA

🚭 Rongony milanja 30 kilao no saron'ny BPR Antananarivo ny 26 Oktobra 2024 tamin'ny 7 maraina tao Ambatolampikely RN2 Pk 22+200 (Cr Ambanitsena).

🚨 Nandritry ny fisavana nataon'ny zandary tamin'ny fiara Taxi-brousse avy any Moramanga hihazo an'Antananarivo no nahatsikaritra olona mampiahiahy. Rehefa natao ny fisavana dia fantatra fa nitondra gony lehibe miisa roa feno rongony nafenina tsara any ambany seza fitoeran'entana.

🛑 Notazomina hatao famotorana ireo olona roa izay avy Moramanga sy Ambohimirary Antananarivo.
❌ Nampidirina am-balan-tsazy kosa ny fiara nitondra ireo entana.

⚖️ Natolotra ny fitsarana moa ny raharaha ka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy roalahy.

.

PA AMBOHITROLOMAHITSY: NIFANDONA TAMIN'NY DAHALO MPANGALATR'OMBY🐮Nitrangana halatr'omby ny 19 Septambra 2024 tao Ambohib...
23/09/2024

PA AMBOHITROLOMAHITSY: NIFANDONA TAMIN'NY DAHALO MPANGALATR'OMBY

🐮Nitrangana halatr'omby ny 19 Septambra 2024 tao Ambohibemasoandro Kaominina Ambohitrolomahitsy Distrika Manjakandriana. Omby 4 no nalain'ny dahalo tokony ho tamin'ny 10 sasany alina.

👮 Zandary nanao fisafoana mandritry alina no nantsoin'ny kartie mobily Ambohibemasoandro haingana ka avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia ireo zandary sy ny fokonolona.

Napetraka ny paik'ady hisakanana ireo dahalo, nosakanana ny kizo mety handalovany.

Tokony tamin'ny 11 ora alina dia nandalo ny kizo Antaikakana ireo dahalo ka avy hatrany dia raikitra ny fifandonana.

⚰️ Lavo nandritry ny fifampitifirana ny dahalo iray ary vaky nandositra ireo namany sisa. Rehefa nosavaina ny toerana niadiana dia mbola nahitana basy vita tanana sy bala efa nitifirana miisa roa.

⚠️ Ny fizahana ny razana no nahalalan'ny mponina fa tovolahy mponina ao Ankorombe Kaominina Ambohitrolomahitsy ihany ity dahalo voatifitra izay nangalatra ny ombin'ny mpiray tanàna amin'izy ireo ity.

🚨 Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany.
🐂 Naverina amin'ny tompony ny omby rehetra.
⚰️ Nankinina tamin'ny fokonolona ny fikarakarana ny razana hiandrasana ny havany.

Ny Poste Avancé Ambohitrolomahitsy izay sahanin'ny Compagnie Imerina Centrale no manao ny famotorana.

Zandarimaria MAFI.

FANIMBAZIMBANA TRANON-DRAZANA(Violation de sépulture) .12 Septambra 2024.⚖️ 06 lahy: nidoboka  ⚖️ 01 vavy: nidoboka  ⚖️ ...
19/09/2024

FANIMBAZIMBANA TRANON-DRAZANA
(Violation de sépulture)
.
12 Septambra 2024.
⚖️ 06 lahy: nidoboka
⚖️ 01 vavy: nidoboka
⚖️ 00: Navotsotry ny fitsarana.
🚨 Tsy mpiasan'ny orinasa nahazo "fiche de paie" ireo akory, fa voapanga ho nanimbazimba tranon-drazana ka nahazo tapakila fidirana hisakafo mafilotra maimaimpoana any distrikan'i .
☠️ Isan'ny tena saro-pady amin'ny Malagasy ny sy izay voatahiry ao anatiny ao.
🙏 Ny razambe dia vakoky ny fombantany misy antsika. Ary lalàina sy hajaina ka rariny raha sarotiny na ny tompom-pasana na ny fanjakana.
🛑 Ny sasany kosa, kamo hisasatra, ratsy saina baikoin'ny fitiavan-tena dia mieritreritra hanankarena tampoka ka handroba ny tsy azy akory.
📌 Tsy nisy mpaniraka izy 7 mianadahy ireto. Tsy misy 🐟 fa i 'ny fianakaviana izay mba nalaina hanatevina ny ankohonana no nanitakevitra rehefa nahalala fa taranak'Andriana ity ka ao amboniandrefana daholo ireo no .
🚨 Diso fanantenana anefa satria dia ny no tonga aloha teo amin'ny fasana nokinasa ho sokafana. Ary dia nosamborina fotsiny.
❌ Tovolahy sy tovovavy matanjaka sy nandia fianarana ary saika manana anton'asa avokoa no tsy maintsy hatory fotsiny iantohana fandriana sy sakafo ary hanateran'ny havany sakafo sy vola ary savony sy sigara any am-ponja.
🚨 .
🚨 .


👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮

MATY ILAY DAHALO RAINDAHINY AMIN'NY MPANGALATR'OMBY 📱 Antso nataon'ny olona tsara sitrapo tamin'ny CB Andramasina.🐂 Nisy...
19/09/2024

MATY ILAY DAHALO RAINDAHINY AMIN'NY MPANGALATR'OMBY

📱 Antso nataon'ny olona tsara sitrapo tamin'ny CB Andramasina.
🐂 Nisy omby very ny alin'ny 18 Septambra 2024 tamin'ny 12 sy sasany alina tao Ambolotarakely Fkt Mahasoratra Cr Sabotsy Ambohitromby Dist Andramasina

👮 Zandary efatra no nentin'i CB Andramasina hanampy ny fokonolona.
👮 Niampy zandary telo efa nanao fisafoana tsy lavitra teo.
👮 Ary mbola nampiana zandary notarihin'ny CP Alatsinainy Bakaro

⭕ Nosakanana avokoa ny lalana tokony halehany ka navelan'izy ireo tao anaty alankininina ny omby.

🚨 Tazana nanao taridositra anefa ireo efa-dahy nitondra ny omby ka nenjehina ary raikitra ny fifampitifirana.
⚰️ Lavo ny dahalo roalahy dia tsy iza fa:
✓ I LEFALY avy ao Ambohitrakanga Cr Andohariana.
✓ I LIVAKELY avy ao Ambatomiringitra Fkt Ambatolampy Cr Alatsinainy Bakaro.

🏃 Tafatsoaka ny roalahy saingy mitohy ny hazalambo atao azy ireo.
🐂 Tafaverina amin'ny tompony avokoa ireo omby.

.

TAMBAZOTRAN-JIOLAHY RAVAN'NY ZANDARYJiolahy roa no maty voatifitraBasy poleta irayAntsy lavalela iray.Jiolahy efatra azo...
02/08/2024

TAMBAZOTRAN-JIOLAHY RAVAN'NY ZANDARY

Jiolahy roa no maty voatifitra
Basy poleta iray
Antsy lavalela iray.
Jiolahy efatra azo sambobelona.

Ireo no vokatra azo nandritry ny fifandonan'ny zandary avy amin'ny , sy izay notarihin'ny Kapiteny Komandin'ny vondron-tobim-paritra andaniny, sy ny andiana jiolahy ankilany.

Antso tamin'olona tsara sitrapo no nahalalana fa misy jiolahy maromaro mikononkonona fanafihana ka miafina ao anaty alakininina manodidina ny fokontany Anjozoro Cr Anjepy Dist Manjakandriana ny 29 Jolay 2024 tamin'ny 4 ora tolak'andro.

Nanao bemidina ireo zandary nanemitra ny toerana voalaza ka raikitra ny fifampirifirana rehefa nifankahita ny zandary sy jiolahy.

Jiolahy efa nokarohina hatry ny ela ny sasany tamin'ireto maty sy voasambotra ireto izay efa nanafika tao Soamalaza nahafatesana olona iray ary mbola mpaka an-keriny ihany koa

Saika handroba sy hamono mpandraharaha iray mpitambolan'ny fiangonana izy ireto izaovoasambotra izao.

Fantatra moa ny olona nanafatra sy naniraka azy ireto hanao izao asa ratsy izao sy ireo mpivady mpampiantrano. Avy ao Ikoraba Kaominina Anjepy ireto voasambotra ireto raha avy any Ambohimandroso Antsirabe kosa ny iray maty. Tsy fanta-piaviana ny faharoa.

Mitohy ny famotorana ary hatolotra ny fitsarana ireo efadahy azo sambobelona
Mbola mikaroka ireo namany nitsoaka kosa ny zandarimaria.

.

RONGONY ANATY FONOSANA LEHIBE TRATRAN'NY ZANDARYFiara fitateram-bahoaka iray no saron'ny BPR Antananarivo teo amin'ny RN...
03/04/2024

RONGONY ANATY FONOSANA LEHIBE TRATRAN'NY ZANDARY

Fiara fitateram-bahoaka iray no saron'ny BPR Antananarivo teo amin'ny RN4 Ampanotokana nitondra rongony natao colis.

Ny 02 Aprily 2024 raha nanatontosa fisavana entana ireto zandary roalahy dia sarona tao anaty coffre ambany seza ity entana mampiahiahy ity. Rehefa nojerena dia rongony tsara fono milanja 33 kilao.

Entana (colis) niainga avy any Antsohihy distrika ao ihany faritra Sofia izy ity ka misy mpandray eto Antananarivo. Noraisim-potsiny teo amin'ny Gare Maki Andohatapenaka ny tompon'ny entana.

Notanana ambalan-tsazy ny fiara raha atolotra ny fitsarana izy telo mirahalahy.

Tsara ho fantatra fa helohin'ny lalàna ny fambolena, fampiasana, fitaterana sy ny fivarotana zavamahadomelina
(Loi N°97.039 du 04/11/97 sur le contrôle des stupéfiants, des substances psychotropes et des précurseurs a Madagascar).

MAFI: MIASA HO ANAO MANDRITRY NY FETYAnjozorobe - Carion - Nandihizana - Ambanitsena - Mantasoa - Anjepy - Ambavahadiala...
01/04/2024

MAFI: MIASA HO ANAO MANDRITRY NY FETY

Anjozorobe - Carion - Nandihizana - Ambanitsena - Mantasoa - Anjepy - Ambavahadiala - Antovontany - Lasimbazaha Tsiazompaniry - Vohitsarahasina - Angodongodona- Sns....

✓ Na eny amin'ny lalampirenena.
✓ Na anaty sakeli-dalana
✓ Na andrenivohitra na ambanivohitra

Dia miasa ho anao ny Zandarimaria.

Mampianatra
Manoro
Mananatra
Manampy
Mandray fepetra

Raha tojo olana ianao dia antsoy ny Zandarimaria.
Raha misy asan-dahalo na asan-jiolahy dia akaiky anao izahay.
Raha mila vonjy taitra dia namanao izahay.

MARO IREO MPITSANGATSANGANA NIVOAKA AN'ANTANANARIVO

Ahitanao zandary foana ireo toerana be olona sy mety hisy loza ary ireo ambanivohitra rehetra.

Ireto ny santionany an-tsarin'ireo Zandary miantsehatra eny amin'ny andron'ny Alatsinainy P***a.


🚑🚓👮🏼‍♂️🚑🚓👮🏼‍♂️🚑🚓👮🏼‍♂️🚑🚓👮🏼‍♂️

FIFANDONANA MAHERY VAIKA: JIOLAHY 4 LAVON'NY BALAN'NY ZANDARY   28 Martsa 2024 - 6 ora maraina.🚨 Jiolahy miisa 4 no lavo...
28/03/2024

FIFANDONANA MAHERY VAIKA: JIOLAHY 4 LAVON'NY BALAN'NY ZANDARY




28 Martsa 2024 - 6 ora maraina.

🚨 Jiolahy miisa 4 no lavon'ny bala rehefa nifampitifitra tamin'ny zandary tao fkt Antoho Cr Alatsinainy Bakaro Dist Andramasina.

📌 Jiolahy iray nokarohina ela izay nampihorohoro ny manodidina, mpanao heloka bevava maro (halatr'omby, fanafihana mitam-piadiana) tao anatin'ny Distrika Andramasina no voasambotry ny zandary.

🛑 Noho ny fahaizamanaon'ny zandary dia notononiny avokoa ireo namany miisa 8 izay mpiara-manao asa ratsy aminy.
🚨 Natao ary ny fikarohana azy 8 lahy. Ka teo indrindra no niandrasan'ireo dahalo an'ireo zandary izay niroso amin'ny fikarohana.

⚠️ Raikitra ny tifitra. Dahalo miisa 4 izay nifampitifitra tamin'ny zandary no lavo teo no ho eo. Nitsoaka kosa ireo namany.
📌 Taorian'ny ady dia hita fa:
✓ Bala 11 no hita nampiasain'ireo dahalo niadiana tamin'ny zandary.
✓ Tsy nisy aina nafoy na naratra ny zandzry.

🙏🏿 Mitohy ny fikarohana.
🚨 Ny Zandarimaria dia manentana hatrany ireo manam-baovao mba hanome izany ny zandary akaiky azy.

📌 Compagnie Imerina Centrale : 0340570075
📌 Brigade Andramasina : 0340101360
📌 PA Alatsinainy Bakaro:0384345633


👮🏾‍♂️👮🏼‍♂️👮🏽‍♂️👮🏿‍♂️👮🏻👮🏾👮🏿‍♀️👮🏾‍♂️👮🏼‍♂️👮🏽‍♂️👮🏿‍♂️👮🏻👮🏾

Address

Ankadilalana Mahamasina
Mahamasina
101

Telephone

+261340570075

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Compagnie de gendarmerie Imerina centrale posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Compagnie de gendarmerie Imerina centrale:

Share

Category