Firaisakinan 'ny Tia Tanindrazana/Ihorombe Ofisialy

Firaisakinan 'ny Tia Tanindrazana/Ihorombe Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Firaisakinan 'ny Tia Tanindrazana/Ihorombe Ofisialy, Political Party, Ihorombe( Ihosy/Ivohibe-Iakora), Ihosy.

27/11/2023
COLLECTIF DES CANDIDATSAnosy, Anosibe, Namontana-Fifidianana amboletra tsy mahafeno fepetra io tadiavina ho tanterahana ...
27/10/2023

COLLECTIF DES CANDIDATS
Anosy, Anosibe, Namontana
-Fifidianana amboletra tsy mahafeno fepetra io tadiavina ho tanterahana io, maro be no efa mahatsapa izany, tsy ekena ny fifidianana amboletra
-Olona tsy Malagasy no mitady hitantana ny firenenena, tsy azo eritreretina izay.Teren-javatra avy any ianao, miaro hoe hiaro ny tombotsoan’ny firenena.Firenena iza izany io ? Na ny resakatsiabaratelo amin’ny fiarovam-pirenena aza voatohintohina tanteraka amin’izany.
-Ry HCC, kandida hita fa efa marary izao fa odianareo fanina dia hoe tsy azo raisina ny fangatahany.Mba diniho kely ihany fa sao hanody anareo izany.
-Ny CENI, neverina hoe mahaleotena araka ny anarany, kinanjo tena ilay fahaiza-miasa mihitsy no tsy izy .

TAHINA RAZAFINJOELINA« Mila mandray andraikitra sy sahy manova isika »Manana fahafahana manova zavatra ny tsirairay fa a...
26/10/2023

TAHINA RAZAFINJOELINA
« Mila mandray andraikitra sy sahy manova isika »
Manana fahafahana manova zavatra ny tsirairay fa aleo isika tsy hatahotra, aleo isika tsy hody fanina, aleo isika tsy hanontany tena intsony hoe izaho moa raha mandeha dia ahoana, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina nandritra ny fandahaana manokana TAFA 2023 : " MADAGASIKARA IRIKO: fandrosoana tahaka ny ahoana? " karakarain’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) .
Misy ny habibiana natao, nandatrana kandida, nanenjehana sy nanagadrana olona satria manaparitaka tahotra no tanjona, hoy izy. Raha mitsara, tsy hoe mitsara ny kandida 11 mihoatra amin’ny kandida 1 hafa, na hoe iza no mahatarika olona betsaka indrindra ; fa mitsara hoe inona no diso ary inona no marina.Zava-dehibe ny fahamarinana, hoy i Tahina Razafinjoelina. Lehibena andrimpanjakana izao, hoy hatrany ny fanazavany no efa niteny fa nisy nandrahona , kandida ho filohampirenena noratraina, efa fantatra ny hosoka momba ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana, fa tsy misy fanadihadiana mba hamantarana ny tena marina. Nahoana no tsy sahy miteny isika.Izany zavatra izany no antony mampijoro anay Collectif des Candidats, tsy maintsy miteny manoloana ny tsy rariny sy fandikan-dalàna misy eto amin’ny firenena.
Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy filaminana, Tsy misy fampandrosoana raha mbola misy fifankahalana. Fotoana lehibe izao ahafahantsika manala ny lonilony rehetra eto Madagasikara . Miainga ao amin’io Collectif des Candidats ity ary mbola hitohy ny fampihavanam-pirenena tena izy, hoy i Tahina Razafinjoelina. Ny atao hoe firenena mandroso dia mandroso aloha ilay maha olona .Amin'ny alalan'ny fanabeazana sy asa no hanatanterahana izany,hoy izy.

TAHINA RAZAFINJOELINA-Izahay raha miteny hoe misy tsy mety ny fikarakarana ny fifidianana dia manana porofo izahay, ka n...
26/10/2023

TAHINA RAZAFINJOELINA
-Izahay raha miteny hoe misy tsy mety ny fikarakarana ny fifidianana dia manana porofo izahay, ka nentiko eto izao ireo kara-pifidianana "doublon" avy amina fokontany iray. Mbola ho avy ny porofo hafa.
-Raha niteny izahay hoe andao atao peta-drindrina ny lisitry ny mpifidy, mba hampilamin-javatra no notadiavinay.Zavatra tsotra, marina izany.
- Tsy misy fampandrosoana raha tsy misy filaminana
- Tsy misy fampandrosoana raha mbola misy fifankahalana.
-Tahaka ny ao an-tokantrano ihany ny firenena : tsy handroso ny fianaran'ny ankizy raha misy fifandirana, fifankahalana indrindra fa raha maharitra izany.
- Fotoana lehibe izao ahafahantsika manala ny lonilony rehetra eto Madagasikara."
-Ny atao hoe firenena mandroso dia mandroso aloha ilay maha olona .Amin'ny alalan'ny fanabeazana sy asa no hanatanterahana izany.

TONTOLON'NY FANABEAZANAHIROSO AMIN'NY FITOKONANA FAOBE NY MPIASA...Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasa eo amin'ny ...
26/10/2023

TONTOLON'NY FANABEAZANA
HIROSO AMIN'NY FITOKONANA FAOBE NY MPIASA...
Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasa eo amin'ny sehatry ny fanabeazana manerana ny Nosy manomboka rahampitso 26 oktobra araka ny fanambarana nataon'ireo mpitarika sendika nahitana ny avy amin'ny FM2F na ny Fiombonamben'ny Mpiasan'ny Fanabeazana ho an'ny Fanovana sy ireo sendika samihafa eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana androany. Antony ny firaisankina amin'ny Fiombonamben'ny Sendika eto Madagasikara SSM izay nanome fe-potoana 72ora hamahana ny olana politika mandindona ny firenenfa, fa eo ihany koa ny fitakiana anatiny noho ny fahararian'ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara, toy ny zava-manjo ny mpampianatra, raha ny fanazavana. Nanamafy ireo mpitarika fa ara-dalàna sy anatin'ny zo sendikaly ny fitokonana, ary nandalo ireo antanan-tohatra samihafa. Voir moi

ANTSIRABE SY BETAFONAMPISEHO NY HERINY NY COLLECTIF DES CANDIDATSDiabe, nahasarika olona maro ary nitety tanana no hetsi...
25/10/2023

ANTSIRABE SY BETAFO
NAMPISEHO NY HERINY NY COLLECTIF DES CANDIDATS
Diabe, nahasarika olona maro ary nitety tanana no hetsika nataon’ny mpanara-dia ny Collectif des Candidats tany Antsirabe sy Betafo ny faran’ny herinandro teo. Ho an’Antsirabe dia niainga teo amin’ny kianja Magro Avaratsena, nandalo an’Antsenakely, tsangambaton’ny fahaleovantena, nanodidina ny gara, Ampihaviana ,Mahazoarivo Avaratra, Mahazoarivo Atsimo ary nifarana tao amin’ny Magro Avararatsena. Tao Betafo kosa toeram-piaingana ny teo Ambatomainty nandalo tao afovoan-tanàna, nizotra tamin’ny lalam-pirenena ary nifarana tao Andrefantsena niaraka tamin’ireo fanentanana sy lahateny isan-tsokajiny.Mila fifidianana madio, fitsipi-dalao mazava, Ravao ny HCC, tolona atao ho an’ny zanaka sy taranaka faramandimby, olom-pirenena tonga saina mijoro tsy manaiky ny tsy rariny , tsy voavidy vola. Izay no fanehoan-kevitra tany an-toerana, mbola mitohy ny tolona ary hiha goavana kokoa hatrany, hoy ireo mpitarika.

MPIASAN'NY FADINTSERANAHIROSO AMIN'NY FITOKONANAHitokona manomboka rahampitso alakamisy ireo mpiasan'ny fadintseranana m...
25/10/2023

MPIASAN'NY FADINTSERANA
HIROSO AMIN'NY FITOKONANA
Hitokona manomboka rahampitso alakamisy ireo mpiasan'ny fadintseranana miara-dalana amin'ny Fiombonamben'ny sendika Malagasy.Izany no natao dia mba ho fanerena ny fanjakana Malagasy sy ireo mpisehatra rehetra amin'ny politika mba hiresaka sy hikaroka vahaolana tsy hiitaran'ny krizy.
Hisy ny service minimum ka voakasik'izany ny fanafody, entana ara-diplaomatika, entana mora simba ary ny razana.

HCC AMBOHIDAHYTSY MITENY, TSY MIVOLANA MANOLOANA RAHARAHA MIISA 6Be vary mangatsiaka ny fitsarana avo momba ny lalampano...
25/10/2023

HCC AMBOHIDAHY
TSY MITENY, TSY MIVOLANA MANOLOANA RAHARAHA MIISA 6

Be vary mangatsiaka ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) amin'izao fotoana satria maro ireo raharaha tokony hamoahany fanapahan-kevitra no miantona fotsiny.Misy antontan-taratasy efa tamin'ny 8 septambra sy 12 oktobra ohatra fa tsy mbola niteny ny momba azy ireo ny HCC.

Anisan'ny tsy nahazoana valiteny ihany koa ohatra ny fangatahana nataon'Atoa Razafimahefa Herimanana mba hanafoanana ilay taratasy fandavana andraikitra , sy fangatahana ny hanamarinana na nifanaraka tamin'ny lalampanorenana na tsia ny fandrodanana azy sy ny fifidianana ny jeneraly Ravalomanana Richard ho filohan'ny antenimierandoholona. Tena iankinan'ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena anefa ny fanapahan-kevitra mety ho avoakan'ny HCC ka manomboka mahagaga ny maro ny tsy hitenenany mazava. Voir moins

Address

Ihorombe( Ihosy/Ivohibe-Iakora)
Ihosy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Firaisakinan 'ny Tia Tanindrazana/Ihorombe Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share