23/03/2021
IREO FEPETRA MIHATRA HO AN'NY FARITRA BOENY MANDRITRA NY 15 ANDRO MANOMBOKA ANIO 23 MARTSA HATRAMIN'NY TALATA 06 APRILY 2021:
- Ireto fepetra ireto dia mihatra ho an'ny Faritra Boeny manontolo
- Tsy maintsy hajaina ireo hetsika sakana ara-pahasalamana rehetra rehefa mivoaka ny trano fonenany ny olona iray: na eny an-dalambe, na eny an-tsena, na any amin'ny toeram-piasana, na any am-piangonana, any anaty fitaovam-pitaterana : fitondrana aro-vava orona, ny fanasana tanana matetika amin'ny savony ary ny fanaja ny elanelana ara-pahasalamana.
- Ferana ny fivezivezena manomboka amin'ny 10ora alina.
- Rarana ny famoriana olona mihoatra ny 200 isa.
- Ireo toerana hifamoivoizan'ny daholo be sy reo fiara fitateram-bahoakadia fendrahana fanafody isaky ny 72 ora, toy izany ihany koa ireo tranon'ny olona mararin'ny covid 19.
- mikatona avokoa ireo sekoly miankina sy tsy miankina, ambaratonga fototra sy ambaratonga ambony rehetra ary ireo ivo-toeram-panofanana rehetra. Mandritra izay fikatonana
- Ireo toeram-piasana miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana amin'ny fanjakana dia mirava amin'ny 04 ora hariva. Amporisihina mba hanao "heure continue" ireo toeram-piasana.
- Ireo toeram-pivavahana rehetra dia afaka misokatra fa tsy Mandray olona mihoatra 200;
- Ny fanazaran-tena sy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena dia azo atao fa tsy azo atrehina ;
- Ireo toeram-pisakafoanana sy ireo bar dia misokatra hatramin'ny 09ora alina. Tsy maintsy ahitana fitaovana fanasana tanana eny an-toerana;
- Mitsahatra avokoa ny lanonana sy fety isan-karazany izay mety hamory olona.
- Mikatona ireo toerana fandraisana lanonana sy ireo toerana fandihizana.
- Mikatona ny dobo filomanosana sy ireo plage;
- Mikatona ny fitaterana an-dranomasina, an'abakabaka ary ny lalam-pirenena mampifandray ny Faritra Boeny amin'ny Faritra hafa. Tapaka hatreo Ambondromamy ny fidirana amin'ny Faritra Boeny raha avy any amin'ny Faritra hafa. Ary mifarana eo Andranofasika kosa ny fivoahana ho an'ny Faritra Boeny. Ny fitaterana anatin'ny Faritra Boeny, ireo mampifandray ny Distrika ao aminy kosa dia mitohy hatrany.
- Mihena ho 3/4 an'ireo mpandeha misoratra anaty fahazoan-dalana ihany no afaka mandeha, mba ho fanajana ny elanelana anaty fiara: 3 isaky ny banquette ho an'ny minibus, 4 isaky ny banquette ho an'ny sprinter.
- Tsy maintsy fendrahana fanafody isaky ny 72ora ny fiara fitateramm-bahoaka (taxi-brousse, bus, baja) rehetra;
- Tsy maintsy ahitana gel désinfectant any anaty fiara;
- Tsy maintsy mameno manifold ary raiketina eo amin'ny tobim-piantsonana ny anaran'ireo mpandeha taxi-brousse rehetra hihazo ny Distrika hafa;
- ny bus dia tsy mahazo manisy strapontin;
ny bajaj dia olona 2 ihany no mpandeha afaka entiny;
- ny taxi dia olona 3 ihany no afaka entiny;
- mikasika ny razana:
- ny olona matin'ny covid dia tsy azo entina mivoaka ny kaominina nahafaty azy, tsy azo hiaretan-tory ary halevina ny andro nahafatesana ihany; misy ny famendrahana fanafody ny razana, ary tsy mihoatra ny olona 10 no afaka mandevina;
- ny olona maty, tsy covid no nahafaty azy: ferana ho 24 ora ny fiandrasana ny razana ao an-trano, tsy maintsy fendrahana fanafody ny toerana avy nialan'ny razana, afaka entina mivoaka ny Faritra Boeny ny razana fa voafetra ny isan'ny olona mandeha, ary tsy maintsy mahazo alalana manokana vao afaka entina mivoaka ny Distrika na ny Faritra Boeny ny razana.
- ny tsy fanajana ireo fepetra ireo dia mahavoasazy;
- ny
-
-