Commune Urbaine de Fort-Dauphin

Commune Urbaine de Fort-Dauphin Pejy Ofisialin'ny Fiadidiana ny Tanànan'ny Faradofay - Page Officiel de la Commune Urbaine de Fort-Dauphin

24/04/2026

FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY KAOMININA AMBONIVOHITR'I FORT-DAUPHIN SY NY TAMBAZOTRA ORANGE.

Fort-Dauphin, 24 Aprily 2026 - Tontosa omaly 23 Aprily 2026 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Fort-Dauphin sy ny tambazotra Orange ka nomarihana tamin'ny fanomezana fitaovana isan-karazany izany ho fanatsarana ny asa eto anivon'ny kaominina izany.

Nitondra fanazavana mahakasika ny fiaraha-miasan'ny roa tonta araka izany ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro .

LANONANA NANOLORANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO FITAOVANA MARO ISAN-KARAZANY AVY AMIN'NY TAMBAZOTRA ORANGE HO AN'NY KAO...
23/04/2026

LANONANA NANOLORANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO FITAOVANA MARO ISAN-KARAZANY AVY AMIN'NY TAMBAZOTRA ORANGE HO AN'NY KAOMININA AMBONIVOHITR'I FORT-DAUPHIN.

Fort-Dauphin, 23 Aprily 2026 - Ho fanatsarana ny asa eto anivon'ny Kaominina ambonivohitr'i Fort-Dauphin dia miara-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ny kaominina ka izany indrindra no nahatonga ny fifanaovan-tsonian'ny fiara-miasa eo amin'ny kaominina notarihan'ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro sy ny tambazotra Orange tamin'ny alalan-dRamatoa Anita RAKOTOMALALA Chef de Département Partenariat et Sponsoring androany Alakamisy 23 Aprily 2026 ka nanoloran'izy ireo fitaovana toy ny solosaina 12, fanamiana isan-karazany 145, fitaovam-pifandraisan-davitra 20 miaraka amin'ny fahana maimam-poana mitentina 30.000 Ariary isam-bolana, boaty fizarana aterineto 1 misy fifandraisana tsy voafetra isam-bolana ho fampitaovana ny kaominina. Ireo rehetra ireo zay mitetina any ho any amin'ny 200 tapitrisa Ariary na 1 milliara Fmg eo ho eo ao anatin'ny dimy taona.

Narahana dinika an-databatra boribory ity lanonana androany ity ho fifampidinihana amin'ny fiaraha-miasa manaraka mba ho fampivoarana ny tanàna indrindra eo amin'ny lafiny fidirana makany amin'ny haitao ara-kajy mirindra ary ihany koa ny fanatsarana ny tanàna.

Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo toerana iombonana izay nohatsarain'izy ireo mba ho fanatsarana ny tanàna.

21/04/2026

FAMPAHAFANTARANA HO AN'IREO MPISEHATRA BAJAJ REHETRA MIASA ETO AMIN'NY KAOMININA AMBONIVOHITR'I FORT-DAUPHIN.

Hiroso amin'ny fisavana ireo bajaj tsy mahafeno fepetra miasa eto amin'ny kaominina ambonivohitr'i Fort-Dauphin ny kaominina manomboka izao mba ho fampanarahan-dalàna ny rehetra taorian'ny hetsika nokarakarain'ny kaominina nanomezana LICENCE - CAPACITÉ azy ireo.

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO FOTO-DRAFITR'ASA FANARIAM-PAKO AMIN'NY ENDRINY VAOVAOFort-Dauphin, 20 Aprily 2026...
20/04/2026

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO FOTO-DRAFITR'ASA FANARIAM-PAKO AMIN'NY ENDRINY VAOVAO

Fort-Dauphin, 20 Aprily 2026 - Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Zoma 17 Aprily 2026 lasa teo tamin'ny 04 ora tolak'andro ireo foto-drafitr'asa lehibe fanariam-pako miisa 10 amin'ny endriny vaovao namboarin'ny Kaominina Ambonibohitr'i Fort-Dauphin ho an'ny vahoaka ho fanatsarana fahadiovan'ny tanàna.

Foto-drafitr'asa miavaka manaraka ny fenitry ny fitandroana ny fihoaram-pefin'ny fako ireto foto-drafitr'asa ireto ary ahafahana mametraka ireo fepetran'ny fahadiovana amin'ny alalan'ny fitsipika mifehy ny fahadiovana na ny CMH efa tafapetraka eto amin'ny tanànan'ny Fort-Dauphin ka ao anatin'izany ny ora fanariam-pako dia amin'ny 05 ora hariva ka hatramin'ny 11 ora alina izany. Voasazy araka ny lalàna araka izany ireo minia mandika izany fitsipika efa napetraka izany ary napetraka ihany koa ireo mpiambina izay paik'ady mba hifehezana ny fako miparitaka sy hiarovana ity fananana iombanana ity.

Tonga nanokatra ireto foto-drafitr'asa lehibe ireto ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro , ireo Mpanolo-tsaina monisipaly, ireo Sefo Fokontany, ireo Komity Loharano ary ireo mpiasa eto anivon'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin.

17/04/2026

FAMETRAHANA IREO MPIAMBINA ISAKY NY FANARIAM-PAKO VAOVAO MBA HITANDROANA NY FAHADIOVANA MANDRAKARIVA.

Fort-Dauphin, 17 Aprily 2026 - Paikady ampiasaina amin'ny foto-drafitr'asa fanariam-pako vaovao atolotry ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin ny vahoaka ny fametrahana mpiambina isak'ireo fanariam-pako ireo izay hosokafana manomboka androany Zoma 17 Aprily 2026 ireo.

Natao hiambina sy hanadio ny manodidina izy ireo mba hisorohana ny tsy fanarahan-dalàna sy ny mety fihoaram-pefy satria dia efa napetraka mazava ny fe-potoana tokony hanariana fako manomboka izao indrindra amin'ny nahazoana ireo foto-drafitr'asa miavaka mifanaraka amin'ny lamina napetraka amin'ny fisian'ny vavahady mametra ny ora fanariam-pako ka misokatra amin'ny 05 ora hariva ka hatramin'ny 11 ora alina ny vavahady izay ora voapetraka ho tokony hanariana ny fako.

Miantso ny fahatongavan-tsain'ny vahoaka ary manentana hatrany amin'ny fanarahan-dalàna araka izany ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro mba hamerenana indray ny tanàna madio sy milamina satria izao no natao dia ho an'ny vahoaka sy ny tanàna araka ity fanambarana nataony ity.

16/04/2026

FANOLORANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO FOTO-DRAFITR'ASA FANARIAM-PAKO AMIN'NY ENDRINY VAOVAO.

Hosokafana ary hatolotra amin'ny fomba ofisialy ho an'ny vahoakan'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin rahampitso Zoma 17 Aprily 2026 amin'ny 04 ora tolak'andro ny foto-drafitr'asa fanariam-pako miisa 10 namboarin'ny Kaominina ambonivohitr'i Fort-Dauphin ho an'ny vahoaka manerana ny fokontany 11.

Foto-drafitr'asa amin'ny endriny vaovao mifanaraka amin'ny filan'ny vahoaka ity atolotra ny vahoaka ity ary fanatanterahana ny fampanantenana sy ny fandaharan'asan'ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro nandritry ny fampielezan-kevitra nataony amin'ny famerenana ny tanàna madio sy milamina satria TANÀNA MADIO, TANÀNA MANDROSO ary Fort-Dauphin Tsy maintsy Mandroso.

🇲🇬 FANAZARAN-TENA NATAON'IREO MPAMONJY VOINA.Fort-Dauphin, 16 Aprily 2026 - Ho fanamafisana ny traikefan'ireo mpamonjy v...
16/04/2026

🇲🇬 FANAZARAN-TENA NATAON'IREO MPAMONJY VOINA.

Fort-Dauphin, 16 Aprily 2026 - Ho fanamafisana ny traikefan'ireo mpamonjy voina avy ao amin'ny 3ème UPC na Unité de Protection Civile eto Tolagnaro dia nanatanteraka fanazaran-tena tao amin'ny Hôtel La Marina izy ireo androany maraina tamin'ny alalan'ny famonjena ain'olona sy famonjena hain-trano niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka avy any La Frantsa dia ny eo anivon'ny Pompier France izany.

Nampiavaka ity fanazaran-tena ity ny fampiasana fitaovana manokana amin'ny alalan'ny DRÔNE hamantarana sy hanarahana ny toerana hitrangan'ny loza mialohan'ny ahatongavan'ny mpamonjy voina mba hanamorana ny fahitana ny toerana hitrangan'ny loza sy mitarika azy ireo amin'ny làlana tsy misy sakana makany amin'ny toerana misy ny loza mba ahafehezana malaky ny mety ho fihitaran'ny loza.

------------------------------------------------------------------

🇨🇵 EXERCICE DE SAUVETAGE DES ÉQUIPES DE SECOURS

Fort-Dauphin, 16 avril 2026 - Afin de renforcer l'expérience des sapeurs pompiers de la 3ème UPC (Unité de Protection Civile) ici à Tolagnaro, ils ont réalisé un exercice ce matin à l'Hôtel La Marina, portant sur le sauvetage de personnes et la lutte contre les incendies, en collaboration avec des partenaires de France, notamment les Pompiers de France.

Cet exercice se distingue par l'utilisation d'équipements spéciaux, notamment un DRONE, pour identifier et suivre les lieux potentiellement sinistrés avant l'arrivée des secouristes, facilitant ainsi la localisation des zones de danger et les guidant sur des chemins dégagés vers le site de l'accident afin de maîtriser rapidement l'éventuelle propagation du sinistre.

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA TEO AMIN'NY DELEGASION'NY ONIVERSITE KANADIANA SY NY ONIVERSITE IES ANÔSY ARY NY ORINASA ...
15/04/2026

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA TEO AMIN'NY DELEGASION'NY ONIVERSITE KANADIANA SY NY ONIVERSITE IES ANÔSY ARY NY ORINASA QMM TAMIN'ANDRIAMATOA BEN'NY TANÀNAN'NY KAOMININA AMBONIVOHITR'I FORT-DAUPHIN.

Fort-Dauphin, 15 Aprily 2026 - Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana tamin'Andriamatoa Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin Andry Andriamahasoro androany Alarobia 16 Aprily 2026 teto amin'ny Lapan'ny Tanàna ireo delegasiona avy amin'ny Oniversite Kanadiana nahitana an'Andriamatoa Patrick Razakamananifidiny sy Ramatoa Mélanie Tremblay izy ireo izay birao iraisam-pirenena eo anivon'ity oniversite ity; teo ihany koa ny Talen'ny Oniversite IES na ny Oniversite d'Anôsy ankehitriny Andriamatoa Raberinary Daniel ary ny avy amin'ny orinasa QMM Ramatoa Piers Jessica.

Votoatin'ny fihaonana ny fangatahan'izy ireo soso-kevitra tamin'Andriamatoa Ben'ny Tanàna mahakasika ny fananganana sy fanohanana ny oniversite vaovao eto amintsika amin'ny alalan'ny IES izay nivadika ho Oniversite d'Anôsy ankehitriny mba ho tena oniversite manaraka ny fenitry ny fampianarana ambony sahaza ny zanak'i Tolagnaro ary tsy mena mitaha amin'ny oniverisite manerana an'i Madagasikara sy any ivelany no hatsangana ka ahitana sampam-pianarana sy sampam-piofanana maro ary foto-drafitr'asa mifanaraka amin'izany.

Izao fakan-kevitra nataon'izy ireo izao dia ho fanomanana ny atrik'asa ho tanterahin'izy ireo ny Zoma 17 Aprily 2026 ho avy izao eto amintsika ho fanatsarana ny endriky ny oniversite hatsangana eto amintsika ka nitondra ny soso-kevitra ny Ben'ny Tanàna amin'ny maha Tompon'andraikitra voalohany azy ny tanàna; eo ihany koa ny maha mpanorina sy mpampianatra azy tao amin'ity oniversite IES izay ho lasa Oniversite d'Anôsy ity.

13/04/2026

FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY FISORATANA ANARANA BIOMETRIKA ETO AMIN'NY FARITRA ANÔSY.

Fort-Dauphin, 13 Aprilly 2026 - Natomboka tamin'ny fomba ofisialy teto amin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin teto amin'ny Lapan'ny Tanàna androany Alatsinainy 13 Aprily 2026 ny fisoratana anarana biometrika eto amin'ny Faritra Anôsy izay dingana mankany amin'ny fanovana ny lafin'ny fiankohonana, n'y raharaham-panjakana, ny ara-tsosialy, toe-karena ary ihany koa hamadihana ho biometrika ny kara-panondrom-pirenena izay tetik'asan'ny fitondram-panjakana ankehitriny mba hamantarana n'y mombamomba sy maha-tokana ny tsirairay ary hitahirizana izany ao anaty angon-drakitry ny fanjakana mba tsy ho very mandrakizay.

Efa miparitaka manerana ny Nosy fisoratana anarana biometrika ka tsy diso anjara amin'izany ny vahoakan'ny Tolagnaro ka miantso ny vahoaka araka izany ny Ben'ny Tanàna Andry Andriamahasoro mba ho tonga hisitraka ity tetik'asa fisoratana anarana biometrika ity izay tontosaina mandritry ny andro maromaro eto anoloan'ny Lapan'ny Tanàna.

Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy androany ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja sivily sy miaramila eto an-toerana sy manerana ny Faritra Anôsy.

Address

Fort-Dauphin
614

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine de Fort-Dauphin posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share